Soratra Fahiny Manamarina ny Toerana Nisy ny Foko Israelita Iray
Voaresaka ao amin’ny Baiboly ny nahazoan’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina sy ny nizarana azy io tamin’ireo fokon’ny Israely. Lazain’ny Baiboly fa nomena tany teny andrefan’ny Reniranon’i Jordana ny fianakaviambe folo tamin’ny fokon’i Manase, ka tsy niaraka tamin’ireo fianakaviambe hafa anisan’ilay foko. (Josoa 17:1-6) Manaporofo an’izany ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambany tany.
Nisy vakina fitaovana vita tamin’ny tanimanga hita tany ambany tany, tany Samaria, tamin’ny 1910. Misy soratra amin’ny teny hebreo amin’ilay izy, ary miresaka momba ny fandefasana entana mankany amin’ny lapan’ny mpanjaka any an-drenivohitra. Entana lafo vidy daholo ilay izy, anisan’izany ny divay sy ny menaka fanatsarana tarehy. Miisa 102 ireo vakina tanimanga hita, ary avy tamin’ny taonjato fahavalo Talohan’i Kristy izy ireo. Ny soratra amin’ny vakina tanimanga 63 ihany no mbola hita tsara ka azo vakina. Rehefa atambatra anefa ny tsipiriany azo avy amin’izy ireo, dia lasa misy daty sy anarana fianakaviambe sasany fantatra. Lasa hita koa ny anaran’ireo mpandefa entana sy ireo nandefasana azy.
Tsara homarihina fa avy amin’ny fokon’i Manase daholo ireo fianakaviambe voaresaka ao amin’ny Vakin-tanimangan’i Samaria. Araka ny fanamarihana ao amin’ny Baiboly iray (NIV Archaeological Study Bible), dia porofo izany hoe “tena nipetraka tany amin’ny toerana lazain’ny Baiboly fa nisy azy ny taranak’i Manase.”
Hita avy amin’ny Vakin-tanimangan’i Samaria koa fa marina ny zavatra nosoratan’i Amosa, mpanoratra ny Baiboly. Nilaza izy fa “misotro divay amin’ny vilia baolina, ary mihosotra menaka faran’izay tsara” ny mpanankarena tamin’izany andro izany. (Amosa 6:1, 6) Porofoin’ny Vakin-tanimangan’i Samaria fa nandefasana entana toy izany tany amin’ny toerana nipetrahan’ireo fianakaviambe folo avy amin’ny fokon’i Manase.