Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sekolin’i Gileada tamin’ny 2017

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Ny Sekolin’i Gileada: Mahasoa ny Rahalahy sy Anabavy Eran-tany

Ny Sekolin’i Gileada: Mahasoa ny Rahalahy sy Anabavy Eran-tany

1 DESAMBRA 2020

 Betsaka ny mpanompo manontolo andro manokana voantso hanao Sekoly Ara-baibolin’i Gileada isan-taona, ary avy any amin’ny firenena samihafa daholo izy ireny. Any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, any New York, no atao ilay sekoly. a Ampianarina an’ireo mpianatra ireo mandritra an’ilay sekoly hoe inona no hanampy azy ireo hahavita tsara ny asa isan-karazany anendrena azy ireo, eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Hanampy azy ireo hampahery sy hampiofana ny rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana koa ny fampiofanana azon’izy ireo, sady hampandroso ny asan’ny biraon’ny sampana maneran-tany.

 Tena sekoly iraisam-pirenena mihitsy ny Sekolin’i Gileada. Ny kilasy faha-147 tamin’ny Sekolin’i Gileada natao tamin’ny 2019, ohatra, izao, dia nisy mpianatra 56 avy any amin’ny firenena 29. Mpanompo manontolo andro manokana no manao an’ilay sekoly, ohatra hoe Betelita, mpiandraikitra ny faritra, misionera, ary mpisava lalana manokana.

 Misy fanomanana mialoha be tsy maintsy atao, alohan’ny anombohan’ilay sekoly. Ny Sampan-draharaha Mikarakara Dia Lavitra, ohatra, no mividy ny tapakilan’ny fiaramanidina handehanan’izay hanao an’ilay sekoly. Tamin’ny ankapobeny, dia nahatratra 1 075 dolara ny saran-dalana nandroso sy niverina ho an’ny mpianatra tsirairay avy any ivelan’ny Etazonia. Ny mpianatra avy any amin’ny Nosy Salomon, ohatra, izao, tsy maintsy nifindra fiaramanidina inefatra vao tonga tany Patterson, ary intelo nifindra fiaramanidina indray rehefa nody. Raha natambatra, dia 35 400 kilaometatra mahery ny dia nataon’izy ireo, ary 2 300 dolara isaky ny mpianatra ny vidin’ny tapakilan’ny fiaramanidina. Mba hitsitsiana vola, dia mampiasa programa amin’ny ordinatera mba hamandrihana tapakila mba mora kokoa ny Sampan-draharaha Mikarakara Dia Lavitra. Na dia efa vita aza anefa ilay famandrihana, dia mbola manohy mikarokaroka ao ihany ilay programa, herinandro maromaro na amam-bolana mihitsy aza, sao dia mbola mahita tapakila mora kokoa noho ilay efa nofandrihana. Misy koa olona efa mpandeha fiaramanidina, dia lasa mahazo tapakila maimaim-poana, dia omeny an’ilay Sampan-draharaha Mikarakara Dia Lavitra izany.

 Mila manana vizà ny ankamaroan’ny mpianatra vao afaka mankany Etazonia. Ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna no manampy an-dry zareo mba hahazo vizà. Eo ho eo amin’ny 510 dolara isaky ny mpianatra eo ny vola ilaina mba hikarakarana vizà.

 Inona no soa raisintsika avy amin’ny fiofanana azon’ireny mpianatra ireny? Anti-panahy any amin’ny fiangonana, any Azia Atsimoatsinanana i Hendra Gunawan. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada ny mpivady anankiray ao amin’ny fiangonana misy azy. Hoy izy: “Tsy nisy mpisava lalana maharitra mihitsy tao amin’ny fiangonanay taloha. Rehefa tonga anefa ireo mpivady avy nanao sekoly ireo, dia nisy mpitory lasa nanao mpisava lalana tao aminay, satria nifindra tamin-dry zareo ny zotom-po sy ny toe-tsain’ireo mpivady ireo. Nisy anabavy iray izay aza lasa nanao ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana mihitsy, tatỳ aoriana!”

 Misy Betelita efatra mianadahy nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada, ao amin’ny Betelan’i Azia Atsimoatsinanana, ary miara-miasa amin’izy ireo i Sergio Panjaitan. Hoy izy: “Tsy ry zareo ihany no nandray soa tamin’ilay sekoly fa na izahay koa aza. Tena nianatra zavatra be dia be mihitsy ry zareo, nefa tsy mirehareha! Zarain-dry zareo aza izay zavatra nianarany fa tsy fihininy ho azy samirery. Mampahery anay ny ataon-dry zareo, dia mba miezaka koa izahay mba mampahery ny hafa.”

 Vola avy aiza no hisahanan’ny fandaminana an’io sekoly io? Amin’ny alalan’ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany. Betsaka no manao an’ireny fanomezany ireny amin’ny alalan’ny donate.pr418.com. Misaotra betsaka fa tena malala-tanana ianareo mba hanohanana ny mpianatra avy any amin’ny firenena samihafa ho afaka hanao an’io sekoly io.

a Ny Sampan-draharahan’ireo Sekoly Ara-baiboly no manomana sy manavao ny lesona ianarana amin’ilay sekoly, ary ny Komitin’ny Fampianarana eo Anivon’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no miandraikitra azy io. Rahalahy avy ao amin’io sampan-draharaha io no tena mampianatra amin’ilay sekoly. Ankoatra an’ireo rahalahy ireo anefa, dia misy rahalahy hafa koa mampianatra amin’izy io, anisan’izany ny rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana.