MIAMBENA HATRANY!
Nihena 73 Isan-jato ny Biby any An’ala tao Anatin’ny 50 Taona: Inona no Lazain’ny Baiboly?
Mampieritreritra ny tatitra nataon’ny World Wildlife Fund (WWF) tamin’ny 9 Oktobra 2024. Misy vokany be amin’ny zavamananaina any an’ala, hono, ny zavatra ataon’ny olombelona. Noresahina tamin’ilay izy hoe “nihena be ny isan’ny biby tao anatin’ny 50 taona lasa (1970-2020). Ampahefany sisa no mbola eo amin’izao.” Izao koa no noresahin’ilay tatitra: “Sahinay ny milaza hoe miankina amin’izay mitranga ato anatin’ny dimy taona manaraka ny hoavin’ny fiainana eto amin’ity Tany ity.”
Ara-dalàna raha be dia be no matahotra rehefa maheno tatitra hoatr’izany. Sarobidy amintsika ity planeta tsara tarehy ity, ary tsy tiantsika mihitsy raha mijaly ny biby any an’ala. Noforonin’Andriamanitra hikarakara azy ireny mantsy isika.—Genesisy 1:27, 28; Ohabolana 12:10.
Mety ho lasa saina àry ianao hoe: ‘Ho vitantsika ve ny hiaro ny zavamananaina any an’ala? Inona no lazain’ny Baiboly?’
Mbola misy fanantenana
Na miezaka mafy hoatran’ny inona aza isika, dia tsy miankina amintsika ny hoavin’ny zavamananaina any an’ala, fa miankina amin’Andriamanitra. Efa nilaza mialoha ny Baiboly ao amin’ny Apokalypsy 11:18 fa ‘handringana an’izay manimba ny tany’ izy. Misy zavatra roa ianarantsika avy amin’io andininy io:
1. Tsy hamela ny olona hanimba tanteraka ny tany Andriamanitra.
2. Kely sisa dia hanao zavatra Andriamanitra. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Raha oharina amin’ny hatramin’izay, dia amin’izao no tena atahorana ho lany tamingana ny biby eto an-tany noho ny ataon’ny olombelona.
Inona no hataon’Andriamanitra mba handaminana an’izany olana izany? Hasainy hitondra ny tany manontolo ny Fanjakany any an-danitra. (Matio 6:10) Hampianatra sy hampiofana ny olona mankatò izy io hoe ahoana no hikarakarana sy hiarovana ny biby any an’ala.—Isaia 11:9.