Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

DAVID MAZA | TANTARAM-PIAINANA

Nanjombona ny Fiainan’ilay Fianakaviana Kanefa Tafarina Ihany Izy Ireo

Nanjombona ny Fiainan’ilay Fianakaviana Kanefa Tafarina Ihany Izy Ireo

Sambatra ihany ny fianakavianay tamin’ny farany. Zavatra tsy noeritreretiko hitranga mihitsy izany taloha. Rehefa nianatra Baiboly sy nampihatra an’izay nianarako anefa aho dia hay azo tratrarina ihany izany. Niara-nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo manontolo izahay mivady sy ny zanakay telo mianadahy.

Tampoka be taminay ilay zavatra mafy be nitranga taminay tamin’ny 24 Aprily 2004.

 Niteraka an’i Lauren, zanakay vavy, i Kaye vadiko, nefa aho mbola tsy nahay nitaiza akory. Teraka indray i Michael, ilay zanakay lahy, fa mbola ny teo ihany no teo. Ry dadanay sy mamanay koa mantsy niady lava dia farany nisaraka, ka na te hahay hitaiza aza aho dia tsy nety nahay mihitsy.

 Tsy vitan’izay fa efa hatramin’izaho mbola tanora no mpisotro toaka sy mpidoroka zava-mahadomelina. Na dia efa olon-dehibe aza aho dia mbola tsy nahavita nitondra ny fiainako ihany. Be dia be mantsy ny zavatra ratsy nanandevo ahy. Santionany fotsiny ny filokana. Dia lasa nandray fanapahan-kevitra tsy nety foana aho. Vao mainka nikorontana be mihitsy ny tokantranoko dia farany nilaozan’i Kaye aho, dia nentiny koa ny zanakay mianadahy. Hoatran’ny nilatsaham-baratra aho tamin’izay!

 Te hampody an’i Kaye aho dia notambatambazako izy hoe inona no azoko atao. Efa nianatra Baiboly tamin’izay Vavolombelon’i Jehovah atao hoe Gloria izay izy tamin’izay, dia hozy fotsiny izy hoe: “Mianara Baiboly.” Tsy azoko akory hoe inona no atao amin’izany fa tiako hiverina hody fotsiny i Kaye dia mody nanaiky aho hoe hihaona tamin’i Gloria sy Bill vadiny.

Resadresaka nanova tanteraka ny fiainako

 Rehefa tonga tao aminay i Bill sy Gloria, dia tena variana aho tamin’ny fifandraisan-dry zareo. Tena nifandray am-po be mihitsy izy mivady. Dia hay koa ry zareo manana zanaka telo mianadahy efa lehibe mitovitovy taona amiko, dia mampiasa tsara ny fiainany mba hanaovana zavatra tsara daholo, hono, ny zanany. Tamin’io aho vao nieritreritra hoe ny Baiboly angamba no hanampy anay hanana tokantrano sambatra.

 Niresaka momba ny olana nahazo ahy i Bill sy Gloria, tamin’io fotoana nitsidihany ahy io. Dia nasehony ahy ilay nolazain’ny Baiboly ao amin’ny Galatianina 6:7 hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” Dia hozy aho tany an-tsaiko tany hoe: ‘Raha mba fantatro izao io toro lalana io tamin’ireny izaho nanapa-kevitra taloha ireny, dia hoatr’izay tsy nisy an’ireny olana nandratra fo be dia be ireny nitranga taminay!’

Kaye sy David

 Nandeha teny ny fotoana, dia lasa nihatsara be mihitsy ny fiainako rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly aho. Tsy nifoka sigara intsony izahay sy Kaye, dia lasa afaka tamin’ny zavatra hafa nanandevo ahy koa izaho. Rehefa niteraka ny zanakay faralahy izahay tamin’ny 1985, vao tsapako hoe mba nahay nitaiza aho. David no anaran’ilay zanakay fa nomenay anaram-bosotra hoe Davey izy satria tianay be mihitsy.

Niara-nanompo an’i Jehovah

 Hitanay mivady tamin’izany hoe rehefa nampianatra ny zanakay ho tia an’i Jehovah izahay, dia lasa vao mainka akaiky azy koa. Nianatra zavatra be dia be mihitsy avy tao amin’ny bokintsika izahay, ohatra hoe avy ao amin’ilay boky Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. Dia ny fianakaviana tao amin’ny fiangonanay koa tena modely tsara ho anay sy ny zanakay.

Michael sy Diana vadiny

 Nanao mpisava lalana daholo ny zanakay rehetra tatỳ aoriana. Efa tany amin’ny fiangonana espaniola i Lauren tamin’ny voalohandohan’ny taona 2004. I Michael indray vao niala tao amin’ny Betela tamin’izany satria hanambady, dia efa handeha ho any Guam izy sy Diana vadiny tamin’izay satria voatendry hanompo tany. I Davey indray vao nanomboka nanompo tany amin’ny Repoblika Dominikanina. Vao 19 taona izy tamin’izay.

 Reharehanay sy Kaye mihitsy ny zanakay satria nanao safidy tsara daholo. Tsapanay mihitsy ilay lazain’ny 3 Jaona 4 hoe: “Tsy misy mahafaly ahy noho ny maheno hoe tsy miala amin’ny fahamarinana mihitsy ny zanako.” Tsy nampoizinay mihitsy tamin’izany hoe antso an-telefaonina iray fotsiny no handeha hanova ny fiainanay.

Rotidrotika ny fonay

 Nandeha nisakafo tany amin’ny hotely izahay mivady tamin’ny 24 Aprily 2004, niaraka tamin’izay mpivady anankiroa izay. Lavidavitra ny toerana nisy an’ilay hotely satria zato kilaometatra avy eo aminay ilay izy, dia ny aotomobiliko no nandehananay enina. Rehefa avy nisakafo izahay dia nandeha nankany amin’ny hotely mpivarotra gatô na gilasy mba hihinana desera. Nampidiniko avy tao anaty fiara ry zareo rehefa tonga izahay dia lasa aho nitady parking. Dia io fa naneno ny telefaoniko. Namanay ilay niantso tamin’izay ary nangovingovitra be ny feony.

 “Nisy zavatra mahatsiravina be nitranga”, hozy izy. “Voan’ny aksidà i Davey.”

 Dia hozy aho hoe: “Manahoana izy amin’izao?” Sady natahotra haheno an’izay hoteneniny ihany aho amin’io.

 Tsy nahateny teo aloha izy. Fa nanery tena fotsiny izy avy eo niteny hoe maty i Davey.

 Vao tapaka ilay antso dia nivavaka tamin’i Jehovah aho hoe mba omeo hery. Nandeha niditra tao amin’ilay hotely aho avy eo, dia hozy aho tamin-dry zareo hoe tsy dia salama aho fa andao hody. Tsy te hiteny tamin’i Kaye momba an’ilay izy aho raha tsy rehefa irery izahay.

 Tena saika tsy vitako ilay teny an-dalana nandritra ny adiny iray sy sasany, fa nalahelo be mihitsy aho. I Kaye amin’io mbola falifaly erỳ niresaka tamin’ilay mpivady anankiroa hafa hoe tsy andriny izay hahatongavan’i Davey satria efa ho avy hamangy anay indray izy. Be dia be mihitsy no nandefa SMS mba hampaherezana ahy nandritra an’izany. I Kaye anefa amin’io mbola tsy nahalala akory hoe ny zanany ange ka maty.

 Naterinay aloha ilay mpivady anankiroa niaraka taminay, dia avy eo izahay nody. Nojeren’i Kaye indray mandeha fotsiny aho dia tonga dia fantany hoe nisy zavatra nahatsiravina be nitranga. “Fa misy inona?”, hozy izy. Fantatro hoe izay teny holazaiko manaraka eo no handrotidrotika ny fon’i Kaye, hoatran’ilay nahazo ahy rehefa nandray an’ilay antso an-telefaonina adiny roa lasa teo.

Niezaka niarina

 Efa niatrika olana foana izahay sy Kaye taloha dia fantatray hoe manohana ny vahoakany i Jehovah. (Isaia 41:10, 13) Hafa mihitsy anefa ity zava-tsarotra indray mandeha ity! Tsy vitako mihitsy ny tsy hieritreritra hoe: “Fa maninona àry i Davey no tratran’izao, nefa izy aza nahavita be ho an’i Jehovah? Fa naninona àry i Jehovah no tsy niaro azy?”

 Nalahelo be mihitsy koa izy mianadahy zokin’i Davey. Hoatran’ireny maman’i Davey faharoa ireny mihitsy koa mantsy i Lauren, dia mafy be taminy ilay izy. Nalahelo be mihitsy koa i Michael. Efa dimy taona teo ho eo i Michael no tsy tao aminay, kanefa mba faly erỳ izy hoe nihamatotra ilay zandry keliny sady efa mba olon-dehibe.

 Nanohana anay foana ny fiangonana nandritra an’ireny fotoana ireny ary hatramin’ny voalohany mihitsy. Nankany an-tranonay ny namanay tao am-pivoriana dia nampahery sy nanampy anay, na dia tamin’ireny mbola kivy be ireny aza i Kaye. (Ohabolana 17:17) Tsy hohadinoiko mihitsy ny fitiavana nasehon-dry zareo.

 Notohizinay sy Kaye foana ny fahazaranay ara-panahy mba tsy ho kivy be loatra izahay. Nivavaka foana hoatran’ny mahazatra izahay dia nianatra Baiboly sy nivory foana. Tsy hoe afaka tanteraka aloha ny alahelonay e. Fantatray anefa hoe izany no hanampy anay ho akaiky an’i Jehovah foana, ary tena zava-dehibe izany.​—Filipianina 3:16.

Lauren sy Justin vadiny

 Nifindra teny akaikinay ry Michael sy Diana, dia i Lauren indray niverina tao amin’ny fiangonana anglisy nisy anay. Tafaraka daholo indray izahay nandritra ny taona vitsivitsy dia mba nanampy anay rehetra ho tafarina izany. Nanambady an’i Justin i Lauren, tatỳ aoriana. Tena nanohana be anay koa i Justin.

Ilay dia mafy indrindra nataonay

 Nisy zavatra hafa nataonay koa taoriana kelin’ny nahafatesan’i Davey, mba hahatonga anay tsy halahelo be intsony. Fanapahan-kevitra sarotra be ilay izy nefa lasa fitahiana ho anay indray tamin’ny farany. Aleo i Kaye no hitantara an’ilay izy.

 “Hoatran’ny hoe latsaka tao anaty lavaka maizin-kitroka be aho rehefa notenenin’ny vadiko hoe maty i Davey. Ela be mihitsy aho no tao amin’ilay lavaka. Nalahelo loatra aho dia saika tsy nahavita ny zavatra fanaoko isan’andro intsony. Nitomany foana aho. Dia tsoriko aloha fa imbetsaka aho no tezitra tamin’i Jehovah. Tezitra tamin’ny olon-kafa rehetra mbola velona koa aho. Lasa tsy nisaina tsara intsony aho.

 “Te handeha ho any amin’ny Repoblika Dominikanina aho. Tiako ho hita hoe taiza i Davey no nipetraka sy nanompo an’i Jehovah talohan’ny nahafatesany. Mbola nalahelo be anefa aho, dia tsapako hoe tsy ho vitako ilay dia.

 “Nisy namanay be izay niteny tamiko hoe malahelo be koa ny naman’i Davey any amin’ny Repoblika Dominikanina dia te hahita ny fianakavian’i Davey, hono, ry zareo. Nanohana be an’ahy ilay namako dia izany no nanome hery ahy handeha raoplanina.

 “Soa ihany izahay fa nandeha, fa tena nilainay mianakavy ilay izy. Gaga be izahay hoe hay tena tia fanompoana be mihitsy i Davey. Hozy ilay anti-panahy tao amin’ny fiangonan’i Davey hoe isaky ny manana anjara, hono, izy dia miantehitra amin’i Davey foana. Izy irery mantsy no anti-panahy tao.

 “Rehefa nandalo an’ilay lalana mankany amin’ny trano nipetrahan’i Davey izahay, dia nanatona anay ny olona dia niresaka ny zavatra tsara rehetra nataon’i Davey tamin-dry zareo. Efa fantatro foana aloha hoe tsara fanahy be izay zanako izay, kanefa tamin’io aho vao tena variana hoe tena nanaraka akaiky ny dian’i Jesosy ilay zanako.

Davey, tamin’izy nanitatra tany amin’ny Repoblika Dominikanina

 “Nihaona tamin’izay rangahy iray izay koa izahay. Mpianatra Baibolin’i Davey izy, ary marary dia tsy afa-miala eo am-pandriana intsony. Tranokely izay no ipetrahany, sady mahantra be izy. Hozy anefa ny naman’i Davey tao amin’ny fiangonana hoe tena nanaja be an’io rangahy io, hono, i Davey. Nirehareha erỳ aho naheno an’izany!

 “Io dia io no mafy indrindra tamin’ny dia nataoko hatramin’izay. Tena nanasitrana anay anefa ilay niara-ory tamin’ny olona rehetra nalahelo an’i Davey, dia niara-niresadresaka ny fanantenantsika amin’ny hoavy tamin-dry zareo. Mba nahatsiaro ho maivamaivana izahay tamin’ireny fotoana ireny.”

Nampahery anay ny ohatra navelan’i Davey

 Tantaraina ao amin’ny Mifohaza! 8 Janoary 2005 ny nahafatesan’i Davey sy ny fanompoany tany amin’ny Repoblika Dominikanina. Tsy nampoizinay mianakavy mihitsy tamin’izany hoe hay hisy vokany be amin’ny mpamaky io lahatsoratra io. Tamin’ny Mey 2019, ohatra, dia nisy an’izay rahalahy hoe Nick izay niantso anay dia hozy izy hoe:

 “Mbola teny amin’ny oniversite aho, tamin’ny faramparan’ny taona 2004, sady tsy nanana tanjona ara-panahy izany. Tsy sambatra koa aho. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho dia niangavy azy hanampy ahy mba hampiasa tsara ny fahatanorako. Taoriana kelin’izay aho no namaky ny tantaran’i Davey tao amin’ny Mifohaza! Iny no valin’ilay vavaka nataoko!

 “Niala teny amin’ny oniversite aho dia nanao mpisava lalana. Nametraka tanjona koa aho hoe hianatra teny espaniola, dia hifindra any amin’ny tany hafa. Afaka nanompo tany Nikaragoà aho, tatỳ aoriana, dia afaka nanao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana niaraka tamin’ny vadiko. Isaky ny misy olona manontany an’ahy hoe inona no nahatonga ahy hanao mpisava lalana dia tantaraiko an-dry zareo ilay tantaran’i Davey.”

 Mbola nisy zavatra hafa tsy nampoizinay koa, indray mandeha, tamin’izahay nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Buenos Aires, any Arzantina, tamin’ny 2019. Nihaona tamin’izay anabavy atao hoe Abi izay izahay tany. Izy no voatendry hanampy tao amin’ilay hotely nipetrahanay. Gaga be izahay fa tsara fanahy be izy sady be fitiavana. Tena nahatsiarovanay mivady an’i Davey mihitsy ilay toetoetrany.

Ny tantaran’i Davey no nahatonga an’i Abi hanompo manontolo andro sy hanitatra tany amin’ny faritany mitokana

 Nandefasanay ny rohin’ilay lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! miresaka ny tantaran’i Davey ilay rahavavy rehefa tonga tany amin’ilay hotely nipetrahanay izahay. Tsy ampy firy minitra dia namaly izy. Te hahita be anay, hono, izy dia nihaona tao amin’ny toerana fandraisan’olona izahay. Nitomany i Abi niteny taminay hoe ny ohatr’i Davey, hono, no nahatonga azy hanao mpisava lalana tamin’ny Septambra 2011, dia nahatonga azy hanitatra tany amin’ny faritany mitokana. Hozy izy: “Isaky ny misy olana aho any amin’ny faritaniko dia averiko vakina iny lahatsoratra iny.” Nanana an’ilay lahatsoratra mihitsy aza izy tamin’io tany aminy.

 Ireny no porofo hoe tena fianakaviana maneran-tany tokoa isika. Tsy misy vahoaka miray saina hoatran’ny vahoakan’i Jehovah mihitsy eto amin’ity tontolo ity.

 Nampahery be anay sy Kaye hoe nisy vokany be tamin’ny olon-kafa ny tantaran’i Davey. Hoatr’izany koa ny tanora rehetra miezaka mampitombo ny fanompoany an’i Jehovah. Tsy ampoizin’izy ireny mihitsy izao fa mahatonga ny hafa hanompo an’i Jehovah araka izay vitany koa ny zotom-pon’izy ireny sy ny ohatra avelany.

“Aminy dia velona daholo izy rehetra ireo”

 Naverin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 20:37 ilay tenin’i Jehovah hoe “Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba” i Jehovah. Tsy nilaza i Jehovah hoe tamin-dry zareo mbola velona ihany izy no Andriamaniny, fa hatramin’izao koa. Nahoana? Hoy i Jesosy eo amin’ny andininy 38: “Aminy dia velona daholo izy rehetra ireo.”

 Marina izany. Amin’i Jehovah tokoa dia mbola velona daholo ny mpanompony tsy nivadika rehetra. Izany no manaporofo hoe tena tapa-kevitra hanangana azy ireny izy. (Joba 14:15; Jaona 5:28, 29) Resy lahatra aho hoe izany koa no tsapan’i Jehovah amin’i Davey sy ny mpanompony rehetra nodimandry.

 Tena te hahita an’i Davey aho. Mbola misy zavatra iriko kokoa noho izany anefa. Tsy andriko izay hahitana an’i Kaye sy Davey hifankahita indray. Tsy mbola nahita olona nalahelo be hoatr’izany mihitsy mantsy aho hatramin’izay. Tena misy dikany be amiko ilay voalazan’ny Lioka 7:15 hoe: “Niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr’i Jesosy an-dreniny.”

 Nanao mpisava lalana niaraka tamin’i Kaye aho tamin’ny Septambra 2005. Mahafinaritra erỳ ilay miara-manao mpisava lalana amin’ny vadiko sy ny zanako ary ny vadin-dry zareo. Mifanohana izahay mianakavy kely dia miezaka mifantoka amin’ilay tontolo vaovao ho avy. Ho tafaraka amin’i Davey, ilay tsy foinay, indray izahay amin’izany!