Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Tifitra Variraraka any An-tsekoly: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tifitra Variraraka any An-tsekoly: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Nisy zavatra mampihoron-koditra nitranga tany Uvalde, tanàna kely any Texas, tamin’ny 24 Mey 2022. Nilaza ilay gazety hoe The New York Times fa “nisy lehilahy nitam-basy namono ankizy 19 sy mpampianatra roa ... tao amin’ny sekoly Robb Elementary School.”

 Mampalahelo fa fahita matetika ny zavatra hoatr’izany. Nitatitra ny USA Today fa tany Etazonia fotsiny, dia “nisy tifitra variraraka tany an-tsekoly 249 tamin’ny herintaona. Izany ny antontan’isa betsaka indrindra taorian’ny 1970.”

 Maninona no mitranga ny habibiana hoatran’ireo? Ahoana no iatrehantsika zava-dratsy hoatran’izany? Mbola ho foana ve ny herisetra? Mamaly an’izany ny Baiboly.

Maninona no mihabetsaka ny herisetra?

 Be dia be no mieritreritra hoe: ‘Fa maninona no avelan’Andriamanitra hitranga ny zava-dratsy hoatran’ireny tifitra variraraka ireny fa tsy sakanany?’ Raha tianao ho fantatra hoe inona no lazain’ny Baiboly momba an’izany, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Nahoana ny Tsara Fanahy no Mijaly?

Ahoana no iatrehana an’izany?

  •   “Izay ... voasoratra taloha dia nosoratana mba hampianarana antsika. Amin’izay isika dia hanana fanantenana, satria ... manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.”​—Romanina 15:4.

 Afaka manampy anao hiatrika ny herisetra fahita amin’izao ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay gazety Mifohaza! hoe “Ho Foana Ihany ve ny Herisetra?

 Misy vaovao ratsy koa amin’izao ary mety hampahatahotra antsika izy ireny. Misy torohevitra azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hiatrika an’izany ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Matahotra Vaovao Ratsy ve ny Zanakao?

Ho foana ihany ve ny herisetra?

  •   “Hanafaka azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”​—Salamo 72:14.

  •   “Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena, sady tsy hianatra ady intsony.”​—Mika 4:3.

 Hanao zavatra tsy vitan’ny olombelona Andriamanitra. Hanafoana ny fitaovam-piadiana sy ny herisetra rehetra ny Fanjakany any an-danitra. Raha tianao ho fantatra bebe kokoa hoe inona ny zavatra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “‘Ho Be ny Fiadanana’ Rehefa Hitondra ny Tany Ilay Fanjakana.”