Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Mihamidangana ny Vidim-piainana Maneran-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mihamidangana ny Vidim-piainana Maneran-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Nampitandrina ny filohan’ny Vondron’ny Banky Iraisam-pirenena, tao amin’ny tatitra iray nataony tamin’ny Jona 2022, fa “mampanahy indray ny toe-karena iraisam-pirenena. Miakatra haingana ny vidin-javatra amin’izao. Etsy andaniny anefa lasa tsy manam-bola ny olona.”

 Milaza ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena fa “misondrotra haingana be ny vidin-tsolika sy ny sakafo, ary ny olona any amin’ny tany mahantra no tena mijaly.”

 Fa maninona isika no miatrika olana ara-toe-karena hoatr’izany? Ahoana no fomba iatrehana an’izany? Afaka manantena vahaolana maharitra ve isika? Manampy antsika hahita ny valin’ireo ny Baiboly.

Midangana ny vidim-piainana mandritra ny “andro farany”

  •   Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” izao andro iainantsika izao.​—2 Timoty 3:1.

  •   Nilaza i Jesosy fa amin’io fotoana io dia “hisy zavatra mampahatahotra ho hitan’ny olona.” (Lioka 21:11) Matahotra ny olona rehefa mahita hoe miakatra be ny vidim-piainana. Manahy izy ireo hoe hanao ahoana ny hoaviny, ary ho vitany ve ny hamelona ny vady aman-janany.

  •   Efa nilaza mialoha ny bokin’ny Apokalypsy fa hiakatra ny vidim-piainana mandritra ny andro farany. “Naheno hoatran’ny feo ... aho, niteny hoe: ‘Iray denaria [karama iray andro] no vidin’ny varimbazaha iray kilao, ary iray denaria ny vary orza telo kilao.’”​—Apokalypsy 6:6.

 Raha te hahalala bebe kokoa momba ny “andro farany” sy ny faminaniana resahina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ianao, dia jereo ilay video hoe Niova ny Fiainana Nanomboka Tamin’ny 1914, ary vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

Vahaolana amin’ny olana ara-toe-karena rehetra

  •   “Hanao trano ny olona ka hipetraka ao, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny vokatra amin’izany. Tsy hanao trano hipetrahan’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa.”​—Isaia 65:21, 22.

  •   “Hahavokatra be ny tany; ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza.”​—Salamo 72:16.

  •   “‘Satria ampahorina ny olona mijaly ary misento ny mahantra, dia hitsangana aho ka hanao zavatra’, hoy i Jehovah.”​—Salamo 12:5. a

 Tsy ho ela Andriamanitra dia hamaha ny olana ara-toe-karena, ary tsy hoe any amin’ny tany iray fotsiny fa maneran-tany mihitsy. Raha tianao ho fantatra hoe ahoana no hanaovany an’izany, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?

 Dieny izao anefa dia efa afaka manampy anao hiatrika ny fiakaran’ny vidim-piainana ny Baiboly. Misy torohevitra tsara mantsy ao amin’izy io momba ny hoe ahoana no ahaizana mitantam-bola. (Ohabolana 23:4, 5; Mpitoriteny 7:12) Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Arovy ny Fanananao”, sy ilay hoe “Ahoana Raha Lasa Mihena ny Vola Miditra Aminao?

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.