Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Hiverina Amin’ny Laoniny Ihany ve ny Fiainana na dia Novan’ilay Valanaretina Aza? Afaka Manampy ve ny Baiboly?

Mbola Hiverina Amin’ny Laoniny Ihany ve ny Fiainana na dia Novan’ilay Valanaretina Aza? Afaka Manampy ve ny Baiboly?

 “Tiantsika rehetra raha mba hoe miverina amin’ny laoniny ny fiainana.”​—Angela Merkel, Chancelier alemà.

 Azo inoana hoe mitovy hevitra aminy ianao, satria mbola misy vokany amin’ny fiainan’ny olona maneran-tany ilay valanaretina COVID-19. Fa inona no antenain’ny olona amin’ilay hoe “fiainana miverina amin’ny laoniny”?

  •   Hoe mba hiverina hoatran’ny talohan’ny valanaretina indray ny fiainany. Misy olona izao maniry mba hifanerasera amin’ny hafa indray, hifamihina, na hifandray tanana. Misy koa mba te hanao dia lavitra indray. Hoy ny Dokotera Anthony Fauci: a “Heverin’ny olona hoe miverina amin’ny laoniny ny fiainany rehefa afaka mankany amin’ny hotely fisakafoana indray ry zareo, na mijery sinema, na afaka manao zavatra hoatrahoatran’izany.”

  •   Hanatsara ny fiainany. Misy olona mihevitra hoe nanome azy fahafahana hanatsara ny fiainany iny valanaretina iny. Mieritreritra ry zareo hoe tsy tokony hisy intsony, hono, izany hoe asa mitaky hery sy fotoana be izany. Tokony hitovy koa ny fitondrana ny olona rehetra na inona na inona firazanany na toerana misy azy eo amin’ny fiaraha-monina. Ary tsy tokony hisy olona voan’ny aretin-tsaina intsony. Hoy i Klaus Schwab, mpanorina ny Fihaonam-be Momba ny Toe-karena Eran-tany: “Nanome antsika fahafahana handinika ny fiainantsika indray ilay valanaretina, ka hieritreritra an’izay tokony hohatsaraina sy hovana. Tsy naharitra anefa ilay fotoana nahafahantsika nanao an’izany.”

 Misy indray niatrika olana maro be noho ilay valanaretina, ka mihevitra hoe hoatran’ny sarotra inoana izany hoe “hiverina amin’ny laoniny” izany indray ny fiainany. Betsaka, ohatra, no lasa tsy an’asa, tsy manan-kialofana, tsy salama, na mafy kokoa noho izany aza, hoe namoy havan-tiana.

 Marina hoe tsy misy olona afaka milaza mialoha izay ho fiainantsika rehefa tsy hisy intsony ilay valanaretina. (Mpitoriteny 9:11) Afaka manampy antsika hiatrika an’izay mitranga sy tsy hanantena zavatra be loatra anefa ny Baiboly. Ankoatra izany, dia miresaka hoavy iray tena azo antoka izy io, hoavy izay mety hoe tsy noeritreretinao mihitsy.

Fa naninona no nisy ilay valanaretina COVID-19?

 Efa ela ny Baiboly no nilaza hoe hisy “areti-mandringana”, izany hoe aretina miparitaka hatraiza hatraiza rehefa “akaiky ny faran’izao tontolo izao.” (Lioka 21:11; Matio 24:3) Tsy gaga àry isika hoe nisy ilay valanaretina COVID-19, satria zavatra efa nolazain’ny Baiboly hoe hitranga izany, ankoatra ny ady sy ny horohoron-tany lehibe, ary ny mosary.

 Manampy ve ny mahafantatra an’izany? Marina hoe mety hihalefy ilay valanaretina. Mampitandrina antsika anefa ny Baiboly hoe “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” ny fotoana iainantsika. (2 Timoty 3:1) Manampy antsika tsy hanantena be loatra ny mahafantatra an’izany.

 Manome fanantenana ny zavatra lazain’ny Baiboly, hoe: Na dia mihasarotra andro aman’alina aza ny fiainantsika, dia hoatran’ny hoe tetezamita ihany izany. Fa inona no hiova?

Mety tsy hampoizinao fa hisy zavatra tsara aorianan’ilay valanaretina

 Tsy nilaza mialoha ny olana hitantsika amin’izao fotoana izao fotsiny ny Baiboly, fa nilaza koa hoe afaka manantena hoavy tena tsara isika. Mihoatra lavitra noho izay eritreretin’ny fanjakan’olombelona hotanterahina ilay hoavy ampanantenain’ny Baiboly, ary Andriamanitra ihany no afaka manao an’izany. Izao no resahin’ny Baiboly hoe hataon’Andriamanitra: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”​—Apokalypsy 21:4.

 Mampanantena an’izao i Jehovah b Andriamanitra: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 21:5) Be dia be ny olana eran-tany, ary nanampy trotraka azy ireny ilay valanaretina. Hamaha an’ireny olana ireny anefa i Jehovah, satria izao avy no hataony:

  •   Ho salama vatana sy saina ny olona ary tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana.​—Isaia 25:8; 33:24.

  •   Asa mahafa-po sy mahafinaritra no hataon’ny olona fa tsy asa mandany hery sy mandrera-tsaina hoatran’ny amin’izao.​—Isaia 65:22, 23.

  •   Hahazo izay ilainy ny olona tsirairay ka tsy hisy intsony ny fahantrana sy mosary.​—Salamo 72:12, 13; 145:16.

  •   Ho sitrana amin’ny aretim-po sy aretin-tsaina vokatry ny zavatra ratsy niainanao ianao. Ho velona indray ny havanao efa nindaosin’ny fahafatesana.​—Isaia 65:17; Asan’ny Apostoly 24:15.

 Manampy ve ny mahafantatra an’izany? Milaza ny Baiboly hoe: “Izany fanantenana ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika.” (Hebreo 6:19) Lasa tsy manary toky isika satria manana an’izany fanantenana izany. Lasa vitantsika ny miatrika ny olana mianjady amintsika amin’izao. Tsy miady saina be koa isika fa tony sy falifaly foana.

 Fa tena azonao atokisana ve izany lazain’ny Baiboly izany? Jereo ilay lahatsoratra hoe “Milaza ny Marina Foana ny Baiboly.”

Toro lalan’ny Baiboly hanampy anao hiatrika ny fiainana aorianan’ilay valanaretina

  •   Hevero ho sarobidy ny aina

     Andinin-teny: ‘Miaro ny ain’izay manana azy ny fahendrena.’​—Mpitoriteny 7:12.

     Inona no dikan’izany ho anao? Manaova zavatra hanampy anao tsy ho mora andairan’ilay aretina. Fantaro hoe manao ahoana ny fiparitahan’ilay aretina any amin’ny faritra misy anareo. Fantaro, ohatra hoe inona ny toromarika momba ny fitandroana fahasalamana, firy ny olona voan’ilay aretina, ary firy ny isan’ny olona vita vaksiny tanteraka.

  •   Mitandrema tsara foana

     Andinin-teny: “Mitandrina tsara ny hendry ka miala amin’ny ratsy, fa ny adala kosa tsy miraharaha mihitsy sady matoky tena loatra.”​—Ohabolana 14:16.

     Inona no dikan’izany ho anao? Tandremo tsara foana ny fahasalamanao. Milaza mantsy ny manam-pahaizana hoe mbola ho elaela vao tsy hisy intsony ilay virosy.

  •   Fanazavana azo antoka no araho

     Andinin-teny: “Mino an’izay teny rehetra henony ny olona mora fetsifetsena, fa ny olona malina kosa mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.”​—Ohabolana 14:15.

     Inona no dikan’izany ho anao? Fidio tsara izay torohevitra harahinao. Zava-dehibe ny manao an’izany satria raha tsy azo antoka ilay fanazavana dia mety hanimba ny fahasalamanao.

  •   Mifantoha amin’izay azonao atao

     Andinin-teny: “Aza miteny hoe: ‘Fa maninona re no tsara noho ny amin’izao ny taloha e?’ Tsy fahendrena ho anao mantsy ny manontany an’izany.”​—Mpitoriteny 7:10.

     Inona no dikan’izany ho anao? Izay azonao atao ifantohana fa aza manembona ny fiainanao tamin’ny mbola tsy nisy valanaretina. Aza malahelo koa raha ohatra hoe misy zavatra lasa tsy azonao atao noho ilay aretina.

  •   Hajao ny hafa

     Andinin-teny: “Hajao ny karazan’olona rehetra.”​—1 Petera 2:17.

     Inona no dikan’izany ho anao? Samy hafa ny fihetsiky ny olona manoloana an’ilay valanaretina sy ny vokatr’ilay izy. Hajao foana ny hevitry ny olon-kafa na dia tsy hiova amin’ny fanapahan-kevitra tsara efa noraisinao aza ianao. Hajao ny olon-kafa tsy vita vaksiny, ny be taona, ary ny olona manana olana be ara-pahasalamana.

  •   Ilaina ny faharetana

     Andinin-teny: “Ny fitiavana manam-paharetana sy tsara fanahy.”​—1 Korintianina 13:4.

     Inona no dikan’izany ho anao? Mety hisy olon-kafa hilaza aminao hoe matahotra ny hiverina hanao ny zavatra fanaony talohan’ny valanaretina izy. Asehoy hoe tsara fanahy aminy ianao. Mety ho ianao koa anefa no te hanao planina momba ny zavatra tianao hatao raha efa nihanihena ny fameperana mifandray amin’ilay valanaretina. Tokony hanam-paharetana amin’ny tenanao ianao rehefa manao an’izany.

Manampy ny olona hiatrika an’ilay valanaretina ny Baiboly

 Mampahery ny Vavolombelon’i Jehovah ny zavatra tsara be ampanantenain’ny Baiboly hoe hitranga amin’ny hoavy. Manampy azy ireo koa izany mba tsy hifantoka amin’ilay valanaretina misy amin’izao. Mifanohana koa izy ireo ka mankatò an’ilay didy omen’ny Baiboly mba hiara-mivory tsy tapaka. (Hebreo 10:24, 25) Ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny vidéoconférence ny fivorian’izy ireo, ary azon’ny olona rehetra atrehina izany.

 Nisy olona nahita hoe nanampy azy hiatrika ny olana nahazo azy ny niara-nivory tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy vehivavy iray voan’ny COVID-19, ohatra, nanaiky ny fanasan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe hanatrika ny fivorian-dry zareo. Nanampy azy tsy ho kivy ireny fivoriana natrehiny ireny na dia niharatsy aza ny fahasalamany. Izao no nolazainy tatỳ aoriana: “Tsapako hoe anisan’ilay fianakaviana koa aho. Nanampy ahy hilamin-tsaina sy ho tony ny mamaky Baiboly. Manampy ahy hifantoka amin’ny hoavy izany fa tsy hifantoka amin’ny olana manjo ahy. Misaotra anareo nanampy ahy hifandray tamin’Andriamanitra. Izany mantsy no mba efa niriko hatramin’izay.”

a Talen’ny fikambanana mpanao fikarohana momba ny areti-mifindra, any Etazonia.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.​—Salamo 83:18.