Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Tsy Hadino ny Marenina

Tsy Hadino ny Marenina

1 JOLAY 2022

 Tian’i Jehovah Andriamanitra hianatra momba azy sy ny Fanjakany any an-danitra ny olona rehetra, na inona na inona toe-javatra misy azy. (1 Timoty 2:3, 4) Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hamoaka Baiboly sy fitaovana fianarana Baiboly ho an’ny olona betsaka araka izay azo atao, anisan’izany ny marenina. Efa an’arivony ny boky sy zavatra hafa navoakan’ny fandaminana amin’ny endrika video, amin’ny tenin’ny tanana 100 mahery. a Ahoana no atao mba hamoahana sy hizarana an’ireny video ho an’ny marenina ireny? Inona no fanatsarana natao tao anatin’izay fotoana rehetra izay?

Ahoana no anaovana video tenin’ny tanana?

 Misy ekipa mpandika teny mamoaka boky sy gazety amin’ny tenin’ny tanana any amin’ny firenena samihafa eran-tany. Mamakafaka tsara an’ilay zavatra hadika aloha ny olona tsirairay ao anatin’ilay ekipa. Jeren-dry zareo avy eo hoe ahoana no fomba tsara indrindra hamoahana ny hevitra amin’ny tenin’ny tanana. Rehefa vita izay dia alaina video ilay izy. Misy 60 izao ny ekipa mpandika boky fianarana Baiboly amin’ny tenin’ny tanana, dia misy ekipa 40 koa manao an’izany tsindraindray.

 Lafo be ny namoaka video tenin’ny tanana taloha. Lafo kokoa mantsy tamin’izany ny fitaovana fakana video. Tao amin’ny studio koa no nalaina ny video, dia isika ihany no tsy maintsy nanamboatra an’ilay studio. Indraindray trano efa teo no nohavaozintsika dia navadika ho studio. Vola 30 000 dolara b mahery no nilaina mba hahazoana ny fitaovana rehetra ho an’ny ekipa tenin’ny tanana anankiray.

 Mba hampiasana ny vola fanomezana amin’ny fomba tsara indrindra, dia nitady hevitra ny fandaminana mba hahatonga ny fomba fandikan-teny ho tsotra kokoa sy tsara kokoa. Noho izany, dia fitaovana maoderina mora ampiasaina sy tsy dia lafo no iasantsika amin’izao. Tsy voatery miasa any amin’ny studio koa ny mpandika teny amin’izao, fa afaka manangana karazana rindrina maitso ao amin’ny biraony dia ao ihany no maka video. Raha rahalahy sy anabavy maromaro no mila alaina video, dia samy afaka maka video ny tenany any amin’ny biraony na any an-tranony ry zareo fa tsy voatery miditra studio.

 Namorona programa manampy ny mpandika teny amin’ny asany koa isika, dia lasa misasaka izao ny fotoana ilaina mba hamoahana boky na zavatra hafa amin’ny tenin’ny tanana. Tena mankasitraka an’ireny fanatsarana ireny ny mpiara-manompo amintsika. Izao no nolazain’ny rahalahy atao hoe Alexander: “Lasa mivoaka matetika kokoa izao ny video tenin’ny tanana. Faly be mihitsy aho amin’ilay izy! Mijery an’ireny video ireny foana aho isan’andro.”

 Latsaka ny 5 000 dolara (21 000 000 ariary eo ho eo) izao ny vola ilaina mba hividianana ny fitaovana ilain’ny ekipa mpandika teny anankiray. Noho izany, dia lasa afaka mamokatra video tenin’ny tanana betsaka kokoa isika.

Ahoana no fomba hizarana ny video tenin’ny tanana?

 Rehefa vita ny fakana video boky na gazety na zavatra hafa, dia tsy maintsy atao izay hahafahan’ny olona liana hahazo an’ilay izy. Natao tamin’ny kasety video na DVD izy ireny taloha. Asa be anefa izany sady nandany fotoana sy vola be. Rehefa vita koa ilay izy, dia tsy maintsy nalefa tany amin’ny orinasa anankiray mba hatao kopia. Avy eo vao nalefa tany amin’ny fiangonana ny kasety video sy ny DVD. Vola maherin’ny 2 000 000 dolara (8 400 000 000 eo ho eo) no lanintsika tamin’ny 2013 mba hamokarana DVD tenin’ny tanana.

 Tena nankasitraka an’ireny DVD sy kasety video ireny ny marenina. Tsy mora anefa ny nampiasa azy ireny indraindray, indrindra fa rehefa nihabetsaka ny isany. DVD maromaro, ohatra, no nilaina vao antonona boky iray ao amin’ny Baiboly. Hoy i Gilnei, rahalahy any Brezila: “Isaky ny nisy andinin-teny tianay hovakina, dia tsy maintsy notadiavina aloha izay video kasety nisy azy, dia avy eo nokarohina hoe taiza ho aiza tao amin’ilay izy no nisy an’ilay andinin-teny. Nanahirana be ilay izy!” Nampiasa DVD tenin’ny tanana koa ny anabavy atao hoe Rafayane. Izao no nolazainy: “Namizana be ny nanao fianarana samirery tamin’izany. Adiny zato ianao vao mahita andinin-teny sy loharanon-kevitra!” Ary ahoana no nataon’ny rahalahy sy anabavintsika rehefa nitory? Nitondra DVD na video kasety ry zareo matetika, ka rehefa nahita olona liana, dia nalefany tamin’ny fitaovan’ilay olona ilay izy. Nisy mpiara-manompo sasany aza nitondra ny fitaovany manokana mba handefasana DVD. Tsy ela taorian’izay anefa dia lasa nisy fitaovana fandefasana DVD nentin-tanana, dia betsaka ny mpitory nampiasa an’ilay izy. Hoy i Bobby, rahalahy any Etazonia: “Raha avy nampiseho andinin-teny iray ianao ka mbola te hampiseho anankiray hafa, dia matetika ianao no tsy maintsy naka DVD hafa koa. Naka fotoana be izany dia lasa tsy dia afaka nampiasa Baiboly loatra ny mpitory.”

 Namoaka ny programa JW Library Sign Language ny fandaminan’i Jehovah tamin’ny 2013. Afaka maka sy mandefa video tenin’ny tanana amin’ny telefaoniny na ny tablette-ny ny rahalahy sy anabavy manana an’io programa io. Ho an’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina no namoahana an’io programa io voalohany. Nohavaozina izy io tamin’ny 2017 dia lasa mety ho an’ny tenin’ny tanana rehetra. Tena faly ny rahalahy sy anabavy eran-tany nahazo azy io! Hoy i Juscelino, rahalahy any Brezila: “Tsy nampino ilay izy! Lasa nieritreritra foana aho hoe tena tia anay marenina ny Filan-kevi-pitantanana sady tena tian-dry zareo handroso hoatran’ny mandre ihany izahay. Faly be aho rehefa nivoaka io programa io! Vao mainka aho izao mazoto mianatra Baiboly.”

Anabavy mampiasa ny programa JW Library Sign Language

 Avoaka amin’ny endrika elektronika daholo izao ny video tenin’ny tanana rehetra, ary azo alaina ao amin’ny tranonkalantsika sy ao amin’ny programa JW Library Sign Language. Vokatr’izany, dia efa andro vitsivitsy sisa izao no ilaina mba handikana sy hakana video ary hizarana boky amin’ny tenin’ny tanana, fa tsy amam-bolana na aman-taonany intsony. Betsaka mihitsy aza ny video tenin’ny tanana miara-mivoaka amin’ny boky ho an’ny mandre.

 Inona no tsapan’ny rahalahy sy anabavintsika marenina sasany momba an’izany? Hoy ny anabavy atao hoe Klízia: “Aiza no hisy fandaminana hiahy be ny marenina hoatr’izany ka hoe vonona hanome sakafo ara-panahy mora azo ho an-dry zareo? Tsy misy mahavita ny vitan’ny fandaminan’i Jehovah ho anay marenina mihitsy!” Hoy i Vladimir: “Hitako avy amin’ireo video ho an’ny marenina fa tena miahy anay i Jehovah, hoatran’ny ataony amin’ny mandre ihany.”

 Matetika ny video amin’ny tenin’ny tanana no ahitana an’izao filazana izao: “Navoaka ity boky ity mba hampianarana Baiboly maneran-tany, ary tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo.” Tena ankasitrahanay ny fanomezana ataonareo, ary betsaka amin’izany no ataonareo amin’ny alalan’ny donate.pr418.com. Ireny vola ireny no ahafahanay mamoaka Baiboly sy boky fianarana Baiboly ho an’ny olona rehetra, anisan’izany ireo mampiasa tenin’ny tanana.

a Atao video ny boky amin’ny tenin’ny tanana fa tsy atao pirinty, satria ny tanana sy ny endrika no tena ampiasaina rehefa manao tenin’ny tanana.

b Dolara amerikanina ny dolara voaresaka ato.