Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Vaovao Azo Antoka sy Manatanjaka Finoana

Vaovao Azo Antoka sy Manatanjaka Finoana

1 DESAMBRA 2021

 Tena tia an’ireo mpiray finoana aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. (1 Petera 2:17) Betsaka amintsika no mitovy hevitra amin’i Tannis, anabavy iray any Kenya. Hoy izy: “Tiako ny mahafantatra an’izay mahazo ny anadahiko sy rahavaviko eran-tany.” Ahoana no ahafahan’i Tannis sy ny Vavolombelona an-tapitrisany mahazo vaovao tsy tapaka? Efa hatramin’ny 2013 isika no afaka mahita an’izany ao amin’ny tranonkalantsika jw.org, ao amin’ilay fizarana hoe Vaovao.

 Tatitra azo antoka tsara momba ny Vavolombelon’i Jehovah no hita ao amin’ny Vaovao JW, ary foto-kevitra isan-karazany no resahiny ao, ohatra hoe momba ny famoahana Baiboly, fanampiana tra-boina, tetikasa fanorenana, na zava-mitranga miavaka hafa. Lazainy ao koa ny vaovao momba an’ireo rahalahy sy anabavintsika gadraina noho ny finoany. Ankoatra izany, dia misy fitantarana mampahery momba ny ezaka manokana sy ny Fahatsiarovana ao amin’ny Vaovao JW. Iza no mikaroka an’ireny lahatsoratra ireny, ary ahoana no anomanana azy ireny?

Fifidianana vaovao sy famoahana azy

 Ny Biraon’ny Filazam-baovao Maneran-tany (BFE) no mikarakara ny Vaovao JW. Any amin’ny foibe no misy an’io sampan-draharaha io, ary ny Komitin’ny Mpandrindra eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana no miandraikitra azy. Rahalahy sy anabavy 100 mahery no miasa ao amin’ny BFE. Mpiasa an-tsitrapo miasa any an-tranony ny ankamaroan’izy ireo, ka ao ny mpanoratra, mpanao fikarohana, mpanao sary, ary mpandika teny. Ny hafa indray mifandray amin’ny manam-pahefana, mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny oniversite, ary mpanao gazety. Biraon’ny Filazam-baovao (BFB) 80 mahery any amin’ny sampana maneran-tany no manampy ny BFE.

 Miara-miasa akaiky amin’ny BFB ny BFE rehefa manomana vaovao. Rehefa mahita fitantarana tsara avoaka ireo rahalahintsika, dia manao fikarohana momba an’iny ry zareo sady manangona fanazavana azo itokisana. Mety hoe manao fanadinadinana, ohatra, ry zareo dia miresaka amin’ny manam-pahaizana. Rehefa voangon-dry zareo ny fanazavana rehetra, dia soratana amin’izay ilay lahatsoratra, dia avy eo ahitsy, hamarinina, asiana sary, ary alefa any amin’ny Komitin’ny Mpandrindra. Ny Komitin’ny Mpandrindra mantsy no manome alalana hoe havoaka ilay izy sa tsia.

Teny fankasitrahana

 Ahoana no fihetseham-pon’ireo mpiray finoana amintsika momba ny Vaovao JW? Hoy i Cheryl, anabavy iray any Philippines: “Tiako be ilay mamaky vaovao momba ny fandaminana sy ny vahoakan’i Jehovah raha vao manomboka ny andro tsirairay.”

 Betsaka koa no miresaka momba ny maha samy hafa ny Vaovao JW sy ny filazam-baovao hafa. Hoy i Tatiana, any Kazakhstan: “Faly aho hoe azoko itokisana tsara ny vaovao ao amin’ny jw.org. Azo antoka ilay izy sady tena milaza ny zava-misy.” Izao indray no lazain’i Alma, anabavy iray any Meksika: “Mampahery be ny Vaovao JW fa tsy mampikorontan-tsaina hoatran’ny vaovao avoakan’ny fampitam-baovao mahazatra.”

 Tsy vitan’ny hoe azo antoka fotsiny ny Vaovao JW, fa manatanjaka finoana koa. Hoy i Bernard, any Kenya: “Rehefa mamaky ny Vaovao JW aho, dia lasa hoatran’ny hoe fianakaviako no fahitako an’ireo rahalahy sy anabavy eran-tany, na aiza na aiza misy azy. Afaka manonona ny anaran-dry zareo sy ny zavatra iainany aho rehefa mivavaka.” Izao indray no lazain’i Bybron, anabavy iray any Kenya: “Falifaly be foana aho isaky ny mahita lahatsoratra momba ny Baiboly navoaka tamin’ny fiteny hafa! Mampahatsiahy ahy ireny lahatsoratra ireny hoe tsy manavakavaka i Jehovah.”

Ny Vaovao JW no manampy antsika hanao vavaka voafaritra tsara rehefa mivavaka momba ny olana atrehin’ireo rahalahy sy anabavintsika eran-tany isika

 Na ny vaovao momba an’ireo rahalahintsika enjehina aza mety hampahery antsika. Hoy i Jackline, any Kenya: “Tena manatanjaka ny finoako ny misaintsaina ny herim-pon-dry zareo. Ezahiko jerena foana hoe inona no manampy an-dry zareo hiaritra. Hitako hoe na zavatra ‘tsotra’ aza dia efa tena manome hery an-dry zareo, ohatra hoe mivavaka, mamaky Baiboly, ary mihira.”

 Misy indray tena tia an’ireo vaovao momba ny loza araka ny natiora. Hoatr’izany izao i Beatriz, anabavy iray any Costa Rica. Hoy izy: “Ny Vaovao JW no ahitako hoe ahoana no ataon’ny fandaminantsika mba hanomezana an’izay ilain’ireo mpiara-manompo. Sady haingana be ny fomba fiasan-dry zareo no mahomby nefa koa feno fitiavana. Resy lahatra aho hoe tena fandaminan’i Jehovah ity misy antsika ity.”

 Faly isika hoe mahazo vaovao farany momba an’ireo rahalahintsika maneran-tany foana! Tsy ho nisy izany raha tsy teo ny fanomezana nataonareo ho an’ny asa maneran-tany. Betsaka amin’ireny fanomezana ireny no nataonareo tamin’ny alalan’ny donate.pr418.com. Misaotra fa tena malala-tanana ianareo.