Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

fcafotodigital/E+ via Getty Images

Ny Fomba Fiaina Vegan: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ny Fomba Fiaina Vegan: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Be dia be ny olona liana amin’ny fomba fiaina vegan, eran-tany.

  •   “Fomba fiaina sy fomba fisaina ilay hoe vegan. Ny olona manaraka an’io fomba fiaina io, dia manao izay azony atao mba tsy hahatonga ny biby hijaly. Tsy mampiasa biby mihitsy koa izy ireo mba hahazoana sakafo, na hanaovana fitafiana na zavatra hafa.”​—The Vegan Society.

 Tsy noho ny fiahiana biby ihany no mahatonga ny olona sasany hanaraka ny fomba fiaina vegan. Mifidy an’izany koa izy ireo mba hiarovana ny tontolo iainana, hanatsarana ny fahasalamana, na noho ny antony ara-pivavahana.

  •   “Tsy safidy amin’ny resaka sakafo fotsiny ny hoe vegan. Matetika mantsy ny vegan no ampifandraisin’ny olona amin’ny resaka finoana, sy ny safidy atao momba an’izay mety sy tsy mety, ary ny fomba azon’ny tsirairay hanatsarana an’izao tontolo izao.”​—Britannica Academic.

 Mahavaha ny olana maneran-tany ve ny fomba fiaina vegan? Inona no lazain’ny Baiboly?

Ny fomba fiheveran’ny Mpamorona ny olona sy ny biby

 I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona. a Resahin’ny Baiboly hoe nataony ambony noho ny biby ny olombelona, sady nomeny fahefana hanjaka amin’izy ireo. (Genesisy 1:27, 28) Tatỳ aoriana aza dia navelan’Andriamanitra hataon’ny olona sakafo ny biby. (Genesisy 9:3) Na izany aza, dia tsy mamela antsika hampijaly biby Andriamanitra.​—Ohabolana 12:10.

 Milaza ny Baiboly fa safidin’ny tsirairay ny hoe hihinan-kena na tsia. b Tsy miankina amin’izany anefa no mahatonga antsika hahazo sitraka kokoa amin’Andriamanitra. (1 Korintianina 8:8) Tsy tokony hitsaratsara ny hafa isika amin’ny resaka sakafo.​—Romanina 14:3.

Inona àry no vahaolana amin’ny olana eran-tany?

 Milaza ny Baiboly fa tsy ny fomba fiaina arahintsika no vahaolana. Ny rafitra misy eo amin’izao tontolo izao no tena mahatonga ny maro amin’ny olana atrehintsika, ary tsy misy mahavita mandamina an’izany. Anisan’izany rafitra izany ny politika, ny fiaraha-monina, ary ny toe-karena. Izao no lazain’ny Baiboly:

 Hovahan’ilay Mpamorona ny olana mahazo antsika amin’izao. Mampiasa sarin-teny ny Baiboly mba hanazavana ny zavatra hataon’Andriamanitra amin’ny hoavy.

  •   “Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho, fa efa lasa ny lanitra taloha sy ny tany taloha, sady tsy nisy ranomasina intsony.”​—Apokalypsy 21:1.

 Hesorin’Andriamanitra ny fitondran’olombelona, izany hoe ny “lanitra taloha.” Dia ny “lanitra vaovao”, na ny Fanjakany any an-danitra indray no hitondra. Hanala ny “tany taloha”, na ny ratsy fanahy ilay Fanjakany, dia hanjaka amin’ny “tany vaovao”, izany hoe ny olona manaiky ny fitondrany.

 Rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra vao ho hain’ny olona hoe ahoana no atao mba hihavanana amin’ny biby sy hitandrovana ny tontolo iainana.​—Isaia 11:6-9.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.

b Mandidy antsika ny Baiboly mba ‘hifady ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Midika izany fa tsy tokony hihinana ra na hena tsy nalatsa-dra isika. Tsy mety koa ny mihinana sakafo nasiana ra.