Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rui Almeida Fotografia/Moment via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Rahoviana vao Tsy Hisy Intsony ny Olona Mifamono Noho ny Politika? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Rahoviana vao Tsy Hisy Intsony ny Olona Mifamono Noho ny Politika? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Mihabetsaka eran-tany ny olona mifamono noho ny politika.

  •   Nisy 39 be izao ny kandidà nisy namono nandritra ny fifidianana tamin’ny 2023-2024, tany Meksika. Nisy karazana herisetra hafa koa tao anatin’izany, ary vokatry ny politika daholo ilay izy.

  •   Betsaka tato ho ato ny herisetra noho ny politika, tany Eoropa. Nisy saika namono, ohatra, ny praiminisitra tany Slovakia tamin’ny 15 Mey 2024.

  •   Nisy nitady hamono i Donald Trump, filoham-pirenen’i Etazonia teo aloha, tamin’ny 13 Jolay 2024.

 Fa maninona no be dia be hoatr’izany ny olona mifamono noho ny politika? Hifarana ihany ve izany indray andro any? Inona no lazain’ny Baiboly?

Efa nolazain’ny Baiboly mialoha hoe hampisara-bazana ny politika

 Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” izao fotoana iainantsika izao. Nolazainy mialoha hoe betsaka no ho ratsy toetra, ka hahery setra sy tsy hifankahazo ny olona.

  •   “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora atrehina. Fa ny olona ... tsy hahay hankasitraka, ho mora mivadika, ... tsy ho azo ifanarahana, ... ho masiaka be, ... ho mpamadika, ho mafy loha, hirehareha.”​—2 Timoty 3:1-4.

 Nilaza mialoha koa ny Baiboly hoe hisy korontana hampiavaka an’izao fotoana iainantsika izao, anisan’izany ny fanonganam-panjakana sy rotaka. (Lioka 21:9, fanamarihana ambany pejy) Tsy hitohy mandrakizay anefa ilay hoe mifamono sy misara-bazana noho ny politika ny olona.

Mbola hifarana ireny herisetra sy fifamonoana ireny

 Hazavain’ny Baiboly hoe hosoloan’Andriamanitra amin’ny Fanjakany any an-danitra ny fanjakan’olombelona rehetra eto an-tany.

  •   “Hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra. ... Dia hotorotoroin’io fanjakana io sy hofoanany ireo fanjakana [hafa] rehetra ireo, fa izy irery ihany no haharitra mandrakizay.”​—Daniela 2:44.

 Tena hampiray saina sy hampiadana ary hampihavana ny olona eran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra.

  •   I Jesosy Kristy no Mpitondra an’io Fanjakana io. Antsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana” izy, ka hataony azo antoka hoe “tsy hisy farany” mihitsy ny “fiadanana” dia hifandray tsara foana ny rehetra.​—Isaia 9:6, 7.

  •   Dieny izao ny olona eo ambany fahefan’io Fanjakana io dia efa mianatra mihavana tsara. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena, sady tsy hianatra ady intsony.”​—Isaia 2:3, 4.

 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?”, ary jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?