Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

mustafahacalaki/DigitalVision Vectors via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Manampy ve sa Mampidi-doza ny Intelligence Artificielle? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Manampy ve sa Mampidi-doza ny Intelligence Artificielle? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Vao haingana dia naneho ny heviny momba ny zavatra vitan’ny intelligence artificielle a (IA) ny mpitondra maneran-tany, ny mpahay siansa ary ny mpahay teknolojia. Niaiky ry zareo hoe ilaina izy io, nefa manahy koa ry zareo hoe mety hisy hampiasa amin’ny fomba ratsy ilay izy.

  •   “Anisan’ny teknolojia arifomba indrindra amin’izao ny IA, ary mety hahavita hanatsara ny fiainan’ny olona izy io. ... Noho izy io koa anefa dia mety ho vao mainka hitombo be ny olana eo amin’ny resaka fiarovana amin’ny loza sy amin’ny olon-dratsy, ho voahitsakitsaka ny zon’ny olom-pirenena sy ny fiainan’ny olona manokana, ary hihena ny finoana sy fatokisan’ny olona ny demokrasia.”​—Kamala Harris, lefitry ny filoham-pirenen’i Etazonia, 4 Mey 2023.

  •   “Na dia mety hanatsara zavatra eo amin’ny sehatry ny fitsaboana aza ny intelligence artificielle (IA), dia atahorana hampidi-doza ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po izy io.” Izany no nosoratan’ny vondrona iraisam-pirenena iray misy dokotera sy manam-pahaizana momba ny fitsaboana, tarihin’ny Dr. Frederik Federspiel, tao amin’ny lahatsoratra iray nivoaka tamin’ny 9 Mey 2023, tao amin’ny BMJ Global Health. b

  •   “Efa azon’ny olona ampiasaina mba hanaparitahana fanazavana tsy marina ny IA. Tsy ho ela koa dia hofoanan’izy io ny asan’ny olona sasany. Manahy be ny olona sasany miasa amin’ny resaka teknolojia hoe mety hampidi-doza ny olombelona ny IA amin’ny hoavy.”​—The New York Times, 1 Mey 2023.

 Ho hitantsika eo ihany hoe hampiasaina mba hanampiana ny olombelona ve ny IA sa hampiasaina mba hampidi-doza azy ireo. Inona no lazain’ny Baiboly?

Nahoana no tsy tena azo antoka ny zavatra noforonin’ny olombelona?

 Asehon’ny Baiboly hoe nahoana no tsy vitan’ny olombelona ny manome antoka hoe zavatra tsara ihany no ampiasana ny teknolojia vaovao isan-karazany noforonin’izy ireo.

  1.  1. Mety ho tsara ny fikasan’ny olona iray rehefa hanao zavatra izy, fa tsy takany hoe mety hisy voka-dratsiny ilay izy any aoriana any

    •   “Misy lalana eritreretin’ny olona hoe mety, nefa any amin’ny fahafatesana no hiafarany.”​—Ohabolana 14:12.

  2.  2. Rehefa misy zavatra noforonin’ny olona iray, dia tsy voafehin’ilay olona ny hampiasan’ny olon-kafa an’ilay izy, na amin’ny fomba tsara izany na amin’ny fomba ratsy.

    •   “Tsy maintsy avelako ho an’izay olona handimby ahy [ny zavatra nisasarako]. Ary iza no mahalala raha ho hendry izany olona izany na ho adala? Izaho no nikely aina niasa mafy sady nampiasa ny fahendreko rehetra, nefa dia izy no hanjaka amin’ny zavatra rehetra azoko tetỳ ambanin’ny masoandro.”​—Mpitoriteny 2:18, 19.

 Mampiseho izany rehetra izany hoe tena mila ny tari-dalan’ilay Mpamorona antsika isika.

Inona no azontsika atokisana?

 Mampanantena ilay Mpamorona antsika fa tsy hisy olona na teknolojia noforonin’olona mihitsy havelany hamotika ny tany na ny olombelona.

  •   ‘Maharitra mandrakizay ny tany.’​—Mpitoriteny 1:4.

  •   “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”​—Salamo 37:29.

 Manome tari-dalana antsika amin’ny alalan’ny Baiboly ilay Mpamorona antsika mba hahatonga antsika ho sambatra dieny izao ary hanantena fiainana milamina tsara amin’ny hoavy. Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’izay lazain’ny Baiboly ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Misy Tari-dalana Azo Antoka Ve?” sy ilay hoe “Mbola Hihatsara ve ny Fiainana Amin’ny Hoavy?

a Ny Intelligence Artificielle na IA dia programa informatika na koa teknolojia na tambazotra fehezina amin’ny alalan’ny ordinatera, izay natao manokana mba haka tahaka ny fomba fisainan’ny olombelona sy ny fomba fanaovany zavatra.

b Avy amin’ilay lahatsoratra hoe “Threats by Artificial Intelligence to Human Health and Human Existence,” nosoratan’i Frederik Federspiel, Ruth Mitchell, Asha Asokan, Carlos Umana, ary David McCoy.