Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JenkoAtaman/stock.adobe.com

MIAMBENA FOANA!

Mahavelom-panantenana ny Taona 2023: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mahavelom-panantenana ny Taona 2023: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Amin’izao fiantombohan’ny taona 2023 izao, dia manantena daholo isika hoe hihatsara ny fiainantsika sy ny an’ny fianakaviantsika. Inona no hanampy antsika ho be fanantenana?

Manome fanantenana ny Baiboly

 Izao ny vaovao tsara resahin’ny Baiboly: Mandalo ihany ny olana atrehintsika amin’izao dia kely sisa ireny dia hilamina. Raha ny marina dia “nosoratana mba hampianarana antsika” ny Baiboly, “amin’izay isika dia hanana fanantenana, satria ... manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.”​—Romanina 15:4.

Afaka manampy anao dieny izao ny fampanantenan’ny Baiboly

 “Vatofantsiky ny aintsika” ny fampanantenan’ny Baiboly. (Hebreo 6:19) Mahatonga antsika ho tony ny fanantenana satria manampy antsika hiatrika olana, hanana toe-tsaina tsara foana, ary ho sambatra mandrakizay. Diniho ireto ohatra ireto:

Ataovy mafy orina ny fanantenanao

 Betsaka no manantena zavatra tsara be nefa tsy azony antoka hoe tena ho tanteraka izany. Tsy hoatr’izany ny fampanantenan’ny Baiboly. Nahoana? Satria avy amin’i Jehovah Andriamanitra a ny fampanantenana ao, ary “tsy mahay mandainga” izy. (Titosy 1:2) I Jehovah ihany no mahavita manatanteraka ny fampanantenany rehetra. Afaka manao izay tiany mantsy izy.​—Salamo 135:5, 6.

 Tena tianay handray soa avy amin’ny fampanantenana azo antoka ao amin’ny Baiboly ianao. Hatoky kokoa an’izay voalaza ao ianao raha ‘mandinika tsara ny Soratra Masina.’ (Asan’ny Apostoly 17:11) Andramo ange ilay fianarana Baiboly miaraka amin’ny mpampianatra e! Ho tsara fiantombohana ny taona 2023 raha manana fanantenana ianao!

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.