Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hisy Intsony ve ny Fanjakana Manao Kolikoly Indray Andro Any?

Tsy Hisy Intsony ve ny Fanjakana Manao Kolikoly Indray Andro Any?

 Be dia be ny mpitondra fanjakana manao kolikoly eran-tany, ary mampalahelo be ny vokany. a Nandritra ny valanaretina COVID-19, ohatra, dia nisy manam-pahefana tany amin’ny tany maromaro voalaza hoe nanodinkodina vola natokana hiadiana amin’ilay valanaretina, mba hampanan-karena azy. Vokatr’izany, dia lasa tsy nahazo ny fitsaboana nilainy ny olona, ka maro no nijaly sy maty.

 Betsaka ny voka-dratsin’ny kolikoly ataon’ny fanjakana. Hoy i David Cameron, praiminisitra taloha tany Royaume-Uni: “Hoatran’ny tranon-kala ngezabe mamatopatotra ny kolikoly, dia tratra ao daholo ny firenena rehetra.”

 Afaka matoky anefa isika hoe kely sisa dia tsy hisy intsony ny karazana kolikoly rehetra. Nahoana? Jereo izay lazain’ny Baiboly hoe hataon’Andriamanitra.

Ahoana no ahalalantsika hoe hofoanan’Andriamanitra ny kolikoly?

 Izao no lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra: “Izaho Jehovah dia tia rariny, sady mankahala ny fandrobana sy ny tsy fahamarinana.” b (Isaia 61:8) Hitan’Andriamanitra ny olona rehefa mijaly vokatry ny kolikoly ataon’ny hafa. (Ohabolana 14:31) Mampanantena izy hoe: “Satria ampahorina ny olona mijaly ... dia hitsangana aho ka hanao zavatra.”​—Salamo 12:5.

 Inona no hataon’Andriamanitra? Tsy hoe hohatsarainy ny fanjakana efa misy amin’izao, fa hosoloany an’ilay fanjakany any an-danitra, antsoina hoe “Fanjakan’Andriamanitra.” (Marka 1:14, 15; Matio 6:10) Izao no lazain’ny Baiboly: “Hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra. ... Dia hotorotoroin’io fanjakana io sy hofoanany ny fanjakana hafa rehetra, fa izy irery ihany no haharitra mandrakizay.” (Daniela 2:44) Izay no fomba hanafoanan’Andriamanitra ny kolikoly rehetra hitantsika amin’izao.

Fanjakana iray tsy manao kolikoly

 Ahoana no ahalalantsika hoe tsy hanao kolikoly ny Fanjakan’Andriamanitra? Diniho ireto manaraka ireto:

  1.  1. Fahefana. Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no manome fahefana an’io Fanjakana io.​—Apokalypsy 11:15.

     Nahoana izany no zava-dehibe? Miantehitra amin’ny vola omen’ny vahoakany ny fanjakan’olombelona mba hampandeha tsara ny asany. Matetika izany no hararaotin’ny olona mba hanaovana kolikoly sy halatra ary fanambakana. Hafa mihitsy anefa ny Fanjakan’Andriamanitra, satria ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no manohana azy. Hahavita hanome an’izay ilain’ny vahoakany foana àry izy io.​—Salamo 145:16.

  2.  2. Mpitondra. I Jesosy Kristy no notendren’Andriamanitra ho Mpitondra an’io Fanjakana io.​—Daniela 7:13, 14.

     Nahoana izany no zava-dehibe? Na ny mpitondra tsara indrindra aza mora voatarika hanao zavatra tsy mety. (Mpitoriteny 7:20) Tsy hoatr’izany anefa i Jesosy satria efa nasehony hoe tsy azo anaovana kolikoly izy. (Matio 4:8-11) Tena tia ny vahoakany sy mitady izay hahasoa azy ireo koa izy, dia izany foana no mibaiko azy isaky ny misy zavatra ataony.​—Salamo 72:12-14.

  3.  3. Lalàna. Tonga lafatra ny lalàn’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary mamelombelona mihitsy aza.​—Salamo 19:7, 8.

     Nahoana izany no zava-dehibe? Matetika ny lalàn’olombelona no sarotra be sy mavesatra ary tsy ampiharina araka ny tokony ho izy, dia lasa alaim-panahy hanao kolikoly ny olona. Ny lalàn’Andriamanitra kosa anefa azo ampiharina tsara sady mahasoa. (Isaia 48:17, 18) Ankoatra izay, dia tsy ny zavatra ataon’ny olona ihany no voakasik’ireny lalàna ireny fa ny antony anaovany zavatra koa. (Matio 22:37, 39) Afaka mahita ny any am-pon’ny olona koa Andriamanitra. (Jeremia 17:10) Mihevitra ny fihetseham-pon’izy ireo sy ny zavatra iainany foana àry izy rehefa mampihatra an’ireny lalàna ireny.

 Manasa anao izahay hianatra bebe kokoa momba an’ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe tsy hisy kolikoly intsony amin’ny hoavy.

a Misy diksionera iray milaza hoe manao kolikoly ny olona iray rehefa manararaotra ny fahefana nomena azy mba hahazoany tombontsoa.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?