Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Thai Liang Lim/E+ via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Misy Vokany Ratsy Amin’ny Zanakao ve ny Tambazotran-tserasera? Afaka Manampy ny Ray Aman-dreny ny Baiboly

Misy Vokany Ratsy Amin’ny Zanakao ve ny Tambazotran-tserasera? Afaka Manampy ny Ray Aman-dreny ny Baiboly

 “Olana mpahazo ny tanora ny resaka aretin-tsaina, ary mila alamina haingana izany. Anisan’ny antony tena mahatonga an’izany ny tambazotran-tserasera.”​—Dr. Vivek Murthy, minisitry ny fahasalamana any Etazonia, New York Times, 17 Jona 2024.

 Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hiarovana ny zanany amin’ny loza ateraky ny tambazotran-tserasera? Misy torohevitra azo ampiharina ao amin’ny Baiboly.

Inona no azon’ny ray aman-dreny atao?

 Diniho ireto torolalan’ny Baiboly ireto:

 ‘Mieritreritra tsara ny olona malina isaky ny hanao zavatra.’​—Ohabolana 14:15.

 Na be dia be aza ny voka-dratsin’ny tambazotran-tserasera, dia tsy voatery handrara ny zanakao tsy hampiasa azy io ianao. Alohan’ny hamelana azy anefa, dia ataovy azo antoka hoe efa matotra tsara izy ka hahavita hanaja ny fotoana noferanao hoe azony ampiasana an’ilay izy, hahay hifidy namana tsara foana, ary tsy hijery zavatra ratsy mihitsy.

 “Ampiasao tsara ny fotoananareo.”​—Efesianina 5:16.

 Raha mamela ny zanakao hampiasa tambazotran-tserasera ianao, dia mametraha fitsipika ary hazavao aminy hoe nahoana ireny no miaro azy. Mba mailomailo ihany anefa raha hitanao hoe niova ny zanakao. Mety ho famantarana mantsy izany hoe mila ferana ny fotoana ampiasany tambazotran-tserasera.

  •   Ampiasao ilay kisarisary hoe Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet! mba hanampiana ny zanakao hahazo hoe nahoana no mila ferana ny fotoana ampiasana ny tambazotran-tserasera.

Manaova fikarohana

 Milaza ny Baiboly hoe “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” izao iainantsika izao. (2 Timoty 3:1-5) Misy torohevitra manampy antsika hiatrika an’izany koa anefa ao amin’izy io, ary mahasoa foana izy ireny. Hahita lisitra-na fanazavana ara-baiboly 20 mahery ianao ato amin’ity lahatsoratra momba ny aretin-tsaina ity. Natao ho an’ny ray aman-dreny sy ny zanany ireo fanazavana ireo.