Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Mosary Amin’izao Andro Izao?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Mosary Amin’izao Andro Izao?

 “Foana tanteraka ny hanoanana.” Izany no tanjon’ny mpitondra eran-tany mba hamahana ny olana iray anisan’ny ngeza indrindra atrehin’ny olombelona. Inona izany? Ny hoe ahoana no anomezana sakafo ny olona rehetra eto an-tany. a Mbola hisy fotoana ve anefa hoe tsy hisy olona noana intsony eto an-tany, na iray aza? Inona no lazain’ny Baiboly?

Efa nilaza ny Baiboly hoe hisy mosary

 Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” izao andro iainantsika izao. (2 Timoty 3:1) Efa nilaza izy io hoe hisy mosary amin’ny andro farany. Tsy Andriamanitra no mahatonga ny mosary, nefa efa nampitandrina antsika momba an’izany izy. (Jakoba 1:13) Mariho ireto faminaniana roa ao amin’ny Baiboly ireto.

 “Hisy mosary . . . any amin’ny toerana samihafa.” (Matio 24:7) Izao ny tatitra nataon’ny olona mandinika ny fomba amokarana sy izarana sakafo: “Vao mainka miharatsy ny toe-draharaha eran-tany eo amin’ny resaka mosary sy tsy fahampian-tsakafo ary tsy fahampian’ny sakafo ara-pahasalamana.” b An-jatony tapitrisa ny olona tsy mahazo an’izay sakafo ilainy, any amin’ny tany maro. Mampalahelo fa be dia be no maty vokatr’izany.

 “Iny nisy soavaly mainty, ary nisy mizana teny an-tanan’ilay nitaingina azy.” (Apokalypsy 6:5) Ny mosary hisy amin’ny andro farany no asehon’ilay soavaly an’ohatra sy ilay mpitaingina azy, ao amin’io faminaniana io. c Ho voafetra ny sakafo, dia ny mizana eny an-tanan’ilay mpitaingin-tsoavaly no handanjana azy mba samy hahazo kely daholo ny olona rehetra. Tamin’ilay soavaly teny am-pandehanana teny, dia nisy feo niteny hoe ho lafo be mihitsy ny sakafo. Nampitandrina ny olona koa ilay feo hoe tsy tokony holanilaniana foana ny foto-tsakafo. (Apokalypsy 6:6) Mahalaza tsara ny olana eo amin’ny resaka sakafo maneran-tany amin’izao andro izao io faminaniana io. An’arivony tapitrisa mantsy ny olona tsy mba mahita na mahavidy sakafo ara-pahasalamana amin’izao.

Mbola ho foana ny mosary

 Milaza ny manam-pahaizana hoe mihoatra noho izay ilain’ny olona rehetra eto an-tany ny sakafo vokarin’ny tany. Dia inona izany ny olana mahatonga ny mosary, raha izany no izy? Inona no lazain’ny Baiboly hoe hataon’i Jehovah, d ilay Mpamorona antsika, mba hamahana an’ireo olana ireo?

 Olana: Tsy vitan’ny fitondram-panjakana ny manafoana ny fahantrana sy ny tsy rariny, nefa ireo no mahatonga ny olona tsy hahazo ny sakafo ilainy.

 Vahaolana: Hosoloana fitondram-panjakana tonga lafatra ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra. Antsoina hoe Fanjakan’Andriamanitra izy io. (Daniela 2:44; Matio 6:10) Tsy manam-bola hividianana sakafo ny olona mahantra amin’izao. Hiova anefa izany rehefa mitondra i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izao no lazain’ny Baiboly momba azy: “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, sy ny madinika, ary izay rehetra tsy mba misy manampy. . . . Hahavokatra be ny tany; ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza.”​—Salamo 72:12, 16.

 Olana: Mandravarava ny ady, sady miteraka olana ara-toe-karena. Vokatr’izany, dia lasa sarotra be amin’ny olona ny mahita an’izay sakafo ilainy.

 Vahaolana: “[Ataon’i Jehovah] tsy misy ady intsony eran-tany. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona; dorany ny kalesy fitondran’ny miaramila miady.” (Salamo 46:9) Hopotehin’Andriamanitra daholo ny fitaovam-piadiana, dia horinganiny ny olona tompon’andraikitra amin’ny ady. Ho mora kokoa amin’ny olona amin’izay ny hahazo sakafo ara-pahasalamana. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Ho be dia be ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana.”​—Salamo 72:7.

 Olana: Manimba ny voly sy mamono ny biby fiompy ny toetrandro mampidi-doza sy ny hetraketraky ny natiora.

 Vahaolana: Hofehezin’Andriamanitra ny herin’ny natiora, dia amin’izay lasa afaka mamokatra be ny tany. Milaza ny Baiboly hoe: “Mampitony ny tafio-drivotra [i Jehovah], dia tsy misamboaravoara intsony ny onjan-dranomasina. . . . Manova ny tany efitra ho farihy anirian’ny bararata izy, ary manova ny tany maina ho lasa be loharano. Ataony monina ao ny noana . . . Mamafy voa eny an-tsaha sady mamboly voaloboka izy ireo, ka mahazo vokatra be.”​—Salamo 107:29, 35-37.

 Olana: Tia tena sy tsy mety afa-po ny olona sasany, dia sakafo tsy azo antoka no vokariny, na tazoniny daholo ny sakafo, dia lasa tsy afaka mahazo amin’ilay izy izay tena mila.

 Vahaolana: Hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny ratsy fanahy sy ny olona tsy marina. (Salamo 37:10, 11; Isaia 61:8) “Ilay manome rariny ho an’izay ambakaina, ary manome hanina ho an’ny noana” no iantsoan’ny Baiboly an’i Jehovah Andriamanitra.​—Salamo 146:7.

 Olana: Lanilany foana na very ny ampahatelon’ny sakafo vokarina eran-tany, isan-taona.

 Vahaolana: Ho voatantana tsara ny sakafo rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nandanilany foana ny sakafo i Jesosy, tamin’izy teto an-tany. Nisy fotoana, ohatra, izy nanome sakafo olona 5 000 mahery tamin’ny fomba mahagaga. Nandidy ny mpianany izy avy eo hoe: “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho verivery fotsiny.”​—Jaona 6:5-13.

 Hahazo sakafo be dia be sady mahasalama ny olona rehetra, satria hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra daholo ny olana mahatonga ny hanoanana. (Isaia 25:6) Raha tianao ho fantatra hoe rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no hanao an’izany, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?

a Ny Programme de développement durable à l’horizon 2030, neken’ny firenena rehetra anisan’ny Firenena Mikambana tamin’ny 2015.

b Tatitra niraisan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena, ny Banky Iraisam-pirenena ho An’ny Fampandrosoana ny Tontolon’ny Fambolena, ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo Eran-tany, ary ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.

c Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

d Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?