Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Photo by Zhai Yujia/China News Service/VCG via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Tondra-drano Mandravarava: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tondra-drano Mandravarava: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Be dia be ny olona tratran’ny tondra-drano eran-tany. Mariho ireto tatitra ireto:

  •   “Tato anatin’ny 140 taona, fara fahakeliny, dia tamin’ity no betsaka indrindra ny rotsakorana tany amin’ny renivohitr’i Chine. Teo anelanelan’ny Alahady sy Alarobia dia nahatratra 744,8 milimetatra ny ranon’orana.”​—AP News, 2 Aogositra 2023.

  •   “Roa andro tamin’ny Alakamisy teo izay ny rivo-doza Khanun no namely ny faritra atsimon’i Japon, dia niteraka oram-be sy tafio-drivotra. Olona roa, fara fahakeliny, no maty. ... Raha ny vinavina dia mety hitondra rotsakorana 0,6 metatra io rivo-doza io any amin’ny faritra be tendrombohitra any afovoan’i Taïwan.”​—Deutsche Welle, 3 Aogositra 2023.

  •   “Tato anatin’ny 50 taona, dia mbola tsy nisy oram-be hoatran’ny tamin’ity, tany amin’ny faritra amoron-tsiraka ny ranomasina Atlantika, any Kanada. Izay no nahatonga an’ilay tondra-drano tamin’ny faran’ny herinandro teo, [tany Nouvelle-Écosse].”​—BBC News, 24 Jolay 2023.

 Inona no lazain’ny Baiboly momba an’ireny zava-mitranga ireny?

Famantarana ny “andro farany”

 Ampahafantarin’ny Baiboly fa miaina ao anatin’ny vanim-potoana antsoina hoe “andro farany” isika. (2 Timoty 3:1) Efa nilaza mialoha i Jesosy fa hahita “zavatra mampahatahotra” na zavatra tsy mahazatra ny olona. (Lioka 21:11) Lasa misy zavatra tsy mahazatra mitranga noho ny fiovan’ny toetrandro. Lasa matetika sy mahery vaika kokoa izy ireny, dia vao mainka koa tsy ampoizina ny fotoana itrangany.

Misy fanantenana anefa

 Milaza ny Baiboly fa tokony hahatonga antsika hanana fanantenana ireny zavatra tsy mahazatra mitranga eto an-tany amin’izao ireny. Fa maninona? Hoy i Jesosy: “Rehefa hitanareo hoe miseho izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.”​—Lioka 21:31; Matio 24:3.

 Hita avy amin’ny zava-mitranga amin’izao hoe tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hifehy tanteraka ny herin’ny natiora, anisan’izany ny tsingerin’ny rano.​—Joba 36:27, 28; Salamo 107:29.

 Raha tianao ho fantatra hoe inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hamerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainana, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza no Hahavita Hanavotra ny Tany?