Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

IRMA BENTIVOGLI | TANTARAM-PIAINANA

Manompo An’ilay Mpanome ny “Fanomezana Tsara Rehetra” Aho

Manompo An’ilay Mpanome ny “Fanomezana Tsara Rehetra” Aho

 Naneno ny fanairana hoe efa hisy baomba hipoaka, dia nentin’ny mamanay niafina haingana tao amin’izay saham-boankazo anankiray izay izaho sy ny zandriko lahy kely. Niafina tao ambany hazo izahay telo mianaka. Vao enin-taona aho tamin’izany, dia ilay zandriko lahy mbola notrotroina.

 Nentin’ny mamanay aho avy eo rehefa tsy nisy baomba nipoaka intsony, dia nandeha nitady an’izay namany anankiray izay izahay, kanjo maty nipoahan’ny baomba ilay namany. Mpinamana be mihitsy ry zareo. Nalahelo be mihitsy izahay tamin’izay. Nipoaka indray ny baomba andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Tonga dia nentin’ny dadanay aho, dia napetrany teo amin’ilay vy eo aloha tamin’ny bisikiletany, dia nirifatra mafy be niala tao amin’ilay tanànanay izahay.

 Nafana ny Ady Lehibe II teto Italia tamin’izany. Nanimba zavatra be ilay izy sady nampijaly be. Mbola tsy afaka ato an-tsaiko mihitsy ny zava-nitranga tamin’izany. Nisy zavatra hafa mbola tadidiko foana koa anefa sady izay no tena nanova ny fiainako. Inona izany? Olona mahafantatra an’i Jehovah sady tena tia azy daholo no nifanerasera tamiko tamin’izaho mbola kely ka hatramin’izao.

Nampianarin’i Jehovah ny marina momba azy

 Niasa tany amin’ny lalamby niaraka tamin’ny rangahy iray atao hoe Vincenzo Artusi i Dada, tamin’ny 1936, volana vitsivitsy talohan’ny nahaterahako. Ririnina tamin’izay, dia niara-nanala lanezy tamin’ny lalamby izy roa lahy. Mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Vincenzo tamin’izany, nefa efa tena tiany ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly, dia noresahiny tamin’i Dada.

 Tonga dia resy lahatra i Dada hoe marina ny zavatra noresahin’i Vincenzo. Te handalina bebe kokoa ny Baiboly izy sy ny olon-kafa vitsivitsy tao Faenza, ilay tanàna nipetrahanay tamin’izany. Mbola nenjehin’ny fitondrana fasista ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, dia tsy nahazo nanao fivoriana ho an’ny besinimaro. Nosamborina koa izay tratra nanana boky na gazety ara-baiboly. Nigadra ny Vavolombelona sasany. Tany amin’ny trano tsy dia nisy nahita tany ambanivohitra àry dadanay sy ny namany vitsivitsy no nifanao fotoana. Niara-namaky Baiboly ry zareo, dia niara-nandinika an’izay boky sy gazety nananany. Novorin’ny dadanay koa izahay tao an-trano isan-kerinandro rehefa harivariva, dia niara-nianatra Baiboly izahay.

Nahazo namana modely

 Tsy nogadraina intsony tamin’ny 1943 ny ankamaroan’ny Vavolombelona nigadra noho ny fivavahany. Anisan’izany ny rahavavy iray mpitovo atao hoe Maria Pizzato. Natory tao aminay indray alina izy tamin’izy handeha hody tany amin’ny faritra avaratr’i Italia. Tena nanampy be an’ireo Vavolombelona teto Italia izy mba hahafahan-dry zareo hahazo boky sy gazety sy hifandray foana amin’ny biraon’ny sampana tany Soisa. Ny biraon’ny sampana tany Soisa mantsy tamin’izany no niandraikitra ny asa fitoriana sy ny Vavolombelona teto. Hoatran’ny hoe marefo kely ny paozin’i Maria, nefa natanjaka be izy sady be herim-po. Tonga tany Faenza izy indraindray taorian’ny ady, dia faly be foana izahay rehefa tafaraka taminy.

 Nisy rahavavy anankiray izay koa tadidiko tsara. Albina Cuminetti ny anarany. Nipetraka tao amin’ilay trano nanaovanay fivoriana izy tamin’izaho mbola ankizikizy. Efa be taona Albina sady efa maty vady tamin’izany. Mpitory ny vaovao tsara manontolo andro teto Italia izy taoriana kelin’ny taona 1920. Nitantarany zavatra mahafinaritra be dia be momba ny asa fitoriana tamin’izany aho.

 Nanana boky sy gazetintsika be dia be i Albina sady nanana zavatra hafa manan-tantara momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanana an’ilay paingotra misy lakroa sy satroboninahitra, ohatra, izy. Paingotra nanaovan’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) ilay izy taloha. Fantatro hoe mbola nino ny fampianaran’ny mpanompo sampy ry zareo dia izay no nahatonga an-dry zareo hanao an’ilay paingotra. Gaga be aho nahita an’ilay izy sady nihomehy be! Dia nisy zavatra notenenin’i Albina tamiko tamin’izay. Tsy hadinoko mihitsy ny teniny. Naveriny tamiko ilay tenin’i Jehovah ao amin’ny Zakaria 4:10. Hoy izy: “Aza manao tsinontsinona ny andron’ny zavatra tsotsotra tany am-boalohany.”

Tamin’izaho 14 taona

 Nahatonga saina be ahy io teniny io. Tsy nahazo tsara ny fahamarinana ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany, nefa tsy tokony ho nanao tsinontsinona an-dry zareo aho. Mbola betsaka koa ny boky sy gazetintsika tsy voadika tamin’ny teny italianina tamin’izany, dia elaela ny mpiara-manompo sasany vao nahafantatra hoe hay efa nahitsy ny zavatra sasany nampianarina an-dry zareo. Faly anefa i Jehovah nahita ny ezaka nataon-dry zareo, dia tokony ho faly hoatr’izany koa aho.

 Zokiko be mihitsy i Albina, nefa tiako ny niresaka taminy. Tena modely ho ahy izy sy Maria ary ny rahavavy hafa. Nazoto be nanompo an’i Jehovah foana ry zareo na dia mafy aza ny zavatra niaretany. Faly be mihitsy aho hoe nifanerasera tamin’ireny rahavavy ireny.

Nasain’i Jehovah hiasa tao amin’ny Betela

 Nankany Roma aho tamin’ny 1955 mba hanatrika an’ilay fivoriambe hoe “Fanjakana Mandresy.” Nitsidika ny Betela niaraka tamin’ny mpanatrika fivoriambe avy any an-tany hafa aho tamin’izay, dia nieritreritra aho hoe: ‘Hoatran’ny tiako raha miasa ato aho!’

 Natao batisa aho tamin’ny 18 Desambra 1955. Mbola nianatra aho tamin’izany fa efa tapaka anefa ny hevitro hoe hanompo manontolo andro aho. Nisy fampandrenesana tamin’ny fivoriambe tany Gênes, tamin’ny 1956 hoe mila mpiasa an-tsitrapo ny Betela. Niteny anefa ny solontenan’ny sampana hoe ranadahy ihany no ilain-dry zareo.

 Piero Gatti a ny anaran’ny mpiandraikitra ny faritra nisy anay tamin’izany. Mafana fo be io ranadahy io sady mazoto manompo. Noresahiko taminy ilay tanjoko, dia izao no noteneniny: “Aleo hasaina tendren’ny sampana ho mpisava lalana manokana ianao.”

 Nisy taratasy tonga tokoa avy tany amin’ny sampana taorian’izay. Nieritreritra aho hoe taratasy manendry ahy ho mpisava lalana ilay izy. Tsy izay kay ilay izy fa taratasy manasa ahy hanao fangatahana hanompo any amin’ny Betela!

Miaraka amin’i Ilaria Castiglioni (mitsangana), mpandika teny niara-niasa tamiko teto amin’ny Betela, tamin’ny 1959

 Tonga teto amin’ny Betela aho tamin’ny Janoary 1958. Vao 12 fotsiny ny fianakavian’ny Betela tamin’izany. Roa ny mpandika teny, dia voatendry hanampy an-dry zareo aho. Be dia be ny asa nila natao nefa mbola tsy nandika teny izany mihitsy aho talohan’io! Nampian’i Jehovah anefa aho dia lasa tiako ilay asa nanendrena ahy, rehefa nandeha ny fotoana.

 Tsy ampy roa taona akory tatỳ aoriana anefa, dia nalamina ny asa fandikan-teny, dia notendrena ho mpisava lalana hiasa eny amin’ny saha aho. Gaga be aho satria efa tena tamana teto amin’ny Betela. Lasa tiako anefa ilay asa vaovao nanendrena ahy, rehefa nandeha ny fotoana. Hoatran’ny hoe fanomezana avy amin’i Jehovah ilay izy.

Nomen’i Jehovah namana mazoto mitory

 Lasa mpisava lalana manokana tany Crémone aho, tamin’ny 1 Septambra 1959. Doris Meyer ny anaran’ilay mpisava lalana notendrena hiaraka tamiko tany. Avy any Danemark i Doris. Zokiko kely fotsiny izy nefa efa tena nahay tsara ny asan’ny mpisava lalana. Tena hafa mihitsy izy satria nahay nandray andraikitra sady tsy kanosa fa sahisahy. Samy nila an’ireo toetra ireo izahay roa vavy satria izahay irery no Vavolombelona tao amin’ilay tanàna iray manontolo.

Niana-javatra be dia be avy tamin’i Doris (ankavia) sy Brunilde (ankavanana) aho. Ry zareo no voatendry ho mpisava lalana niaraka tamiko tany Crémone

 I Doris no tonga talohako tany Crémone, dia efa nandamina fivoriana tao amin’ny trano iray nohofana izy. Tonga dia tsikaritry ny mompera katolika anefa ny zavatra nataonay. Tezitra be ry zareo dia nanaratsiratsy be anay tamin’ny toriteniny.

 Voantso tany amin’ny polisy izahay indray mandeha. Tsy notazonin-dry zareo izahay fa nataony nazava tsara hoe tsy maintsy miala ao Crémone i Doris. Izy koa moa teratany vahiny. Dia nody tany Danemark izy. Mbola nanompo tsara an’i Jehovah izy rehefa tonga tany.

 Tsy ela taorian’izay, dia nisy rahavavy mpitovo atao hoe Brunilde Marchi voatendry tany Crémone. Rahavavy malemy fanahy sady mahafinaritra i Brunilde. Tia nitory sy nampianatra koa izy. Be dia be ny olona nampianarinay Baiboly tamin’izany, dia maromaro no lasa vahoakan’i Jehovah.

 Misaotra an’i Jehovah aho fa anisan’ny nandray anjara voalohandohany tamin’ny asa fitoriana tany Crémone. Efa misy fiangonana dimy any amin’izao!

Fitahiana tsy nampoizina

 Niantso ahy an-telefaonina ny biraon’ny sampana, indray mandeha. Efa roa taona latsaka kely aho tamin’izay no nipetraka tany Crémone. Hisy fivoriambe haharitra enina andro hoe “Mpivavaka Tafaray” ny Jolay 1961, dia be dia be ny zavatra nila nadika ho fanomanana an’ilay izy. Nantsoina hiasa teto amin’ny Betela indray àry aho. Faly be mihitsy aho, dia nitsambikimbikina be mihitsy! Tonga teto amin’ny Betela aho tamin’ny 1 Febroary 1961.

 Niasa be mihitsy izahay, nefa faly aho satria namokatra boky sy gazety ara-baiboly no nataonay isan’andro. Nandeha be mihitsy ny fotoana, dia tsy hitahita akory dia tonga ilay fivoriambe.

 Nisy fampandrenesana tamin’ilay fivoriambe hoe hadika amin’ny teny italianina Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nieritreritra aho tany an-tsaiko tany hoe: ‘Hisy asa be indray izany ao amin’ny Betela.’ Dia tena izay tokoa no nitranga. Nilazana aho hoe nampitomboana ny fotoana hijanonako ato amin’ny Betela. Mbola ato aho hatramin’izao, 60 taona mahery atỳ aoriana!

Tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny, 1965

Zava-tsarobidy hafa nomen’i Jehovah

 Nisy zavatra hafa sarobidy be nomen’i Jehovah ahy koa, sady mbola ananako hatramin’izao ilay izy. Inona izany? Ilay hoe tsy manambady. Tsoriko aloha fa efa nandalo tato an-tsaiko ihany ilay hoe hanambady. Nisy fotoana aza nampiasa saina be ahy mihitsy ny nieritreritra hoe: ‘Izaho ve izany dia tsy hanambady mihitsy?’ Dia noresahiko tamin’i Jehovah ilay izy satria izy irery no tena mahafantatra tsara ahy. Nangataka taminy aho mba hanampy ahy hahita hoe inona no tena mety amiko.

 Nisaotra an’i Jehovah aho avy eo satria lasa nazava kokoa tamiko ny andinin-teny toy ny Matio 19:11, 12 sy ny 1 Korintianina 7:8, 38. Nisaotra azy koa aho fa nataony nilamin-tsaina. Tsy nanenenako mihitsy ilay fanapahan-kevitra noraisiko hoe tsy hanambady. Faly aho fa afaka nanome ny tsara indrindra nananako ho an’i Jehovah noho io safidy nataoko io.

 Nisy fiovana be dia be tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny, rehefa nandeha teny ny fotoana. Nampiasa an’izay teknolojia vaovao nivoaka sy ny “fananan’ny firenena” mantsy ny fandaminan’i Jehovah. (Isaia 60:5) Vao mainka hita hoe iray ihany sady miray saina ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany noho ireny fiovana ireny. Lasa niara-nivoaka, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny italianina sy amin’ny teny anglisy, nanomboka tamin’ny 1985. Lasa misy lahatsoratra sy video amin’ny fiteny be dia be koa izao ao amin’ny jw.org, dia miara-mivoaka amin’ny lahatsoratra sy video amin’ny teny anglisy ny ankamaroany. Hita mihitsy hoe ataon’i Jehovah izay hampiray saina ny vahoakany. Ataony koa izay hahazoan-dry zareo sakafo ara-panahy amin’ny fotoana tena ilan-dry zareo an’izany.

 Tena nomen’i Jehovah fitahiana be dia be aho. Notendreny ho mpisava lalana manokana, ohatra, aho, dia afaka nanampy olona hifandray akaiky aminy. Notanterahiny koa ilay faniriako hoe hiasa ato amin’ny Betela. Nahazo namana isan-karazany aho tato. Ny sasany antitra, dia ny sasany tanora. Tsy mitovy kolontsaina sy fitaizana daholo koa izy rehetra. Fa nisy fitahiana niavaka be izay anefa azoko. Inona izany? Lasa mpanompon’i Jehovah vita batisa ny mamako, tamin’izy 68 taona. Tsy andriko izay hahitana azy sy ny fianakaviako hafa rehefa hatsangana ny maty.​—Jaona 5:28, 29.

 Tsy andriko koa ny hahita an’izay hataon’i Jehovah ho an’ny mpanompony amin’ny hoavy, rehefa hataony “vaovao ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 21:5) Matoky aho hoe homen’i Jehovah antsika foana ny “fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra” sady hataony be dia be.​—Jakoba 1:17.

Ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny izao

a Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2011, pejy 20-23 ny tantaram-piainan’i Piero Gatti.