Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manampy Anao Tsy Hahatsiaro ho Manirery ny Baiboly

Afaka Manampy Anao Tsy Hahatsiaro ho Manirery ny Baiboly

 Hitan’ny manam-pahaizana, tamin’ny 2023, fa mila manao zavatra ry zareo satria lasa aretina mampidi-doza ny fahasalamana ilay hoe mahatsapa ho manirery. Misy zavatra azo atao ve?

  •   Izao no nolazain’ny Dr. Vivek Murthy, mpandidy any Etazonia: “Rehefa mahatsiaro ho manirery sy tafasaraka amin’ny hafa ny olona iray, dia mety hisy vokany be amin’ny fahasalamany izany sady tsy ho faly intsony izy.” Milaza koa anefa izy hoe: “Misy zavatra azontsika atao.” Inona izany? “Mila manao zavatra madinidinika isika isan’andro, mba hahatonga antsika hinamana kokoa amin’ny hafa.” a

 Mety hahatsiaro ho manirery isika na dia misy olona be dia be aza manodidina antsika. Na inona na inona antony mahatonga antsika hahatsiaro ho manirery, dia afaka manampy antsika ny Baiboly. Misy torohevitra manampy antsika hahay hifandray kokoa amin’ny hafa ao, amin’izay isika tsy dia hahatsiaro ho manirery loatra.

Torolalan’ny Baiboly afaka manampy

 Mahaiza miresaka. Inona no tafiditra amin’izany? Tsy hoe mamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny hafa fotsiny fa mihaino tsara azy koa. Rehefa asehonao hoe tena miahy ny hafa ianao, dia vao mainka ianareo ho mpinamana.

  •   Torolalan’ny Baiboly: “Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.”​—Filipianina 2:4.

 Miezaha hinamana amin’olona isan-karazany. Miezaha hinamana amin’olona be taona kokoa na tanora kokoa noho ianao, na koa tsy mitovy kolontsaina na fiaviana aminao.

 Raha tianao ho fantatra hoe inona no azonao atao mba hana-namana ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Te Hahazo Namana Tsara ve Ianao?

a Our Epidemic of Loneliness and Isolation: The U.S. Surgeon General’s Advisory on the Healing Effects of Social Connection and Community, 2023.