FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO
Misionera “any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany”
1 JONA 2021
Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany hoe: “Ho vavolombeloko ... any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Mazoto manao an’io asa nasain’i Jesosy natao io ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola misy faritry tsy nitoriana anefa, na ny tanan-dehibe sy be mponina sasany aza. Any amin’ny tany hafa indray vitsy kely ny mpitory. (Matio 9:37, 38) Inona no ataontsika mba hitoriana amin’ny olona faran’izay betsaka?
Mba ho vita tsara io asa nandidian’i Jesosy io, dia nanendry misionera eny amin’ny saha any amin’ny tany mila mpitory ny Komitin’ny Fanompoana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy 3 090 izao ny misionera eny amin’ny saha maneran-tany. a Maro amin-dry zareo no niofana tamin’ny sekoly ara-baiboly, toy ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Vonona handao ny tranony ireny misionera ireny, dia hifindra any an-tany hafa. Mandray anjara be amin’ny asa fitoriana ny misionera, sady manome modely tsara ho an’ny mpitory vaovao. Tena matotra sy ampy traikefa mantsy ry zareo ary nahazo fampiofanana tsara.
Manohana ny Misionera mba Hanampy ny Hafa
Miara-miasa ny Komitin’ny Sampana sy ny Biraon’ny Mpanompo Voatendry eny Amin’ny Saha ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana. Ry zareo no mikarakara ny zavatra ilain’ny misionera, ohatra hoe ny trano sy ny fitsaboana, ary ny vola fanampiana mba hividianany an’izay ilaina andavanandro. Efa ho 27 tapitrisa dolara amerikanina no nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah hanampiana ny misionera, tamin’ny taom-panompoana 2020. Rehefa mahazo an’ireny fanampiana ireny ry zareo, dia lasa afaka mifantoka tsara amin’ny fanompoany, ary manampy ny mpitory hatanjaka ara-panahy.
Nanampy be tamin’ny fitoriana ny misionera eny amin’ny saha. Inona ohatra no nataon’izy ireo? Niteny i Frank Madsen, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Malawi, hoe: “Tena be herim-po ny misionera sady manana traikefa. Sarotra itoriana ny faritany sasany, ohatra hoe tanàna misy mpiambina na faritany misy vahiny. Lasa sahy mitory amin’izy ireny anefa ny mpitory noho ny fanampian’ny misionera. Mampahery ny hafa koa ny mahita an-dry zareo miezaka be mianatra ny fiteny sy ny kolon-tsaina vaovao, any amin’ny tany anendrena azy. Lasa te hanompo manontolo andro ny tanora rehefa mahita azy ireo. Tena fanomezan’i Jehovah ny misionera eny amin’ny saha.”
Nilaza ny Komitin’ny Sampana any amin’ny tany iray hafa, hoe: “Rehefa mijery ny misionera ianao dia tena resy lahatra hoe miray saina tokoa ny vahoakan’i Jehovah. Na ny olona tsy mpanompon’i Jehovah aza mahatsikaritra hoe mifandray tsara isika na samy hafa aza ny kolontsaintsika. Hitan’izy ireo koa hoe miray saina isika satria mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly.”
Inona no nataon’ny misionera mba hanampiana ny mpitory eo an-toerana? Tena nankasitraka ny misionera tao amin’ny fiangonany i Paulo, avy any Timaoro Atsinanana. Niteny izy hoe: “Mafana be mihitsy atỳ aminay. Tsy mahasakana ny misionera anefa izany. Mandeha mitory foana ry zareo, na dia efa zatra an’ilay mangatsiaka be tany amin’ny taniny aza. Tsy maintsy eo foana ry zareo rehefa fivoriana alohan’ny fanompoana, amin’ny maraina. Indraindray aza mbola hitako manao fiverenana mitsidika izy ireo, amin’ny andro antoandro mahamay be iny ary na dia efa amin’ny hariva aza. Be dia be ny olona nampian-dry zareo hahalala ny fahamarinana, dia izaho koa anisan’izany. Tena tia sy mazoto manompo an’i Jehovah ny misionera, dia ny fanompoana no tena mameno ny fiainan’izy ireo. Manahaka ny modelin-dry zareo ny mpitory dia lasa mazoto manompo koa.”
Mpivady misionera iray no nanampy ny fianakavian’i Ketti, mpisava lalana maharitra any Malawi. Niteny izy hoe: “Mbola izaho irery no Vavolombelona tao an-trano, tamin’izy mivady vao nifindra tao amin’ny fiangonanay. Nanohana be ahy ry zareo, dia lasa nifandray be tamin’ny fianakaviako. Rehefa nahita ny modelin-dry zareo ny zanako dia lasa te hanompo an’i Jehovah koa. Hitan’ny zanako tamin’ny fiainan’izy mivady mantsy hoe mahafaly sy mahafa-po ny manompo an’i Jehovah. Mpisava lalana maharitra izao ny zanako telo vavy, dia ny vadiko indray efa manomboka mivory.”
Avy aiza ny vola anampiana an’ireny misionera ireny? Avy amin’ny fanomezana atao ho an’ny asa maneran-tany. Nanaraka ny fomba fanaovana fanomezana atoro ao amin’ny donate.pr418.com, ny ankamaroan’ny olona nanome azy ireny. Tena misaotra betsaka azy ireo isika.
a Voatendry hanompo any amin’ny fiangonana mila fanampiana amin’ny asa fitoriana ny misionera eny amin’ny saha. Misy misionera eny amin’ny saha 1001 hafa kosa manao ny asan’ny faritra.