Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anna Moneymaker/Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Naroson’ny Mpahay Siansa Ilay Famantaranandro Manondro ny Fara Andro: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Naroson’ny Mpahay Siansa Ilay Famantaranandro Manondro ny Fara Andro: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Nilaza ny mpahay siansa tamin’ny 24 Janoary 2023 fa tena efa eo akaikin’ny misasakalina ilay Famantaranandro Manondro ny Fara Andro a.

  •   “Ampiasain’ny mpahay siansa mba ampisehoana ny fotoana hahapotika an’izao tontolo izao ny ‘Famantaranandro Manondro ny Fara Andro.’ Naroson-dry zareo teo akaikin’ny misasakalina izy io tamin’ny talata, noho ny ady any Ukraine sy noho ny fahatahorana hoe hisy ady niokleary hipoaka ary noho ny fahasimban’ny tontolo iainana.”​—AFP International Text Wire.

  •   “Nanao fanambarana ny mpahay siansa tamin’ny talata fa 90 segondra sisa dia ho tonga eo amin’ny misasakalina ilay ‘Famantaranandro Manondro ny Fara Andro.’ Tena kely sisa dia hahita ny Aramagedona ny olombelona.”​—ABC News.

  •   “Nisy mpahay siansa avy amin’ny firenena maromaro nampitandrina fa mbola tsy tandindomin-doza hoatr’izao mihitsy ny fiainan’ny zanak’olombelona.”​—The Guardian.

 Tsy ho ela ve dia ho potika tanteraka ny tany, dia ho ripaka ny olombelona? Tokony hatahotra an’izay hitranga amin’ny hoavy ve isika? Inona no lazain’ny Baiboly?

Hanao ahoana ny hoavy?

 Lazain’ny Baiboly fa “ny tany ... maharitra mandrakizay” ary hisy olona “honina eo mandrakizay.” (Mpitoriteny 1:4; Salamo 37:29) Tsy ho potika mihitsy àry ny tany na koa hoe tsy ho azo iainana intsony noho ny ataon’ny olombelona.

 Miresaka momba ny farany anefa ny Baiboly. Lazain’izy io, ohatra hoe “mandalo izao tontolo izao.”​—1 Jaona 2:17.

Aza manary toky

 Afaka manampy antsika tsy hanary toky ny Baiboly na dia eo aza ny olana maro be maneran-tany. Amin’ny fomba ahoana?

 Te handray soa avy amin’izay lazain’ny Baiboly ve ianao? Manasa anao àry izahay izao mba hanandrana an’ilay fianarana Baiboly maimaim-poana miaraka amin’ny mpampianatra atolotray.

a “Ilay hoe Famantaranandro Manondro ny Fara Andro dia famantarana mampitandrina ny olona fa efa tena akaiky ilay fotoana haharipaka ny olombelona eto an-tany noho ny teknolojia mampidi-doza noforonin’izy ireo. Teny an’ohatra ampiasaina izy io mba ho fampahatsiahivana hoe tokony hanao zavatra isika mba tsy ho lany tamingana ny olombelona.”​—Bulletin of the Atomic Scientists.