Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Yan Zabolotnyi/stock.adobe.com

MIAMBENA FOANA!

Mitombo Be ny Fandikan-dalàna Maneran-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mitombo Be ny Fandikan-dalàna Maneran-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Manjaka ny andian-jiolahy any Haïti. Mampijaly koa ny ataon’ny mpanao heloka bevava any Afrika Atsimo sy Meksika, dia hoatran’izany koa ny any amin’ireo firenena any Amerika Latinina. Na dia mihena aza anefa ny herisetra any amin’ny tany hafa, dia mbola manahy sy mitebiteby foana ny olona rehefa maheno herisetra amin’ny filazam-baovao.

 Inona no lazain’ny Baiboly momba an’ireny fandikan-dalàna miseho maneran-tany ireny?

Inona no nolazain’ny Baiboly mialoha momba ny fandikan-dalàna?

 Milaza ny Baiboly fa anisan’ny famantarana ny “faran’izao tontolo izao”ny fandikan-dalàna. (Matio 24:3) Izao no nolazain’i Jesosy Kristy, rehefa niresaka momba an’ireo zava-miseho anisan’io famantarana io:

  •   “Ary hihalefy ny fitiavan’ny olona maro satria hihabetsaka ny mpandika lalàna.”​—Matio 24:12.

 Efa nilaza koa ny Baiboly hoe “amin’ny andro farany”, dia “tsy hahafehy tena” ny olona, “ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara.” (2 Timoty 3:1-5) Lasa tsy miraharaha ny lalàna ny olona amin’izao noho ireny toetra feno fitiavan-tena ireny.

 Mbola misy azo antenaina anefa. Milaza ny Baiboly fa kely sisa dia tsy hisy intsony ny fandikan-dalàna.

  •   “Kely sisa dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy; hijery an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka ho faly be mihitsy satria tena hiadana.”​—Salamo 37:10, 11.

 Te hahafantatra bebe kokoa momba ny fampanantenan’ny Baiboly ve ianao, sady te hahazo toky hoe manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly ny zava-miseho amin’izao? Jereo àry ireto lahatsoratra ireto:

 Mbola Hihatsara ve ny Fiainana Amin’ny Hoavy?

 Inona ny Famantarana ny ‘Andro Farany’?

 Efa Voalazan’ny Baiboly Mialoha ve ny Toe-tsain’ny Olona Amin’izao Andro Izao sy ny Zavatra Ataony?