Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Manampy Olona An-tapitrisany ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana

Manampy Olona An-tapitrisany ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana

1 MARTSA 2021

 Miasa any amin’ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana (BFM) ny 60 isan-jato mahery amin’ny mpanompo manontolo andro miasa amin’ny fandikan-teny fa tsy any amin’ny biraon’ny sampana. Nahoana izany no tena manampy be? Inona no fitaovana ampiasan’ny mpandika teny mba hahavitany ny asa any amin’ny BFM? Misy vokany amin’ny asa fandikan-teny ve ny toerana misy ny mpandika teny?

 Atao any amin’ny toerana tena mampiasa be an’ilay fiteny hadika ny BFM ary any no mipetraka ny mpandika teny. Hoy i Karin, mandika teny amin’ny tenim-paritra alemà: “Hatramin’ny nifindranay tatỳ amin’ny BFM atỳ Cuauhtémoc, Meksika, dia afaka mampiasa ny tenim-paritra alemà foana izahay na eo amin’izahay samy mpandika teny, na eny amin’ny fanompoana, na rehefa miantsena. Mifanerasera amin’ny olona mampiasa ny fiteninay izahay. Maheno fomba fiteny efa tsy henonay hatramin’ny ela izahay, ary maharaka ny voambolana vaovao fampiasan’ny olona.”

 Nilaza i James, mpandika teny frafra any Ghana, fa malahelo ny fiarahana tamin’ny fianakavian’ny Betela izy indraindray. Nilaza koa anefa izy hoe: “Tena tiako ny miasa atỳ amin’ny BFM. Faly aho hoe mampiasa ny fiteny atỳ rehefa manompo dia faly koa aho mahita ny olona liana amin’ny vaovao tsara.”

 Ahoana no hataon’ireo rahalahy rehefa mifidy hoe aiza no asiana ny BFM? Hoy i Joseph, ao amin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany, any Warwick, Etazonia: “Sarotra ilay izy satria tapatapaka ny jiro sy rano any amin’ny toerana sasany na mahazo tsy mahazo ny Internet dia sahirana ny mpandika teny maka ny lahatsoratra hadikany. Rehefa hanangana BFM àry izahay dia toerana maromaro ampiasana be an’ilay fiteny no isafidiananay.”

 Ny haingana indrindra sy tsy mandany vola indrindra dia hoe any amin’ny Efitrano Fivoriambe, na Efitrano Fanjakana, na tranon’ny misionera no atao ny BFM ary mody isan-kariva ny mpandika teny. Raha tsy misy an’ireo anefa eo amin’ilay toerana dia mety ho azo atao ny mividy trano hipetrahan’ny mpandika teny sy birao hiasany. Azo amidy ilay toerana any aoriana any raha miova ny zavatra ilain’ny mpandika teny, ary azo ampiasaina amin-javatra hafa ny vidiny.

Ampy fitaovana hanohizana an’ilay asa

 Nandany 13 tapitrisa dolara isika mba hitohizan’ny asan’ny BFM, nandritra ny taom-panompoana 2020. Mila ordinatera, programa manokana, fitaovana handraisana feo, Internet, ary zavatra hafa ny ekipa any amin’ny BFM. Mahatratra 750 dolara eo ho eo ny vidin’ny ordinatera ampiasain’ny mpandika teny iray. Efa ao anatin’ilay ordinatera ny programa novidina sy ny programa Watchtower Translation System, izay manampy ny mpandika teny hanao ny asany sy hijery ny loharanon-kevitra ilainy.

 Omena fitaovana handraisana feo ao amin’ny biraony koa ny mpandika teny. Tena nanampy be ireny fitaovana ireny rehefa nanomboka ny COVID-19 satria azon’ny mpandika teny entina any an-tranony ilay izy dia afaka manohy mandray feo ny video sy ny zavatra hafa adikany izy ireo.

 Matetika ny mpiasa an-tsitrapo no manampy amin’ny fikarakarana ny BFM sy manampy ny mpandika teny mba hanamarina ny zavatra voadikany. Hoy i Cirstin, miasa amin’ny BFM mandika teny ho amin’ny teny afrikaans any Le Cap, Afrika Atsimo: “Afaka mampiasa tsara ny talentany ny mpitory sy ny mpisava lalana maharitra eto.”

 Faly ny mpiasa an-tsitrapo amin’ilay tombontsoa azony. Nilaza ny anabavy iray fa mamelombelona ny asa atao any amin’ny BFM. Raisim-peo koa ny rahalahy sy anabavy sasany. Hoy i Juana, mpandika teny totonac any Veracruz, Meksika: “Betsaka kokoa izao ny ranadahy sy rahavavy azo raisina feo mba hampiasaina amin’ny raki-peo sy video, satria tsy lavitra eto ny tanàna mampiasa ny fiteninay.”

 Nihatsara ve ny fandikan-teny rehefa nisy ny BFM? Mpamaky an-tapitrisany no mahita hoe nihatsara ilay izy. Hoy i Cedric, mpandika teny kongo, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo: “Nantsoin’ny rahalahy sy anabavy sasany hoe ‘teny kongo amin’ny bokin’ny fandaminana’ ny fandikan-teny nataonay taloha satria tsy hoatran’ny fiteny andavanandro. Milaza ry zareo amin’izao fa efa amin’ny teny kongo maoderina ny bokintsika, izany hoe amin’ny fiteny andavanandro.”

 Mitovy amin’izay koa ny nolazain’i Andile, mpandika teny xhosa, any Afrika Atsimo. Hoy izy: “Be dia be no miteny hoe miova ny fandikan-teny amin’izao. Na ny ankizy zatra namaky Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny anglisy aza mamaky an’ilay izy amin’ny teny xhosa izao. Tena tian-dry zareo be ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina satria amin’ny fiteny andavanandro.”

 Fanomezana an-tsitrapo ho an’ny asa maneran-tany no ananganana sy ikojakojana ny BFM ary ikarakarana ny olona rehetra miasa any. Maro amin’ilay fanomezana no voaray amin’ny alalan’ny donate.pr418.com.