Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

kovop58/stock.adobe.com

MIAMBENA FOANA!

Tena Afaka Mampiray Saina ny Olona ve ny Lalao Olympika? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tena Afaka Mampiray Saina ny Olona ve ny Lalao Olympika? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Notombanana hoe olona dimy arivo tapitrisa no hijery an’ilay Lalao Olympika amin’ity taona 2024 ity. Atleta avy any amin’ny tany 206 no handray anjara amin’izy io. Izao no nolazain’i Thomas Bach, prezidàn’ny Komity Olympika Iraisam-pirenena: “Mandamina lalao natao hampiray saina an’izao tontolo izao isika. Andao àry isika hiezaka hanatratra an’izany tanjona izany, mba hiray hina sy hihavana tsara ny rehetra, na dia samy hafa daholo aza.”

 Mahavita manatratra an’izany tanjona tsara be izany ve ny Lalao Olympika? Azo antenaina ve hoe tena hihavana sy hiray saina ny olona?

Mahavita mampihavana sy mampiray saina ve ny Lalao Olympika?

 Tsy fanatanjahan-tena fotsiny ny Lalao Olympika tamin’ity taona ity. Nisongadina tamin’iny lalao iny mantsy ny olana ara-tsosialy sy ara-politika mampisara-bazana ny olona. Anisan’izany ny momba ny zon’olombelona, ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny fanavakavahana fivavahana, ary ny fiangarana.

 Mampiala voly ny fanatanjahan-tena iraisam-pirenena hoatran’ny Lalao Olympika. Tsy mampihavana sady tsy mampiray saina akory anefa ireny, satria fahita sy hindrahindraina any ny toe-tsaina sy fanao mampisara-bazana.

 Efa nolazain’ny Baiboly hoe ho ratsy toetra ny olona amin’izao, ka ho sarotra be izany hoe hampiray saina ny rehetra izany. (2 Timoty 3:1-5) Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’io faminaniana io ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Efa Voalazan’ny Baiboly Mialoha ve ny Toe-tsain’ny Olona Amin’izao Andro Izao sy ny Zavatra Ataony?

Afaka manantena ve isika hoe tena hihavana sy hiray saina ihany izao tontolo izao?

 Mampanantena ny Baiboly fa tena hihavana sy hiray saina ny olona maneran-tany atsy ho atsy. Hitranga izany rehefa hitondra ny tany ny Fanjakana iray any an-danitra, izany hoe ny “Fanjakan’Andriamanitra.”​—Lioka 4:43; Matio 6:10.

 I Jesosy Kristy no Mpanjakan’io Fanjakana io, ary izy no hampisy fihavanana sy fiadanana maneran-tany. Izao no lazain’ny Baiboly:

  •   “Ho be dia be ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana.”​—Salamo 72:7.

  •   “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy. ... Hanafaka azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”​—Salamo 72:12, 14.

 Na amin’izao aza, dia efa mampiray saina ny olona an-tapitrisany any amin’ny tany 239 ny fampianaran’i Jesosy. Mianatra ny ho tia fihavanana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany satria ry zareo Kristianina. Raha tianao ho fantatra hoe ahoana no ataon-dry zareo, dia vakio ilay gazety Tilikambo Fiambenana hoe “Afaka ny Hifankatia ve ny Olona Mifankahala?