Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Fomba Nanomanana Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy

Fomba Nanomanana Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy

1 OKTOBRA 2024

 Anisan’ny zavatra tsy andrin’ny Vavolombelon’i Jehovah indrindra tamin’ity taona ity ny nivoahan’ny Fizarana 1 amin’ilay hoe Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy. An-tapitrisany no efa nahita azy io. Vao santatra am-bava rano ihany anefa io satria misy fizarana 18 be izao ilay tantara! Inona avy ny asa tafiditra amin’ny famokarana an’io video mifampitohy io, ary misy anjara birikinao ve amin’izany?

Fikarakarana ny mpilalao sy ny ekipa mpaka video

 Ao amin’ny sampan’i Aostralazia no atao ny ankamaroan’ny fakana video an’ilay Fanompoan’i Jesosy, ary olona 50 ka hatramin’ny 80 eo ho eo no eo amin’ny sehatra isaky ny misy ampahany alaina. a Omena sakafo antoandro sy sakafo hariva ary tsakitsaky ny mpilalao rehetra sy ny ekipa mpaka video. Aloha be dia efa voalamina hoe inona ny sakafo hatao. Miasa ao amin’ny Sampan-draharaha Mikarakara ny Sakafo i Esther. Nanazava izy hoe: “Mpivarotra samihafa no ividiananay sakafo, amin’izay mba ilay kalitao tsara nefa mora no azonay. Ahitsinay foana koa ny habetsahan’ny sakafo karakarainay mba tsy ho betsaka no verivery fotsiny.” Mandany efatra dolara eo ho eo (18 000 ariary eo ho eo) isan’andro isika amin’ny sakafon’ny olona iray.

 Tsy sakafo ihany no ilain’ny mpilalao sy ny ekipa mpaka video fa fiarovana koa. Fiarovana amin’ny inona? Matetika no tsara foana ny andro any Aostralia sady mafana. Mahery be koa anefa ny taratra ultraviolet. Niasa mafy àry ny rahalahy sy anabavy sasany ka nanangana tranolay sy toerana mangatsiatsiaka, amin’izay ny rehetra mba tsy danihin’ny masoandro ela loatra sady tsy reraky ny hafanana. Ataon-dry zareo azo antoka koa hoe ampy tsara foana ny menaka fiarovana amin’ny masoandro sy ny elo ary ny rano. Hoy i Kevin, izay miasa ao amin’ny Sampan’asa Momba ny Feo sy Video: “Betelita kilasimody ny ankamaroan’ireny rahalahy sy anabavy ireny. Manetry tena be ry zareo rehefa manao an’io asa io sy ny asa hafa be dia be, sady falifaly. Tsy ho vitanay mihitsy ity tetikasa ity raha tsy eo ry zareo.”

Fakana video any an-toeran-kafa

 Lasa tsy hoatran’ny tena izy ny ampahany sasany amin’ilay tantara raha vao ao amin’ny biraon’ny sampana no alaina video, na eo amin’ireo sehatra namboarina izany na ao anaty trano. Any an-toeran-kafa àry ny fakana video an’ireny ampahany ireny no atao. Tsy tokony hahitana tariby mitondra herinaratra sy lalana godorao ary trano maoderina, ohatra, ny video mampiseho ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly, satria mbola tsy nisy an’ireo tamin’izany. Tsy maintsy mandeha any amin’ny toerana lavitra be àry ny mpilalao sy ny ekipa mpaka video rehefa haka an’ireny ampahany ireny. Tsy maintsy ampirimina sy entina daholo ny akanjon-dry zareo sy ny fitaovana rehetra hampiasaina, dia avy eo apetraka amin’ny toerana azo antoka tsara. Alohan’ny hanombohan’ny fakana video, dia efa misy rahalahy manao izay hahazoana antoka hoe efa misy gropy sy rano fisotro madio ary kabine ilay toerana. Ary aiza no mipetraka ny mpilalao sy ny ekipa mpaka video? Any an-tranona Vavolombelona tia mandray vahiny, ao anaty tranofiara, na any amin’ireny hotely na tranokely fatoriana ireny.

Tsy moramora ilay maka video any an-toeran-kafa

 Mandany vola be indraindray ilay maka video any an-toeran-kafa. Maka fotoana koa ilay izy sady mamizana. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry tamin’ny 2023 ny hividianana efijery ngezabe mitentina 2,5 tapitrisa dolara (10 tapitrisa ariary mahery). Fandefasana video izy io dia atao ao aorian’ny mpilalao, amin’izay izy lasa hoatran’ny hoe any an-toeran-kafa mihitsy. Tsara be ny sary avoakany, sady mifanaraka tsara amin’ireny sary ireny koa ny hazavana avoakany, dia lasa hoatran’ireny hoe eny ivelany ireny no atao ilay fakana video. Tsy voatery mandany vola be maka video any an-toeran-kafa intsony àry isika matetika. Hoy i Darren, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Aostralazia: “Mba tsy reraka be ny mpilalao rehefa io efijery ngezabe io no ampiasaina, moa ny ekipa mpaka video koa afaka mamerimberina maka video araka izay tiany. Raha eny ivelany izao, ohatra, isika no maka video, dia minitra vitsy ihany no ananantsika hakana video masoandro mody alohan’ny hilentehany. Amin’ilay efijery ngezabe anefa azontsika averina im-be dia be araka izay ilaintsika ilay masoandro mody mandra-pahazontsika ny sary mety indrindra.”

Manamboamboatra sy manandrana an’ilay efijery ngezabe vao avy napetaka, alohan’ny hakana video

‘Hoatran’ny tsy tsapako hoe sorona ilay izy’

 Mpilalao an-jatony no ilaina isaky ny fizarana tsirairay amin’ilay video Fanompoan’i Jesosy. Mbola betsaka noho izany aza ny ao amin’ny ekipa mpaka video. Inona no tsapan-dry zareo momba ny ezaka atao mba hikarakarana an-dry zareo?

 Avy any Melbourne i Amber, ary nanao dia 700 kilaometatra mahery izy mba hahafahany mandray anjara amin’ilay tetikasa. Izao no nosoratany: “Vao tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina aho, dia efa nikarakara be ahy ireo anadahy tao amin’ny Betela. Betsaka ny Betelita nanasa ahy hisakafo na hisotro dite. Nanao izay hampahazo aina tsara ahy koa ny rehetra, rehefa teny amin’ny toerana fakana video, sady nanao izay hahatsapako hoe tian-dry zareo aho. Fitahiana be dia be no azoko tamin’iny diako iny. Hoatran’ny tsy tsapako mihitsy aza hoe sorona ilay izy!”

 I Derek indray miara-miasa amin’ny ekipa mikirakira ny lafiny teknika. Hoy izy: “Betsaka ny sampan-draharaha nanampy anay hatramin’ny nanombohan’ity tetikasa ity. Faly aho hoe manana rahalahy sy anabavy be dia be mahafoy fotoana sy fananana ary hery mba hanohanana an’ilay tetikasa. Tena vonon-kanampy ry zareo sady tsara fanahy. Azo antoka hoe samy tahin’i Jehovah na ry zareo na izahay. Dia izaho mino hoe tsy ny vokatry ny asa ataonay ihany no zava-dehibe amin’i Jehovah fa ny fomba anaovanay an’ilay izy koa.”

 Mankasitraka anao izahay satria anisan’ny manohana ny famokarana an’io video mifampitohy io ianao amin’ny alalan’ny fanomezana ataonao, anisan’izany ny fanomezana nataonao tao amin’ny donate.pr418.com.

a Ny biraon’ny sampan’i Aostralazia no miandraikitra ny asantsika any amin’ny tany maro, anisan’izany ny any Aostralia sy ny tany vitsivitsy any Pasifika Atsimo. Any amin’ny sisin’ny tanànan’i Sydney, any Aostralia, no misy azy.