Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

6 Tapitrisa no Matin’ny COVID: Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’izany?

6 Tapitrisa no Matin’ny COVID: Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’izany?

 Nilaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) fa 6,27 tapitrisa ny olona matin’ny COVID-19, hatramin’ny 23 Mey 2022. Mety ho betsaka lavitra noho izany aza ny olona maty, raha ny vaovao navoakan’ny OMS tamin’ny 5 Mey 2022. Voaresaka tao hoe tamin’ny 2020 sy 2021, dia “nahatratra 14,9 tapitrisa teo ho eo ... ny fitambaran’ny olona matin’ny valanaretina COVID-19, na mivantana izany na an-kolaka.” Inona no lazain’ny Baiboly momba ny zavatra mampalahelo be hoatr’izany?

Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe hisy areti-mandoza

  •    Nilaza i Jesosy hoe hisy “areti-mandringana” mandritra an’ilay vanim-potoana antsoina hoe “andro farany.”​—Lioka 21:11; 2 Timoty 3:1.

 Tanteraka io faminanian’i Jesosy io amin’izao. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona avy ny Famantarana ny ‘Andro Farany’?

Mankahery sy mampionona antsika ny Baiboly

  •    ‘Mampionona antsika amin’ny fahoriana rehetra mahazo antsika ilay Andriamanitry ny fampiononana rehetra!’​—2 Korintianina 1:3, 4.

 Betsaka tamin’ireo maty havana na namana no efa nahazo fampiononana avy ao amin’ny Baiboly. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hiatrehana Azy? Inona no Azonao Atao Dieny Izao?” sy ilay hoe “Tena Manampy ny Baiboly.”

Manome vahaolana maharitra ny Baiboly

  •    “Ho tonga anie ny Fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”​—Matio 6:10.

 Tsy ho ela dia hanao zavatra “ny Fanjakan’Andriamanitra”, ka “tsy hisy olona hilaza hoe: ‘Marary aho.’” (Marka 1:14, 15; Isaia 33:24) Raha te hahafantatra momba an’io fitondram-panjakana any an-danitra io sy ny zavatra hataony ianao, dia jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

 Misy torohevitra feno fahendrena sy fampanantenana tsara be dia be ao amin’ny Baiboly. Raha te handray soa avy amin’izany ianao sy ny fianakavianao, dia manasa anao izahay mba hianatra bebe kokoa momba an’izay voalaza ao.