Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ilbusca/E+ via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Tsy Vitan’ny Olona ny Mampitsahatra Ady: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy Vitan’ny Olona ny Mampitsahatra Ady: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Tsy nahavita nampisy fiadanana eran-tany ny mpitondra eran-tany sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Mbola tsy nisy ady mahatsiravina be dia be hoatr’izao hatramin’ny nisian’ny Ady Lehibe II. Olona roa arivo tapitrisa eo ho eo, izany hoe ampahefatry ny mponina eran-tany, no mipetraka any amin’ny tany misy ady.

 Nahoana no tsy vitan’ny olona ny mampitsahatra ady? Inona no lazain’ny Baiboly?

Antony telo mahatonga ny olombelona tsy mahavita mampitsahatra ady

  1.  1. Ny toetran’ny olona no mahatonga azy ireo tsy ho tia fihavanana. Izao no lazain’ny Baiboly momba ny zavatra hitranga amin’ny androntsika: “Ny olona ho tia tena, ho tia vola, hieboebo, hanambony tena, ... ho mora mivadika, ... tsy ho azo ifanarahana, ... tsy hahafehy tena, ho masiaka be, ... ho mafy loha, hirehareha.”​—2 Timoty 3:2-4.

  2.  2. Tsy mahavita mamaha samirery ny olana mahazo azy ny olombelona, na isam-batan’olona izany na amin’ny fitambarany, fa mila miankina amin’i Jehovah a Andriamanitra ilay Mpamorona. Nilaza toy izao ny Baiboly: “Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.”​—Jeremia 10:23.

  3.  3. Eo ambany fahefan’ny mpitondra iray mahery sady ratsy fanahy izao tontolo izao. Tsy iza izany fa i Satana Devoly “izay mamitaka ny tany manontolo.” (Apokalypsy 12:9) Raha mbola ‘eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo’, dia mbola hisy foana ny ady.​—1 Jaona 5:19.

Iza ihany no ho afaka hampisy fiadanana eran-tany?

 Manome toky antsika ny Baiboly hoe Andriamanitra ihany no hahavita hampisy fiadanana fa tsy noho ny ezaka ataon’ny olombelona.

  •   “‘Fa fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo’, hoy i Jehovah. ‘Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hanananareo hoavy tsara sy fanantenana.’”​—Jeremia 29:11.

 Ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra an’izany fampanantenany izany? ‘Hanorotoro an’i Satana ilay Andriamanitra manome fiadanana.’ (Romanina 16:20) Hampiasa fitondrana iray any an-danitra Andriamanitra, mba hampisy fiadanana eran-tany. Antsoin’ny Baiboly hoe “Fanjakan’Andriamanitra” izy io. (Lioka 4:43) Rehefa hitondra ny tany i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’io Fanjakana io, dia hampianariny hihavana ny olona.​—Isaia 9:6, 7.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.