Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Havia: Rivo-doza Ian, Floride, Etazonia, Septambra 2022 (Sean Rayford/Getty Images); afovoany: Vehivavy miaraka amin’ny zanany lahy, Donetsk, Ukraine, Jolay 2022 (Alex Chan Tsz Yuk/SOPA Images/LightRocket via Getty Images); havanana: Olona tsy an-kanavaka atao test COVID, Beijing, Chine, Aprily 2022 (Kevin Frayer/Getty Images)

MIAMBENA FOANA!

2022: Taona Nampiady Saina sy Feno Korontana: Inona no Lazain’ny Baiboly?

2022: Taona Nampiady Saina sy Feno Korontana: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Naheno vaovao momba ny ady sy olana ara-toe-karena ary loza araka ny natiora foana isika nandritra an’iny taona 2022 iny. Ny Baiboly ihany no manazava hoe inona marina no dikan’ireny.

Inona marina no dikan’ireny zava-nitranga tamin’ny 2022 ireny?

 Vao mainka manaporofo ireny zava-nitranga tamin’ny 2022 ireny hoe miaina amin’ilay fotoana antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” isika. (2 Timoty 3:1) Tamin’ny 1914 no nanomboka ny andro farany. Efa nolazain’ny Baiboly mialoha izay hitranga, dia mariho fa izany tokoa no hitantsika tato ho ato:

 “Ady.”​—Matio 24:6.

  •   Niaina tao Anatin’ny Ady Indray ny Mponin’i Eoropa Tamin’ny 2022.” a

 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tafihin’i Rosia i Ukraine.”

 “Mosary.”​—Matio 24:7.

  •   “Mbola Tsy Nisy Mosary Hoatran’ny Tamin’ity 2022 Ity!” b

 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mampitombo ny Mosary Maneran-tany ny Ady any Ukraine.”

 “Areti-mandringana.”​—Lioka 21:11.

  •   “Miverina indray ny polio, be dia be no voan’ny variole du singe, nefa mbola eo foana ny COVID-19. Hita mihitsy hoe mampidi-doza ny areti-mifindra sady marefo ny olombelona.” c

 Jereo ilay lahatsoratra hoe “6 Tapitrisa no Matin’ny COVID.”

 “Zavatra mampahatahotra.”​—Lioka 21:11.

  •   “Ny tena ahatsiarovana ny tapatapaky ny taona 2022 dia ny hafanana tafahoatra, ny hain-tany, ny afo mandravarava, ary ny tondra-drano. Be dia be mihitsy ny zavatra simba sy rava, betsaka ny olona maty, ary an-tapitrisany no lasa tsy nanan-kialofana.” d

 “Korontana [na: “rotaka; fikomiana”, f.a.p.].”​—Lioka 21:9.

  •   “Tena be dia be no mirotaka manohitra ny fanjakana tamin’ity 2022 ity. Mahatezitra be ny olona mantsy ny olana ara-toe-karena, indrindra fa ny fisondrotan’ny vidim-piainana.” e

 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mihamidangana ny Vidim-piainana Maneran-tany.”

Inona indray no hitranga amin’ny 2023?

 Tsy misy mahalala isika hoe hanao ahoana marina ny 2023. Ny fantatsika dia hoe kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe ilay fanjakana any an-danitra, dia hanova tanteraka ny fiainana eto an-tany. (Daniela 2:44) Hesorin’io fanjakana io izay mahatonga ny olombelona hijaly. Hataony koa izay hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany.​—Matio 6:9, 10.

 Araho ilay torohevitr’i Jesosy Kristy hoe “miambena foana”, dia jereo tsara fa manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly ny zava-mitranga eran-tany. (Marka 13:37) Afaka manampy anao dieny izao ny Baiboly, sady manome fanantenana ho anao sy ny fianakavianao. Mifandraisa aminay raha te hahazo fanazavana bebe kokoa momba an’izany ianao.

a AP News, “2022 Was Year the Horror of War Returned to Europe,” nosoratan’i Jill Lawless, 8 Desambra 2022.

b World Food Programme, “A Global Food Crises.”

c JAMA Health Forum, “Living in an Age of Pandemics​—From COVID-19 to Monkeypox, Polio, and Disease X,” nosoratan’i Lawrence O. Gostin, JD, 22 Septambra 2022.

d Earth.Org, “What’s Behind the Record-Breaking Extreme Weather Events of Summer 2022?” nosoratan’i Martina Igini, 24 Oktobra 2022.

e Carnegie Endowment for International Peace, “Economic Anger Dominated Global Protests in 2022,” nosoratan’i Thomas Carothers sy Benjamin Feldman, 8 Desambra 2022.