Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ismail Sen/Anadolu Agency via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Horohoron-tany Nandravarava Be Tany Torkia sy Syria: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Horohoron-tany Nandravarava Be Tany Torkia sy Syria: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Nisy horohoron-tany nandravarava be tany Torkia sy Syria tamin’ny alatsinainy 6 Febroary 2023.

  •   “Nisy horohoron-tany mahery vaika namono olona 3 700 tany amin’ny faritra maro tany Torkia sy tany avaratrandrefan’i Syria, tamin’ny alatsinainy. Nangatsiaka be ny andro ka vao mainka sahirana ireo olona an’arivony tra-boina tamin’ilay horohoron-tany na rava trano. Sarotra koa ny nitady ny olona tsy matin’ny horohoron-tany noho ny hatsiaka.”​—Reuters, 6 Febroary 2023.

 Mahavaky fo ny maheno zava-mitranga hoatr’izany, nefa afaka miantehitra amin’i Jehovah ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” isika. (2 Korintianina 1:3) “Manome fampiononana antsika [amin’ny alalan’ny] Soratra Masina” izy, amin’izay isika ‘manana fanantenana.’​—Romanina 15:4.

 Manazava amintsika ny Baiboly hoe:

  •   Inona no efa voalaza mialoha momba ny horohoron-tany?

  •   Ahoana no ahazoantsika fampiononana sy fanantenana?

  •   Ahoana no hanesoran’Andriamanitra ny fijaliana?

 Vakio ireto lahatsoratra ireto raha tianao ho fantatra hoe inona no lazain’ny Baiboly momba an’ireo:

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.