Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Hira Manampy Antsika ho Akaiky Kokoa An’Andriamanitra

Hira Manampy Antsika ho Akaiky Kokoa An’Andriamanitra

1 NOVAMBRA 2021

 Fanomezana tsara be avy amin’i Jehovah ny hira. Misy vokany amin’ny eritreritsika izy io, manova ny fihetseham-pontsika, ary mandrisika antsika hanao zavatra. Hoatr’izany mihitsy ny hirantsika, ary mbola mihoatra noho izany aza satria manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah.

 Hira 70 mahery no efa navoakantsika hatramin’ny 2014, ary ny iray amin’ireo izao, fara fahakeliny, no misy amin’ny fiteny 500 mahery! Mety ho lasa saina anefa ianao hoe: ‘Iza no mamokatra an’ireny hira ireny, dia inona avy ny asa tafiditra amin’izany?’

Ahoana no ahavitana an’ireny hira ireny?

 Ny ekipa mikarakara ny hira, ao amin’ny Sampan’asa Momba ny Feo sy Video, no mamokatra an’ireny hira ireny. Ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana no miandraikitra an’io sampan’asa io. Rahalahy sy anabavy 13 no ao anatin’ilay ekipa mikarakara ny hira. Izy ireo no misahana ny famoronan-kira, fanamboarana ny feony, fanaovana fandaharam-potoana, ary ny asa hafa tena ilaina. Misy mpiasa an-tsitrapo hafa miasa any an-tranony koa neken’ny Komitin’ny Fampianarana hoe hanampy an-dry zareo amin’io asa io, ka ao ny mpamoron-kira, mpitendry zavamaneno, ary mpihira. Manetry tena ireny rahalahy sy anabavy avy any amin’ny tany samihafa ireny, ka mampiasa ny talentany nefa tsy mitady laza sy voninahitra.

 Ahoana no amokarana hira iray? Ny Komitin’ny Fampianarana aloha no mifidy ny andinin-teny iorenany sy ny fihetseham-po tiana havoaka. Ny ekipa mikarakara ny hira avy eo no manendry an’izay hamorona ny feon-kira sy hanoratra ny tononkira. Misy fandraisam-peo andrana atao, aorian’izay. Mihaino an’ilay fandraisam-peo andrana ny Komitin’ny Fampianarana ary manome toromarika fanampiny. Ahitsin’ny ekipa mikarakara ny hira avy eo ilay hira ary atao ny fandraisam-peo farany. Toerana isan-karazany no anaovana ny fandraisam-peon’ireny hira ireny, ohatra hoe any amin’ny tranon’ny sampana na any an-tranon’olona manana fitaovana fandraisam-peo.

 Mampiasa programan’ordinatera samihafa ireo rahalahintsika rehefa mamoron-kira sy mandray feo. Tsy maintsy mampiasa fitaovana hafa koa ry zareo, ohatra hoe zavamaneno, fanamafisam-peo sy ny fitaovana hafa mifandray amin’izany, ary mikrô. Ny vidina mikrô iray fotsiny dia efa mety hahatratra 100 dolara (amerikanina) ka hatramin’ny 1 000 dolara mahery. Nandany 116 000 dolara (amerikanina) isika tamin’ny 2020 mba hividianana fitaovana fandraisam-peo hira.

 Ahoana no natao mba hitsitsiana vola? Mpiasa an-tsitrapo miasa any an-tranony no tena betsaka ao amin’ilay ekipa mikarakara ny hira fa tsy Betelita. Programan’ordinatera koa matetika no ampiasaina mba hamoronana sy hamokarana hira, fa tsy hoe mpitendry zavamaneno be dia be no angonina amin’ny toerana iray dia alaina feo.

‘Manatanjaka finoana’

 Tian’ny rahalahy sy anabavy ny mihaino an’ireny hirantsika ireny. Hoy i Tara, mipetraka any Alemaina: “Rehefa mitebiteby aho dia ireny hira ireny no manampy ahy ho tony. Hoatran’ny hoe mamihina ahy i Jehovah rehefa mihaino azy ireny amin’ny fiteniko aho.” Hoy koa i Dmitry, rahalahy iray any Kazakhstan: “Tiako ilay hoe afaka mihaino hira aho nefa tsy mila miasa saina hoe mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ve ilay izy sa tsia. Manampy ahy hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy koa ireny hira ireny.”

 Izao indray no tsapan’i Delia, any Afrika Atsimo, momba an’ireny hira ireny: “Lasa manatanjaka ny finoako izy ireny. Rehefa kivy aho na manana olana, dia tsy maintsy misy hira mifandray amin’ilay zavatra mahazo ahy foana. Na ny feon’ilay hira fotsiny aza dia efa mampiova ny fihetseham-poko.”

 Misy amin’ireny hira ireny koa lasa hoe hira tian’ny mpiara-manompo indrindra. Hoy i Lerato, any Afrika Atsimo: “Manampy ahy haka sary an-tsaina ny fotoana hitsenako ny mamako ilay hira hoe ‘Efa ao Ambadika Ao’ sy ilay hoe ‘Ilay Tontolo Vaovao.’ Isaky ny mihaino an’ireo hira ireo aho, dia hoatran’ny hitako erỳ izy mihazakazaka manatona ahy sady efa vonona hamihina ahy.”

 Misy hirantsika iray koa tena nahasoa ny ankizivavy iray any Sri Lanka. Hoy izy: “Nobedibedesin’ilay mpampianatra siansa anay teo imason’ny ankizy aho satria hoe Vavolombelon’i Jehovah. Lasa natahotra aho dia tsy nahita hotenenina. Rehefa tonga tany an-trano aho, dia nampirisihin’ny mamanay hihaino an’ilay hira hoe ‘Mianara mba Handroso Tsara.’ Hitako tamin’ilay hira hoe mila manao fikarohana aho dia manomana zavatra holazaina. Niresaka tamin’ilay mpampianatra aho ny ampitson’iny. Nihaino tsara ahy izy sady nilaza hoe azony kokoa izao ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misaotra ny fandaminan’i Jehovah aho nanome antsika hira mampahery hoatr’ireny.”

 Ahoana no isahanana ny lany amin’ny famokarana an’ireny hira ireny? Amin’ny alalan’ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany. Misy fomba maromaro azo anaovana an’izany ao amin’ny donate.pr418.com, ary betsaka aminareo no mampiasa an’ireny fomba ireny. Misaotra fa tena malala-tanana ianareo.