Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

id-work/DigitalVision Vectors via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Maninona no Be dia Be ny Olona Mifankahala? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Maninona no Be dia Be ny Olona Mifankahala? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Hitantsika matetika amin’ny vaovao ny resaka fankahalana sy ady.

  •   “Hitantsika any amin’ny tambazotran-tserasera amin’izao hoe vao mainka mifankahala ny olona vokatr’ilay adin’i Israely sy Gaza, sy vokatry ny ataon’ny olona tia herisetra.”​—The New York Times, 15 Novambra 2023.

  •   “Hita nanomboka tamin’ny 7 Oktobra hoe vao mainka mifankahala sy tia herisetra noho ny hatramin’izay ny olona, vokatry ny fanavakavahana.”​—Dennis Francis, filohan’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana, 3 Novambra 2023.

 Tsy hoe vao izao no mifankahala sy mahery setra ary miady ny olona. Miresaka ny Baiboly fa efa nisy olona nanao ‘teny mandratra hoatran’ny zana-tsipìka’ taloha. Tia ady sy herisetra koa ry zareo. (Salamo 64:3; 120:7; 140:1) Milaza anefa ny Baiboly fa misy antony ireny fankahalana mitranga amin’izao ireny.

Ny anton’ny fankahalana misy amin’izao

 Resahin’ny Baiboly ny antony roa mahatonga ny olona hifankahala amin’izao.

  1.  1. Hita ao hoe hisy fotoana “hihalefy ny fitiavan’ny olona maro.” (Matio 24:12) Tsy hifankatia ny olona fa hanao zavatra mahatonga fankahalana.​—2 Timoty 3:1-5.

  2.  2. Vao mainka mifankahala ny olona amin’izao noho ny ataon’i Satana Devoly. Milaza mantsy ny Baiboly hoe ‘eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’​—1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:9, 12.

 Hita ao amin’ny Baiboly koa anefa hoe kely sisa dia hesorin’Andriamanitra ny antony tena mahatonga ny olona hifankahala. Hofoanany koa aza ny voka-dratsin’ny fankahalana. Mampanantena ny Baiboly hoe:

  •   “[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”​—Apokalypsy 21:4.