Inona no Hanampy Anao Hifehy ny Toaka Sotroinao?
Misotro toaka be ny olona sasany rehefa miady saina, na manirery, na leo fotsiny. Lasa betsaka kokoa noho ny hatramin’izay ve ny toaka sotroinao? Raha eny, dia inona no hanampy anao hifehy tena eo amin’ny resaka toaka sy tsy ho lasa mpisotro toaka be? Misy soso-kevitra vitsivitsy mety hanampy anao ato.
Ahoana ilay hoe misotro araka ny antonony?
Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay.”—Ohabolana 23:20.
Eritrereto izao: Tsy raran’ny Baiboly ny misotro toaka, raha araka ny antonony. (Mpitoriteny 9:7) Hazavainy tsara kosa anefa fa samy hafa ny hoe misotro araka ny antonony sy ny hoe miboboka toaka ary ny hoe manao mamo. (Lioka 21:34; Efesianina 5:18; Titosy 2:3) Na dia tsy mamo aza anefa ianao, dia mety handray fanapahan-kevitra ratsy, raha be loatra ny toaka sotroinao. Ho simba koa ny fahasalamanao sy ny fifandraisanao amin’ny hafa.—Ohabolana 23:29, 30.
Betsaka ny mpitondra fanjakana manaiky fa tsy mitovy ny hoe misotro araka ny antonony sy ny hoe misotro tafahoatra. Ataon-dry zareo kajy àry hoe hoatran’ny ahoana ny habetsahan’ny toaka azon’ny olona iray sotroina ao anatin’ny iray andro, raha misotro araka ny antonony izy, ary firy andro ao anatin’ny herinandro izy no tokony hisotro. a Tsy voatery hitovy anefa ny habetsahan’ny toaka zakan’ny olona tsirairay. Ny tena tsara indrindra dia hoe aleo tsy misotro mihitsy. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana hoe:
“Efa be loatra ny toaka sotroinao na dia iray na roa vera fotsiny aza, raha ohatra ianao ka:
Mitondra fiara na miasa amin’ny milina.
Bevohoka na mampinono.
Mihinam-panafody.
Manana olana ara-pahasalamana.
Tsy mahay mifehy tena rehefa misotro.”
Ahoana no ahafantarana hoe efa lasa andevozin’ny toaka ianao?
Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka isika handinika sy hamantatra ny lalantsika.”—Fitomaniana 3:40.
Eritrereto izao: Tsy ho tratran’ny voka-dratsin’ny fisotroana tafahoatra ianao raha madinika matetitetika hoe antonony ve sa be loatra ny toaka sotroinao dia avy eo manitsy an’izay tsy mety. Ireto misy famantarana vitsivitsy ahitanao hoe andevozin’ny toaka ianao sa tsia:
Raha tsy misotro ianao tsy mahatsiaro ho sambatra. Tsy mahazo aina ianao raha tsy misotro rehefa makamaka aina, na miresaka amin’olona, na miala voly. Tsy maintsy misotro koa ianao rehefa misy olana.
Lasa misotro betsaka kokoa noho ny hatramin’izay ianao. Lasa misotro matetika kokoa ianao. Lasa mahery kokoa ny toaka sotroinao. Tsy vitan’izay fa lasa be dia be ny laninao vao misy vokany ilay izy. Vao mahalany kelikely ianao taloha dia efa misy vokany, fa amin’izao izany tsy mampihontsina anao intsony.
Miteraka olana ilay izy, mety hoe ao an-trano na any am-piasana. Be loatra, ohatra, ny vola laninao amin’ny toaka, ka tsy araky ny vola miditra.
Mandray fanapahan-kevitra mampidi-doza ianao rehefa avy misotro, ohatra mbola mitondra aotomobilina ihany, na milomano, na mampiasa milina.
Tenenin’ny olona ianao amin’ny toaka sotroinao. Rehefa manao an’izany izy ireo, dia tezitra ianao na manamarin-tena be. Afeninao amin’ny olona hoe misotro ianao, na mandainga mihitsy ianao hoe kely fotsiny no sotroinao.
Tsy vitanao ny hoe hijanona tsy hisotro intsony. Efa niezaka ianao mba hanena ny toaka sotroinao na hijanona tsy hisotro intsony mihitsy, fa tsy vitanao ilay izy.
Ireto misy soso-kevitra dimy afaka manampy anao hifehy tena eo amin’ny resaka toaka
1. Mametraha tanjona.
Milaza ny Baiboly hoe: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”—Ohabolana 21:5.
Andramo izao: Jereo hoe andro inona avy ianao no hisotro ao anatin’ny herinandro. Tonga dia apetraho hoe hoatran’ny ahoana ny toaka hosotroinao amin’ireo andro ireo. Ataovy araka ny antonony izany. Asio roa andro ao anatin’ny herinandro, fara fahakeliny, mba tsy hisotroanao mihitsy.
Hoy ny fikambanana mpanao asa soa iray mampianatra momba ny resaka fisotroana toaka, any Angletera: “Tsy ho lasa andevozin’ny toaka ianao, raha mametra hoe tsy hisotro mihitsy amin’izay andro efa nofidinao, dia tena tsy misotro mihitsy amin’ireny andro ireny.”
2. Tratraro ny tanjonao.
Milaza ny Baiboly hoe: “Vitao ... ny fanaovana azy io.”—2 Korintianina 8:11.
Andramo izao: Fantaro hoe hoatran’ny ahoana ny habetsahan’ny toaka azon’ny olona iray sotroina, raha misotro araka ny antonony izy. Ho hainao tsara amin’izay hoe hoatran’ny ahoana ny habetsahan’ny toaka tokony hosotroinao. Fantaro izay zava-pisotro tsy misy alkaola tianao, dia miezaha mitahiry amin’izy ireny, amin’izay ianao afaka misotro an’ilay izy foana.
Hoy ny Fikambanana Miady Amin’ny Fisotroana Tafahoatra, any Etazonia: “Afaka misoroka ny voka-dratsy ateraky ny toaka ianao, raha manao fiovana, na dia kely fotsiny aza.”
3. Miezaha hijoro amin’ny hevitrao.
Milaza ny Baiboly hoe: “Rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Jakoba 5:12.
Andramo izao: Tokony ho vonona hiteny hoe “Tsia” ianao, rehefa misy olona manome toaka anao. Mety tsy ho tratranao indray mantsy ny tanjonao raha lasa misotro ianao nefa tsy tokony hisotro. Tokony ho tsara fanahy sy hanaja an’ilay olona anefa ianao rehefa manao an’izany.
Hoy ny Fikambanana Miady Amin’ny Fisotroana Tafahoatra, any Etazonia: “Raha tonga dia mandà ianao, dia tsy ho resin’ny fakam-panahy ka hanaiky hisotro.”
4. Saintsaino hoe inona avy ny soa ho azonao amin’ilay fanapahan-kevitra nataonao.
Milaza ny Baiboly hoe: “Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany.”—Mpitoriteny 7:8.
Andramo izao: Ataovy lisitra hoe inona avy ny antony mahatonga anao te hifehy tena eo amin’ny resaka toaka. Soraty ao, ohatra, hoe manampy anao ho ampy torimaso tsara ilay izy, ho salama tsara, tsy hanana olana ara-bola, ary hifandray tsara amin’ny olon-kafa. Rehefa miresaka amin’ny olona momba an’ilay fanapahan-kevitrao ianao, dia ny soa ho azonao ifantohana fa tsy izay zavatra mety hoe mahasarotra an’ilay izy.
5. Mivavaha amin’Andriamanitra mba hampiany.
Milaza ny Baiboly hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13.
Andramo izao: Raha misy zavatra tianao hatao, nefa sarotra aminao ilay izy, dia mivavaha amin’Andriamanitra, ary mangataha fanampiana aminy. Iangavio izy mba hanome hery anao sy hanampy anao hahavita hifehy tena. b Miezaha koa hanokana fotoana hianarana ny Teniny, na ny Baiboly. Hahita torohevitra mahasoa tena hanampy anao mantsy ianao ao. Ho vitanao ny hifehy tena eo amin’ny resaka toaka, rehefa ampiany ianao.
a Ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Fanasoavam-bahoaka any Etazonia izao, ohatra, manazava fa misotro toaka be ny vehivavy iray raha mahalany “4 vera na mihoatra ao anatin’ny iray andro, na 8 vera na mihoatra ao anatin’ny herinandro.” Misotro toaka be kosa ny lehilahy iray raha mahalany “5 vera na mihoatra ao anatin’ny iray andro, na 15 vera na mihoatra ao anatin’ny herinandro.” Samy mametra ny atao hoe antonony aminy ny firenena tsirairay. Anontanio ny dokoteranao hoe hoatran’ny ahoana ny habetsahan’ny toaka azonao sotroina.
b Azonao atao koa ny manatona mpitsabo, raha tsy mahavita mifehy tena mihitsy ianao.