Mpanao Politika Tsy Manao ny Marina: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
Te hanana mpitondra azo itokisana ny vahoaka satria efa leo ny mpanao politika tsy manao ny marina. Araka ny fanadihadiana eran-tany, navoaka tamin’ity taona 2023 ity, dia ny mpitondra fanjakana no tsy atokisan’ny olona indrindra. a
Miresaka fitondrana iray ny Baiboly, ary azo itokisana sy manao ny marina foana ny Mpitondra azy io. Ny Fanjakan’Andriamanitra io fitondrana io, dia i Jesosy Kristy no Mpitondra azy io.—Isaia 9:7.
Nasehon’i Jesosy tamin’ny zavatra nataony hoe tena miahy ny olona izy. (Matio 9:35, 36) Mpanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra izy, dia tsy ho ela izy dia hampanjaka ny rariny ary hanome fiadanana ho an’izay rehetra manaiky ny fitondrany.—Salamo 72:12-14.
a 2023 Edelman Trust Barometer Global Report.