Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

hadynyah/E+ via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Mampitombo ny Mosary Eran-tany ny Ady sy ny Fiovan’ny Toetrandro: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mampitombo ny Mosary Eran-tany ny Ady sy ny Fiovan’ny Toetrandro: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Mbola voafetra be foana ny tahirin-tsakafo eran-tany noho ilay ady any Ukraine sy ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Ny tany mahantra no tena voakasik’izany, satria betsaka amin’ny olona any no sahirana vao mahazo sakafo.

  •   “Lasa sarotra ny mahita sy mamokatra sakafo noho ny ady sy ny fiovan’ny toetrandro ary ny fiakaran’ny vidin’ny angovo sy ny sisa.”​—António Guterres, Sekretera Jeneralin’ny ONU, 17 Jolay 2023.

  •   “Tsy nanohy an’ilay fifanarahana hamoahana sakafo avy any Ukraine intsony i Rosia. Mieritreritra àry ny manam-pahaizana fa vao mainka hihamafy ny krizy ara-tsakafo eran-tany, dia hiakatra be koa ny vidin-tsakafo any amin’ny tany mahantra, indrindra fa any Afrika Avaratra sy any Moyen-Orient.”​—Atalayar.com, 23 Jolay 2023.

 Mariho hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny mosary sy izay hitranga amin’ny hoavy.

Nilaza ny Baiboly fa hisy mosary

  •   Nilaza an’izao faminaniana izao i Jesosy: “Hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana. Ary hisy mosary.”​—Matio 24:7.

  •   Miresaka momba ny mpitaingin-tsoavaly efatra ny bokin’ny Apokalypsy. Manondro ady ny iray amin’izy ireo. Nisy mpitaingin-tsoavaly iray nanaraka azy, ary manondro mosary izy io. Izany hoe tsy ho mora ny hahita sakafo amin’izay fotoana izay, ary hidangana be ny vidin-javatra. “Hitako fa iny nisy soavaly mainty, ary nisy mizana teny an-tanan’ilay nitaingina azy. Naheno hoatran’ny feo ... aho, niteny hoe: ‘Iray denaria [karama iray andro] no vidin’ny varimbazaha iray kilao, ary iray denaria ny vary orza telo kilao.’”​—Apokalypsy 6:5, 6.

 Efa tanteraka amin’izao fotoana antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” izao ireo faminanian’ny Baiboly momba ny mosary ireo. (2 Timoty 3:1) Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny “andro farany” sy momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra resahin’ny Apokalypsy ianao, dia jereo ilay video hoe Niova ny Fiainana Nanomboka Tamin’ny 1914, ary vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

Afaka manampy anao ny Baiboly

  •   Misy torohevitra azo ampiharina ao amin’ny Baiboly. Afaka manampy anao hiatrika olana izy ireny, ohatra hoe rehefa miakatra ny vidim-piainana, ary na dia rehefa misy mosary aza. Hahita ny sasany amin’izany ianao ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ahoana Raha Lasa Nihena ny Vola Miditra Aminao?

  •   Mampanantena koa ny Baiboly fa mbola hihatsara ny fiainana. Milaza izy io fa “hahavokatra be ny tany”, ary hanana sakafo be dia be ny olona rehetra. (Salamo 72:16) Raha te hahafantatra bebe kokoa an’izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy ianao, sy hoe nahoana ianao no afaka matoky an’izany, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Mbola Hihatsara ve ny Fiainana Amin’ny Hoavy?