Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sean Gladwell/Moment via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fandaniana Vola Be Amin’ny Tafika Eran-tany?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fandaniana Vola Be Amin’ny Tafika Eran-tany?

 Nahatratra 2,24 tapitrisa tapitrisa dolara amerikanina be izao ny vola nolanin’ny firenena eran-tany tamin’ny tafika, tamin’ny 2022. Mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy talohan’izay. Ny nanafihan’i Rosia an’i Ukraine no tena nahatonga an’izany. Namoaka an’izao tatitra izao ny Stockholm International Peace Research Institute (SIPRI) tamin’ny Aprily 2023, momba an’izay nitranga nandritra ny taona 2022:

  •   “Niakatra 13 isan-jato” ny vola nolanin’ny firenena any Eoropa tamin’ny tafika. “Izany no fitomboana be indrindra tamin’ny tontalin’ny vola nolanin’ny firenena any Eoropa tao anatin’ny taona iray, taorian’ny 1991.”

  •   ‘Nampitombo 9,2 isan-jato teo ho eo ny vola nolaniny tamin’ny tafika i Rosia. Lasa fahatelo amin’ireo firenena nandany vola be indrindra tamin’ny tafika izy, raha izy no fahadimy eran-tany teo aloha.’

  •   Mbola i Etazonia ihany no nandany vola be indrindra tamin’ny tafika, satria “ny 39 isan-jato tamin’ny vola nolanina tamin’ny tafika eran-tany” no nolaniny tamin’ny tafiny.

 “Matoa ireo fanjakana eran-tany mampitombo foana ny vola laniny amin’ny tafika, dia midika izany hoe vao mainka manjaka eran-tany ny tsy fandriampahalemana”, hoy ny Dr. Nan Tian, izay anisan’ny nanoratra an’ilay tatitra navoakan’ny SIPRI.

 Efa noresahin’ny Baiboly mialoha fa hifaninana ireo fanjakana matanjaka eran-tany, ary efa hitantsika izany amin’izao. Noresahiny koa hoe inona no azo antenaina fa hampanjaka ny tena fiadanana.

Efa voalaza mialoha fa hitombo ny ady

  •   Resahin’ny Baiboly hoe “fotoanan’ny farany” izao iainantsika izao.​—Daniela 8:19.

  •   Noresahin’ny bokin’i Daniela hoe hifaninana ireo fanjakana matanjaka, mandritra an’io fotoana io. “Hifanosika” izy ireo, izany hoe hifaninana satria samy te ho lasa fanjakana matanjaka indrindra. Handany “harena” na vola be amin’izany izy ireo.​—Daniela 11:40, 42, 43.

 Raha tianao ny hahafantatra an’io faminaniana mahaliana ao amin’ny Baiboly io, dia jereo ilay video hoe Faminaniana Tanteraka:Daniela Toko Faha-11.

Ahoana no hampisy ny tena fiadanana?

  •   Resahin’ny Baiboly hoe hosoloan’Andriamanitra daholo ny fanjakan’olombelona rehetra. “Hanangana fanjakana iray” izy, ary “tsy ho rava mihitsy izy io sady tsy homena olon-kafa. Dia hotorotoroin’io fanjakana io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy irery ihany no haharitra mandrakizay.”​—Daniela 2:44.

  •   Tsy ho ela i Jehovah a Andriamanitra dia hanao zavatra tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy: Hampanjaka ny tena fiadanana sy fandriampahalemana mandrakizay izy. Efa manana Fanjakana any an-danitra izy amin’izao, ka hopotehin’io Fanjakana io ny fitaovam-piadiana rehetra, ary hofoanany ny herisetra rehetra.​—Salamo 46:8, 9.

 Raha tianao ny hahafantatra an’izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “‘Ho Be ny Fiadanana’ Rehefa Hitondra ny Tany Ilay Fanjakana.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.