Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

sinceLF/E+ via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Iza no mba Hanavotra ny Sivily? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Iza no mba Hanavotra ny Sivily? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Izao ny tatitra nataon’ny Firenena Mikambana:

  •   Nanomboka tamin’ny 7 Oktobra ka hatramin’ny 23 Oktobra 2023, dia nisy 6 400 mahery no maty ary 15 200 no naratra tamin’ilay adin’i Gaza sy Israely, ka sivily ny ankamaroany. Ana hetsiny koa ny olona voatery nitsoa-ponenana.

  •   Hatramin’ny 24 Septambra 2023, dia 9 701 ny sivily maty ary 17 748 no naratra tany Ukraine, tamin’ilay adin’i Rosia sy Ukraine.

 Manome fanantenana ho an’ny olona mijaly noho ny ady ny Baiboly. Inona izany?

Mbola misy ny fanantenana

 Milaza ny Baiboly fa hataon’Andriamanitra “tsy misy ady intsony eran-tany.” (Salamo 46:9) Hesoriny daholo ny fitondram-panjakana rehetra eto an-tany, dia hosoloany fanjakana na fitondram-panjakana iray any an-danitra. (Daniela 2:44) Hitondra fanamaivanana ho an’ny olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra.

 Mariho hoe inona no hataon’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra:

  •   “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, sy ny madinika, ary izay rehetra tsy mba misy manampy. Hiantra ny madinika sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanafaka azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”​—Salamo 72:12-14.

 Rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hofoanany tanteraka ny fijaliana sy fahoriana ateraky ny ady sy ny herisetra.

  •   “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”​—Apokalypsy 21:4.

 Tsy ho ela dia hanova tanteraka ny fiainana eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Efa nolazain’ny Baiboly mialoha mantsy ny zavatra hiainantsika amin’izao. Hoy izy io: “Haheno ady ianareo ary hisy hilaza aminareo koa hoe misy ady any an-toeran-kafa.” (Matio 24:6) Ny ady sy ny zava-mitranga hafa no manaporofo hoe efa ao anatin’ny “andro farany” ho an’ny fitondran’olombelona isika izao.​—2 Timoty 3:1.