Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kim Steele/The Image Bank via Getty Images

Olana Ara-bola: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Olana Ara-bola: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

 Be dia be ny olona eran-tany no sahirana ara-bola satria tsy mahavelona azy intsony ny karamany, ary vao mainka mitombo ilay olana.

  •   Milaza ny tatitra maneran-tany a iray vao haingana hoe “mihena be ny fahefa-mividin’ny olona.” Mampitandrina ilay tatitra hoe “vao mainka hisy elanelany be ny mahantra sy ny mpanankarena” raha avela amin’izao fotsiny izany, ka hidina be “ny fari-piainan’ny mpiasa maro sy ny fianakaviany.”

 Hahavita hamaha an’izany olana ara-bola izany ve ny fitondrana, na hahavita hanatsara ny fari-piainan’ny olona fotsiny aza?

 Milaza ny Baiboly hoe misy fanjakana iray afaka mamaha sady hamaha ny olana ara-bola rehetra, anisan’izany ny tsy fitovian’ny fari-piainana. Resahiny hoe “hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra”, dia io fanjakana io irery ihany no hitondra ny tany manontolo. (Daniela 2:44) Tsy hisy olona ho hadino na tsy horaharahiana rehefa mitondra io fanjakana io. (Salamo 9:18) Homen’ny Fanjakan’Andriamanitra izay ilain’ny vahoakany mba hahasambatra azy ireo. Ho afaka hankafy ny vokatry ny asa mafy ataony ny olona rehetra.​—Isaia 65:21, 22.

a International Labour Organization Global Wage Report 2022-23