Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

‘Hita sy Heno’ Tsara ny Fandaharana Rehetra Rehefa Fivoriambe

‘Hita sy Heno’ Tsara ny Fandaharana Rehetra Rehefa Fivoriambe

1 JOLAY 2024

 Efa 130 taona mahery izay ny Vavolombelon’i Jehovah no nanao fivoriambe isan-taona. Misy lahateny maherin’ny 40 amin’ireny fandaharana ireny, dia misy mozika sy fanadinadinana ary video. Tokony ho ‘hita sy heno’ tsara ny zava-drehetra, raha tiana handrisika ny mpanatrika hanao zavatra sy hahatonga an-dry zareo handray soa. (Lioka 2:20) Ahoana àry no hampiasana ny fanomezana omenao mba ho azo antoka hoe mandray soa avy amin’ireny fivoriambe ireny ny olon-drehetra, na aiza na aiza misy azy?

Ampifanarahana amin’izay toerana anaovana fivoriambe ny fitaovana fandefasana feo sy video

 Betsaka amin’ny kianja any amin’ny tany sasany any Eoropa sy Amerika no efa misy fitaovana fandefasana feo sy video. Maninona anefa no hoe ny antsika ihany no ampiasaintsika matetika rehefa manofa an’ireny toerana ireny? Izao no nohazavain’i David, rahalahy miasa ao amin’ny Sampan-draharaha Mampiely Feo sy Video any amin’ny foibentsika: “Vitsy amin’ireny toerana hofaintsika ireny no natao handraisana olona hanatrika fandaharana mandritra ny adiny enina mahery dia hihaino tsara, indrindra moa hoe lahateny no tena hohenoina amin’izany. Raha kianja fanaovana spaoro, ohatra, ilay izy, dia hanaovana fampandrenesana fohy sy handefasana mozika tsy lava be no tena ilana ny fanamafisam-peo ao. Ny efijery indray fandefasana isa azon’ny mpilalao sy dokam-barotra ary famerenana fohy an’ilay lalao. Ny antsika anefa lavalava ny video halefa, dia tiantsika koa raha maheno sy mahazo tsara ny teny tsirairay lazaina eny amin’ny lampihazo ny mpanatrika.”

 Samy hafa daholo ny toerana hanaovana fivoriambe, dia tsy maintsy hampifanarahana amin’izay ny fitaovana fandefasana feo sy video. Raha vao voafidy ny toerana hanaovana an’ilay fivoriambe, dia jeren’ny Sampan-draharaha Mampiely Feo sy Video hoe aiza ny mpanatrika no hipetraka. Ny isan’ny olona eritreretin-dry zareo hoe ho avy hanatrika an’ilay fivoriambe sy ny habetsahan’ny olona zakan’ilay toerana no hamaritan-dry zareo an’izany. Manao kajikajy ry zareo avy eo hoe aiza avy no tokony hametrahana fanamafisam-peo sy efijery, dia ahoana no hampifandraisana an’ireo. Hataon-dry zareo lisitra avy eo izay fitaovana rehetra ilaina, mba ho azo antoka hoe hahita sy haheno tsara ny fandaharana ny rehetra.

Rahalahy ao amin’ny Sampan-draharaha eo An-toerana Mampiely Feo sy Video, manaraka planina efa namboarina tsara

 Vao mainka sarotra ny mandamina ny resaka feo sy video rehefa hatao amin’ny fiteny maromaro indray miaraka ilay fivoriambe. Ahoana, ohatra, raha hadika amin’ny fiteny hafa ilay fandaharana? Tsy maintsy atao mahita sy maheno ny zava-drehetra aloha ny mpandika teny, dia avy eo mila ampitaina amin’ny alalan’ny onjam-peo amin’ny radio hafa mitokana mihitsy ny zavatra adikan-dry zareo mba ho henon’izay mampiasa an’ilay fiteny. Soa ihany fa misy an’ilay programa manokana fandefasana sary sy video, dia afaka miara-mahita video mitovy daholo ny mpanatrika rehetra na dia amin’ny fiteny valo samihafa aza, ohatra, ny feon’ilay izy. Nilaza i David hoe ‘sarotra be ny manao an’izany, dia tena mila ampiofanina tsara mihitsy izay mpiasa an-tsitrapo miandraikitra an’izany.’

 Efa manana fitaovana fandefasana feo sy video fampiasa isan-taona ny ankamaroan’ny biraon’ny sampana. Rehefa avy ampiasaina amin’ny fivoriambe iray ireny fitaovana rehetra ireny, dia hoentina any amin’ny fivoriambe manaraka indray. Mandany 200 000 dolara a mahery ny biraon’ny sampan’i Etazonia fotsiny isan-taona mba ho tonga any amin’izay toerana ilana azy ny fitaovana fandefasana feo sy video. Mitsitsy vola ihany anefa izany satria tsy voatery mividy vaovao sady tsy miampy ny fitaovana mila kojakojaina. Izao no nolazain’i Steven, rahalahy iray nanampy tamin’ny fiandraiketana feo sy video tany amin’ny fivoriambe iray tany Kanada: “Tena niezaka be mihitsy ny ekipanay mba tsy hisy hadino fa ho voakarakara tsara ny zava-drehetra, anisan’izany ny bilao sy ny fil na kabla. Nataonay azo antoka koa hoe voampirina tsara tao amin’ny fitoerany daholo ilay izy, amin’izay tsy atahorana ho simba rehefa hoentina any amin’ny fivoriambe manaraka fa tonga dia azo ampiasaina indray.”

Vidina izay fitaovana ilaina dia kojakojaina tsara foana

 Lafo be mihitsy ny manofa fitaovana fandefasana feo sy video. Matetika koa no tsy dia manara-penitra ilay izy na zara raha voakojakoja. Aleontsika àry mividy vaovao, amin’ny ankapobeny. Efa 24 000 dolara eo ho eo izao ny efijery LED fampiasa ao an-trano, mirefy dimy metatra ny lavany dia telo metatra ny sakany. Ny kabla-na mikrô 15 metatra indray 20 dolara eo ho eo ny iray fotsiny. ‘Atao kajy’ àry aloha hoe “ohatrinona no ho lany”, izay vao vidina izay fitaovana ilaina. (Lioka 14:28) Miara-miasa amin’ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana ny Sampan-draharaha Mampiely Feo sy Video mba hahavitana an’izany. Jerena, ohatra, hoe firy ny olona mety handray soa amin’ilay fitaovana, mividy vaovao ve no tsara kokoa, ary misy toerana mety tsara hampirimana an’ilay izy ve. Dinihina koa hoe manana fitaovana hikojakojana an’ilay izy ve isika, dia misy mpiasa an-tsitrapo efa voaofana hanao an’izany ve.

 Amboarina foana izay simba, na elektronika io na mekanika. Mitsitsy ny vola natokana ho an’ny fitaovana fandefasana feo sy video izahay amin’izany, satria lasa mateza ilay izy. Ataonay ao anaty tranony mafy be koa ireny fitaovana ireny rehefa halefa any an-toeran-kafa, amin’izay tsy mora simba. Dia ireny tranony ireny koa aza amboarina rehefa simba.

Mateza ny fitaovana fandefasana feo sy video rehefa kojakojaina tsara foana dia amboarina ny simba

Fitoriana vita ho azy sady mazava tsara ilay fandaharana

 Gaga be ny olona tsy Vavolombelona rehefa mahita ny hatsaran’ny feo sy video amin’ny fivoriambentsika. Nanao fanamarihana momba an’izany, ohatra, ny mpiasa iray ao amin’ny tele sy radio anisan’ny matanjaka indrindra eran-tany, tamin’ny fivoriambe anankiray. Nitantara ny zavatra nolazainy i Jonathan, anisan’ireo mpikarakara ny fitaovana fandefasana feo sy video rehefa fivoriambe. Hoy izy: “Gaga be ilay lehilahy hoe hay kay mpiasa an-tsitrapo daholo ny ekipanay fa tsy hoe matihanina amin’ny resaka feo sy video akory. Raha ny tao amin’ny orinasany, hono, no nametraka an’ireo fitaovana rehetra napetrakay tao anatin’ny iray andro sy tapany fotsiny, dia mety ho dimy andro ilay izy vao vitan-dry zareo.” Izao koa no nolazain’ny lehilahy iray mpiandraikitra ny toerana nanaovana fivoriambe iray hafa: “Efa betsaka ihany izay olona matihanina amin’ny resaka mozika sy video nandalo teto izay, fa mbola tsy nahita olona nahavita hoatran’ny vitanareo mihitsy aho.”

Rahalahy sy anabavy mankafy ny fandaharana

 Ary ianao? Inona ny soa raisinao avy amin’ny fitaovana fandefasana feo sy video any amin’ny fivoriambe? Mitovy amin’izay tsapan’i David any Angletera angamba no tsapanao. Hoy izy: “Efa 88 taona aho izao. Nanatrika fivoriambe foana aho hatramin’izay. Amin’izao anefa no hitako hoe mora kokoa ny mifantoka tsara. Mahafinaritra be ny video, dia lasa hoatran’ny hoe vetivety kely dia vita ilay fandaharana. Vao mainka mazava tsara koa ny zavatra resahina any sady mifanaraka tsara.” Izao koa no nolazain’i Micheal any Nizeria: “Lasa mahavita mifantoka tsara ny rahalahy sy anabavy mandritra ny fandaharana, satria henony tsara amin’izay ny zavatra resahin’ny mpandahateny sady hitany tsara ny video rehetra alefa.”

 Rehefa manatrika an’ilay fivoriambe hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ àry ianao amin’ity taona ity, na fivoriamben’ny vondrom-paritra ilay izy na fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana, dia manokàna fotoana kely hieritreretana hoe inona avy no nataon’ireo rahalahy mba hanampiana anao haheno sy hahita tsara an’ilay fandaharana. Mankasitraka anao izahay satria nanampy anay hahavita an’izany ny fanomezana nataonao, anisan’izany ireo fanomezana nataonao tao amin’ny donate.pr418.com. Misaotra betsaka!

a Dolara amerikanina no resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.