Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Justin Paget/Stone via Getty Images

Mihabetsaka ny Olona Manirery Eran-tany: Ahoana no Hatao mba Tsy ho Tratran’izany?

Mihabetsaka ny Olona Manirery Eran-tany: Ahoana no Hatao mba Tsy ho Tratran’izany?
  •   ‘Efa ho ny antsasaky ny olon-dehibe any Etazonia no mahatsiaro ho manirery, ary eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 25 taona ny ankamaroany.’​—Our Epidemic of Loneliness and Isolation: The U.S. Surgeon General’s Advisory on the Healing Effects of Social Connection and Community, 2023.

  •   “Nanendry vaomiera iray misahana ny fifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina [ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana] mba hijery akaiky ny resaka fahatsapana ho manirery sy handamina haingana an’io olana ara-pahasalamana io, hampirisika ny olona hiezaka hifandray amin’ny hafa, ary hitady vahaolana tsara kokoa, na mahantra ilay firenena na manankarena.”​—Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, 15 Novambra 2023.

 Misy torohevitra afaka manampy antsika hanatsara ny fifandraisantsika amin’ny hafa ao amin’ny Baiboly, amin’izay isika tsy hahatsiaro ho manirery.

Torolalan’ny Baiboly afaka manampy

 Ahenao izay zavatra mety hahatonga anao hitokantokana. Anisan’izany ny fampiasana tambazotran-tserasera be loatra. Mitadiava kosa hirika mba hifaneraserana mivantana amin’olona, amin’izay dia hahazo tena namana ianao.

  •   Torolalan’ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

 Mitadiava hirika hanampiana ny hafa. Rehefa manao zavatra tsara ho an’ny hafa isika, dia tsy vitan’ny hoe lasa mpinamana be aminy fa vao mainka koa lasa mahatsiaro ho sambatra.

 Jereo ny tranonkalanay raha te hahita torohevitra mahasoa hafa avy ao amin’ny Baiboly ianao momba ny hoe ahoana no hifandraisana tsara amin’ny hafa.