FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO
Fitaovana Kely Manampy ny Rahalahy sy Anabavy Hahazo Sakafo Ara-panahy
1 SEPTAMBRA 2020
Mbola tsy be dia be hoatran’ny amin’izao mihitsy ny boky sy gazety ary lahatsoratra amin’ny endrika elektronika sy ny video navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lafo be anefa ny Internet any amin’ny amin’ny toerana maro maneran-tany, ka sarotra amin’ny mpiara-manompo ny mahazo Internet. Any amin’ny toerana hafa indray tapaka matetika ny herinaratra, na miadana be ny Internet, na tsy misy mihitsy.
Na eo aza izany rehetra izany, dia be dia be izao ny rahalahy sy anabavy afaka maka video sy lahatsoratra amin’ny endrika elektronika, nefa tsy mampiasa Internet. Fa ahoana no ataon-dry zareo?
Mampiasa an’ilay fitaovana kely hoe JW Box ry zareo. Zaraina amin’izay fiangonana tsy misy Internet izy io. Zavatra telo no ao anatin’ny JW Box: Fitaovana fizarana zavatra amin’ny endriny elektronika novidina tany amin’ny orinasa iray, programa noforonin’ny Sampan-draharahan’ny Ordinatera any amin’ny Betela, ary boky sy gazety sy video avy ao amin’ny jw.org. Tokotokony ho 75 dolara eo ho eo ny vidin’ny JW Box iray.
Atao any amin’ny Efitrano Fanjakana ny JW Box. Ampifandraisin’ny rahalahy sy anabavy amin’ny alalan’ny Wi-Fi amin’ilay JW Box ny telefaonin’izy ireo na ny fitaovany hafa, dia avy eo afaka maka boky sy video izy ireo. Na efa talohaloha sy tsotsotra aza ny fitaovana elektronika ampiasain’ireo rahalahy, dia azo ampifandraisina amin’ilay izy. Ahoana anefa raha tsy misy Internet ilay fiangonana manana JW Box? Ahoana no hahazoan-dry zareo an’izay video sy lahatsoratra nivoaka farany hatao ao anatin’ilay JW Box? Ataon’ny biraon’ny sampana ao anaty clé USB izay zavatra nivoaka farany ao amin’ny jw.org, ary alefany tsy tapaka any amin’ny fiangonana ilay izy mba hampidirina ao amin’ny JW Box. Eo ho eo amin’ny 4 dolara ny vidin’ny clé USB tsirairay.
Tena manampy ny rahalahintsika ve ny JW Box? Izao no nolazain’i Nathan Adruandra, raim-pianakaviana iray any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo: “Efa ela aho no nanandrana naka an’ilay filma hoe ‘Jehovah ô! . . . Ianao no Itokisako’ sy ilay hoe Tsarovy ny Vadin’i Lota. Tsy nety azoko mihitsy anefa ilay izy, dia kivy aho! Izao anefa aho afaka maka an’ireo video ireo ao amin’ny telefaoniko. Tena manampy be anay mivady ilay izy rehefa mampianatra ny zanakay izahay.”
Izao no nolazain’ny rahalahy iray manampy fiangonana maro any Nigeria amin’ny fampiasana ny JW Box: “Miteny daholo ny mpiara-manompo hoe fanomezana tena miavaka avy amin’i Jehovah ny JW Box. Tena faly ry zareo fa tsy sahirana intsony maka boky sy video avy ao amin’ny Fitaovana Fampianarana.”
JW Box 1 700 mahery izay no nalefa amin’ireo rahalahintsika any Afrika, Oseania, ary Amerika Atsimo. Efa manao fandaharana koa isika izao mba handefasana azy io any amin’ny fiangonana maro kokoa. Avy aiza ny vola ampiasaina amin’izany rehetra izany? Avy amin’ny fanomezana ataontsika ho an’ny asa maneran-tany, ary be dia be izao no manao fanomezana ao amin’ny donate.pr418.com. Misaotra anareo satria tena malala-tanana ianareo!