Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Lasa Mafana Be Tsy Hoatran’ny Mahazatra ny Mari-panan’ny Tany. Inona no Lazain’ny Baiboly?

Lasa Mafana Be Tsy Hoatran’ny Mahazatra ny Mari-panan’ny Tany. Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Nisy tatitra nalefa eran-tany tamin’ny Jolay 2022 hoe niakatra be mbola tsy nisy hoatran’izany ny mari-pana eto an-tany. Anisan’izany ireto:

  •   “Fanindroany izao, tamin’ity volana ity, ny manam-pahefana any Chine no nandefa fampitandremana ho an’ny olona hoe lasa mampidi-doza ny mari-panan’ny tany any amin’ny tanàna efa ho 70 any Chine, satria mafana be loatra.”​—25 Jolay 2022, CNN Wire Service. 

  •   “Be dia be ny ala mirehitra any amin’ny firenena maro satria lasa mafana be tsy hoatran’ny mahazatra ny mari-pana manerana an’i Eoropa.”​—17 Jolay 2022, The Guardian. 

  •   “Lasa nafana be mihoatra noho ny hatramin’izay ny mari-panan’ny tany any amin’ny tanàna maromaro any Etazonia tamin’ny alahady, satria vanin-taona mafana ny any amin’ny morontsiraka atsinanana sy any amin’ny faritra maromaro any Atsimo sy Andrefana afovoany.”​—24 Jolay 2022, The New York Times.

 Inona ny dikan’izany rehetra izany? Tsy ho azo iainana intsony ve izany eto an-tany amin’ny farany? Inona no lazain’ny Baiboly?

Efa nolazain’ny Baiboly mialoha ve izao fiakaran’ny mari-panan’ny tany izao?

 Eny. Mifanaraka amin’ilay nolazain’ny Baiboly mialoha fa hitranga izao fiakaran’ny mari-pana izao. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa hahita “zavatra mampahatahotra” na zavatra tsy mahazatra ny olona. (Lioka 21:11) Miakatra be ny mari-panan’ny tany, ka lasa be dia be ny olona manahy hoe sao dia tsy ho azo iainana intsony ny tany atsy ho atsy, vokatry ny ataon’ny olombelona.

Marina tokoa ve fa tsy ho azo iainana intsony ny tany atsy ho atsy?

 Tsia. Tian’Andriamanitra hiaina eto an-tany mandrakizay ny olona, dia izay no antony namoronany azy io. (Salamo 115:16; Mpitoriteny 1:4) Tsy havelan’Andriamanitra hosimban’ny olombelona ny tany. Izy aza mampanantena hoe ‘handringana an’izay manimba ny tany.’​—Apokalypsy 11:18.

 Ireto koa misy faminaniana roa hafa ahitana ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra:

  •   “Hifaly ny tany efitra sy ny tany ngazana, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady ho feno voninkazo.” (Isaia 35:1) Tsy havelan’Andriamanitra ho lasa karakaina tsy azo iainana ny tany, fa izy aza hanamboatra an’izay faritra simba amin’ilay izy.

  •   “Mikarakara ny tany ianao, ka ataonao mahavokatra be sy tena lonaka izy io.” (Salamo 65:9) Ho lasa paradisa ny tany satria hotahin’Andriamanitra.

 Raha tianao ny hahafantatra hoe nahoana no manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly ny fiovaovan’ny toetrandro, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiovan’ny Toetrandro sy ny Hoavintsika.”

 Raha tianao ny hahafantatra momba an’ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe havaozina ny tany, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza no Hahavita Hanavotra ny Tany?