Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manuel Reino Berengui/DeFodi Images via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Tena Afaka Mampiray Saina ny Olona ve ny Fiadiana ho Tompon-daka Eran-tany? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tena Afaka Mampiray Saina ny Olona ve ny Fiadiana ho Tompon-daka Eran-tany? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Olona dimy arivo tapitrisa eo ho eo no eritreretina hoe hijery ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany karakarain’ny FIFA, manomboka amin’ny 20 Novambra ka hatramin’ny 18 Desambra 2022. Be dia be no mieritreritra hoe afaka manova zavatra be ny lalao ara-panatanjahan-tena hoatr’ireny fa tsy hoe mampiray ny mpijery fotsiny.

  •   “Mahavita manova an’izao tontolo izao ny fanatanjahan-tena. Mahatonga ny olona ho tapa-kevitra hanao zavatra izy io sady mampiray ny olona amin’ny fomba hafa mihitsy.”​—Nelson Mandela, filoham-pirenen’i Afrika Atsimo teo aloha.

  •   Mampiray saina ny olona ny baolina kitra satria mahatonga an-dry zareo “ho be fanantenana, ho falifaly, hafana fo, ho tia olona, dia hahatsapa hoe misy zavatra itovizany amin’ny olon-kafa.”​—Gianni Infantino, prezidàn’ny FIFA. a

 Hahatanteraka an’izany rehetra izany ve ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany na ny lalao ara-panatanjahan-tena hafa? Mety hihavana sy hiray saina ihany ve ny olona indray andro any?

Tena mampiray saina ve ilay izy?

 Hafa mihitsy ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany tamin’ity taona ity satria tsy baolina kitra fotsiny no tonga ao an-tsain’ny olona. Nampisy adihevitra be momba ny olana ara-tsosialy sy ara-politika koa ilay izy, anisan’izany ny momba ny zon’olombelona, fanavakavahana, ary ny tsy fitoviana eo amin’ny lafiny toe-karena.

 Na izany aza, dia mbola betsaka ihany no mankafy mijery lalao ara-panatanjahan-tena iraisam-pirenena hoatr’ireny. Manantena ny olona hoe hampiray saina an-dry zareo foana ireny. Tsy izany akory anefa no mitranga. Matetika ny toe-tsain’ny olona sy ny zavatra ataony amin’ireny fotoana ireny no mitovy amin’izay lazain’ny Baiboly hoe mampiavaka ny “andro farany.”​—2 Timoty 3:1-5.

Inona no tena hampiray saina ny olona eran-tany?

 Mampanantena ny Baiboly fa tena hiray saina ny olona eran-tany. Voalaza ao hoe hiray saina daholo ny olona rehefa hanjaka ny fanjakana iray any an-danitra, antsoina hoe “Fanjakan’Andriamanitra.”​—Lioka 4:43; Matio 6:10.

 Hataon’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’io Fanjakana io, izay hampiadana ny olona eran-tany. Izao no lazain’ny Baiboly:

  •   “Ho be dia be ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana.”​—Salamo 72:7.

  •   “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy. ... Hanafaka azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”​—Salamo 72:12, 14.

 An-tapitrisany izao ny olona efa miray saina, any amin’ny tany 239, noho ny fampianaran’i Jesosy. Nianatra ny tsy hifankahala izy ireo. Vakio ilay andian-dahatsoratra hoe “Afaka ny Hifankatia ve ny Olona Mifankahala?” raha mila fanazavana fanampiny ianao.

a Fédération Internationale de Football Association, filan-kevitra iraisam-pirenena misahana ny baolina kitra.