Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Lasa Hita Hatraiza Hatraiza ny Herisetra Ampiasana Basy: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Lasa Hita Hatraiza Hatraiza ny Herisetra Ampiasana Basy: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Nandritra ny volana Jolay 2022, dia nahitana herisetra nahatsiravina vokatry ny fitifiran’olona tamin’ny basy, maneran-tany:

  •   “Nisy namono ny mpanao politika malaza be iray eto Japon [Shinzo Abe, praiminisitra teo aloha], ka lasa nihorohoro ny Japoney vokatr’ilay izy. Taitra koa ny olona eran-tany satria tsy dia fahita ny herisetra hoatr’izany eto Japon, sady hentitra be koa ny lalàna momba ny fampiasana basy.”​—10 Jolay 2022, The Japan Times.

  •   “Nihoron-koditra ny mponin’i Danemark rehefa nahita lehilahy iray nitam-basy namono olona telo tao amin’ny fivarotana lehibe eto Copenhague.”​—4 Jolay 2022, Reuters.

  •   “Afrika Atsimo: Lehilahy maromaro nitam-basy, namono olona 15 tao amin’ny bara iray any Soweto.”​—10 Jolay 2022, The Guardian.

  •   “Olona 220 mahery no maty voatifitra teto Etazonia nandritra ny vakansin’ny faran’ny herinandro, fotoana nankalazana ny fetim-pirenena tamin’ny 4 Jolay.”​—5 Jolay 2022, CBS News.

 Mbola ho foana ve ny herisetra? Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsy hisy intsony ny herisetra

 Lazain’ny Baiboly hoe “andro farany” izao iainantsika izao dia masiaka sy mahery setra ary tsy mifaditrovana ny olona. (2 Timoty 3:1, 3) Betsaka àry no miaina ao anatin’ny tahotra. (Lioka 21:11) Mampanantena anefa ny Baiboly hoe indray andro any dia ho foana ny herisetra, ka ny olona “hipetraka ao amin’ny toerana anjakan’ny fiadanana ..., ao amin’ny toerana tsy misy mampatahotra sady milamina.” (Isaia 32:18) Ahoana no hahatanteraka an’izany?

 Handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra ary hopotehiny ny fitaovam-piadiana rehetra.

  •   “Fa ny ratsy fanahy ... horinganina tsy hisy eto an-tany.”​—Ohabolana 2:22.

  •   “Ataon’[Andriamanitra] tsy misy ady intsony eran-tany. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona; dorany ny kalesy fitondran’ny miaramila miady.”​—Salamo 46:9.

 Ny antony mahatonga ny herisetra mihitsy no hofoanan’Andriamanitra, ary hampianatra ny olona ho tia fihavanana izy.

  •   “Tsy hanisy ratsy an’iza na iza izy ireo, sady tsy hanimba na inona na inona eran’ny tendrombohitro masina, satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, hoatran’ny rano manarona ny fanambanin’ny ranomasina.”​—Isaia 11:9.

  •   Dieny izao Andriamanitra dia efa mampianatra ny olona avy any amin’ny firenena rehetra mba tsy ho tia herisetra sy tsy hampiasa fitaovam-piadiana, fa “hanefy ny sabany ho angadinomby ... , ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.”​—Mika 4:3.

 Mampanantena ny Baiboly fa tsy hisy intsony ny tahotra. Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’izany ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Ho Foana ve ny Tahotra Indray Andro Any?

 Misy vahaolana maharitra amin’ny herisetra. Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’izany ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Ela ny Ela ka Hilamina Ihany ny Tany!