Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Chris McGrath/Getty Images

Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra Ahoana ny Ady?

Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra Ahoana ny Ady?

 Eran-tany, dia be dia be ny zavatra rava sy ny fijaliana ateraky ny ady. Mariho ireto tatitra ireto:

  •   “Tato anatin’ny 28 taona, dia tamin’ny herintaona no betsaka indrindra ny olona matin’ny ady, indrindra fa ny ady any Etiopia sy Ukraine.”​—Peace Research Institute Oslo, 7 Jona 2023.

  •   “Iray amin’ireo ady lasa nahery vaika tamin’ny 2022 ny ady any Ukraine. Maneran-tany, dia nitombo 27% ny herisetra vokatry ny korontana ara-politika tamin’ny taon-dasa. Olona 1 700 tapitrisa teo ho eo no voakasik’izany.”​—The Armed Conflict Location & Event Data Project (ACLED), 8 Febroary 2023.

 Manome fanantenana ny Baiboly. Resahiny hoe “hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra”, ary “tsy ho rava mihitsy izy io.” (Daniela 2:44) Rehefa hitondra io Fanjakana io dia hataon’Andriamanitra “tsy misy ady intsony eran-tany.”​—Salamo 46:9.