Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Ampy ny Rano Fisotro Madio Maneran-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy Ampy ny Rano Fisotro Madio Maneran-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Mila rano madio isika mba ho velona. Mampitandrina anefa i António Guterres, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, fa “lasa olana lehibe ny resaka rano satria tsy mitsaha-mitombo ny olona mila an’izany maneran-tany.” Sarotra amin’ny olona an’arivony tapitrisa maneran-tany ny mahazo rano fisotro madio.

Strdel/AFP via Getty Images

 Mbola hanana rano ampy tsara ve ny olona rehetra indray andro any, sa mbola hitohy foana izao olana atrehintsika izao? Inona no lazain’ny Baiboly?

Inona no ampanantenain’ny Baiboly?

 Milaza ny Baiboly fa tsy hijaly rano intsony ny olona indray andro any, satria ho be dia be ny rano fisotro madio.

 “Hisy rano hiboiboika any an-tany efitra, ary hisy rano mikoriana any amin’ny lemaka karakaina. Ho lasa farihy anirian’ny bararata ny tany ngazana, ary ho lasa loharano ny tany karakaina.”​—Isaia 35:6, 7.

 Nahoana isika no afaka matoky an’izany fampanantenan’ny Baiboly izany? Diniho ny tsipiriany iray lazain’ny Baiboly momba ny fomba namoronan’Andriamanitra ny tany.

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny tany sy ny tsingerin’ny rano?

 “Tsy hoe tsy misy antony ny [namoronan’Andriamanitra ny tany] fa nataony honenana.”​—Isaia 45:18.

 Nataon’i Jehovah izay hahatonga ny tany hamokatra rano be dia be, satria nataony honenana ny tany.

 “[Ampiakarin’Andriamanitra] ireo piti-drano; lasa zavona ireny, ka tonga orana; dia araraky ny rahona izany, ka mirotsaka amin’ny olombelona.”​—Joba 36:27, 28.

 Raha tsorina, dia miresaka ilay andininy fa nampisy tsingerina Andriamanitra, amin’izay mahazo rano tsy tapaka ny olona. Lasa etona ny rano avy amin’ny tany sy ny ranomasina, dia lasa orana milatsaka amin’ny tany iny avy eo. Vokatr’izany, dia lasa mahazo rano madio tsy tapaka ny olona sy ny biby.​—Mpitoriteny 1:7; Amosa 5:8.

 “Homeko ranonorana amin’ny fotoanany, ka hahavokatra ny tany ary hamoa ny hazo eny an-tsaha.”​—Levitikosy 26:4.

 Mpamboly ny Israelita, dia nampanantena azy ireo Andriamanitra hoe hahavokatra be ny tanin’izy ireo satria handatsaka ranonorana ara-potoana ho azy ireo Andriamanitra. Fantany mantsy fa tsy hahavokatra mihitsy ny tany raha tsy tonga ara-potoana ny orana.

 Tsy ho ela Andriamanitra dia hanome ranonorana ho an’ny tany manontolo, hoatran’ny nataony tamin’ny Israelita fahiny ihany. (Isaia 30:23) Vao mainka mitombo foana anefa ny olana momba ny rano any amin’ny faritra maro maneran-tany. Tsy hoe ny tsy fahampian’ny orana fotsiny anefa no mahatonga an’izany. Inona koa àry ny vahaolana lazain’ny Baiboly momba ny olana atrehintsika amin’izao?

Ho voavaha ny olana momba ny rano

 Lazain’ny Baiboly hoe hamaha ny olana rehetra eto an-tany Andriamanitra, anisan’izany ny olana momba ny rano. Ny Fanjakany no ampiasainy mba hanatanterahana an’izany. (Matio 6:9, 10) Fitondram-panjakana anankiray any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hitondra ny tany manontolo izy io. (Daniela 2:44; Apokalypsy 11:15) Ankoatra izany, dia hanatanteraka zavatra iray tsy vitan’ny fitondram-panjakan’olombelona amin’izao izy io, izany hoe hanafoana an’izay rehetra mahatonga ny tsy fahampian-drano.

 Olana: Lasa mikorontana be ny tsingerin’ny rano noho ny fiovan’ny toetrandro. Vokatr’izany dia lasa misy ny hain-tany. Lasa misy koa ny tondra-drano mandravarava noho ny oram-be sy ny fiakaran’ny ranomasina.

 Vahaolana: Hanarina ny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hiverina amin’ny laoniny ny tany. Nampanantena toy izao Andriamanitra: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 21:5) Betsaka ny tany karakaina tsy azo ipetrahana amin’izao. Ho be dia be anefa ny rano any amin’ireny toerana ireny ary hiroborobo ny zavamaniry. (Isaia 41:17-20) Ho voafehin’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny herin’ny natiora rehefa mitondra izy.

 Nahavita nampitony rivo-mahery i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, dia nasehony tamin’izany hoe hoatran’ny ahoana ny hery nomen’i Jehovah azy. (Marka 4:39, 41) Tsy hisy intsony ny loza araka ny natiora eo ambany fitondran’i Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hiadana sy hilamina ny olona amin’izay, fa tsy hatahotra intsony hoe hisy loza hanjo azy ireo.

 Olana: Mandoto ny renirano sy ny farihy ary ny loharano ny olona sy fikambanana samihafa, satria tsy mitsinjo lavitra izy ireo sady tia tena. Izany koa no mahatonga ny tsy fahampian-drano.

 Vahaolana: Hodiovin’Andriamanitra ny tany ary haveriny amin’ny laoniny ny renirano, ny farihy, ny ranomasina, ary ny loharano izay nosimban’ny olona. Ho lasa paradisa ny tany, ary kanto erỳ ny fomba ilazan’ny Baiboly an’izany. Hoy izy io: “Hifaly ny tany efitra sy ny tany ngazana, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady ho feno voninkazo.”​—Isaia 35:1.

 Ahoana no hiafaran’ireo manimba ny tontolo iainana sy ireo tsy miraharaha ny mpiara-belona aminy? Mampanantena Andriamanitra fa “handringana an’izay manimba ny tany” izy.​—Apokalypsy 11:18; Ohabolana 2:21, 22.

 Olana: Mandanilany rano ny olona hany ka tsy maharaka ny rano vokarin’ny tany.

 Vahaolana: Ho tanteraka “etỳ an-tany” ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy ny an’ny olombelona tia tena, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:9, 10) Hanome fampianarana tena tsara ho an’ny vahoaka hoentiny ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny Isaia 11:9: “Ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany.” a Ho vitan’ny olona amin’izay ny hikarakara an’ity tany tsara tarehy ity sy ny harena voajanahary eo aminy, satria nahazo an’izany fahalalana izany izy ireo sady tena tia an’Andriamanitra sy ny zavaboariny.

  •    Vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?”, raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’io Fanjakana io ianao.

  •    Vakio ny Isaia toko faha-35, satria ho hitanao ao fa hataon’Andriamanitra paradisa ny tany.

  •    Jereo ilay video hoe Inona no Antony Namoronan’Andriamanitra ny Tany?, raha tianao ho fantatra ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?