Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JAY CAMPBELL | TANTARAM-PIAINANA

Nandady Tamin’ny Tany Taloha Nefa Nakarin’i Jehovah ho Lasa Ambony Be

Nandady Tamin’ny Tany Taloha Nefa Nakarin’i Jehovah ho Lasa Ambony Be

 Saro-kenatra be aho tamin’izaho mbola kely. Naleoko nijanona tao an-trano dia tsy nahita olona mihitsy. Matetika koa aho no nieritreritra hoe tsy nisy dikany aho. Rehefa teny imason’olona aho dia zara raha niresaka sady natahotra sao dia hataon’ny olona tsinontsinona na tsy hohajainy. Aleo horesahiko anareo ny tantarako.

 Tamin’ny Aogositra 1967, tamin’izaho herintaona sy tapany, dia nanavy be aho. Lasa nalemy tampoka ny tongotro ny ampitson’iny, nefa izaho zaza salama tsara hatramin’ny nahaterahako. Nentina nanao analizy tany amin’ny hopitaly iray tatỳ Freetown, atỳ Sierra Leone, aho satria tatỳ izahay no nipetraka. Tamin’izay no nahafantarana hoe voan’ilay aretina hoe lefakozatra aho. Avy amin’ny virosy io aretina io, ary lasa malemy izay olona voany, indrindra fa raha zaza latsaky ny dimy taona. Notsaboina ny tongotro fa tsy nety natanjaka mihitsy. Nihanalemy tsikelikely ny tongotro dia lasa tsy afaka nandeha na nitsangana intsony aho. Nolazain’i Dada fa “tapak’olona” foana aho satria nalemy. Ny nandady ihany no mba azoko natao, dia lasa nahatsapa aho hoe tsisy dikany sady tsy mba mahavita na inona na inona.

Nandady tamin’ny tany

 Nahantra be daholo ny olona tao amin’ilay tañnàna nipetrahanay sy Neny. Tian’ny olona tao aho, nefa i Dada tsy mba tia ahy mihitsy. Tiako anefa raha mba tia ahy koa izy. Nisy olona niteny hoe tsy aretina, hono, no mahazo ahy, fa nisy namosavy aho dia izay no nahatonga ahy halemy. Ny hafa indray nanoro hevitra an’i Neny hoe tokony hapetrany eny amin’ny varavaran’ireny trano fitaizana zaza sembana ireny, hono, aho, dia amin’izay izy tsy sahirana be amiko intsony. Tsy nety nanao an’izany anefa i Neny, fa niasa mafy foana izy mba hikarakarana ahy.

 Tsy afaka nitsangana na nandeha aho, dia tsy maintsy nandady. Naradratra be anefa ny vatako satria nikasokasoka tamin’ny tany sy tamin-javatra hafa. Nanao akanjo matevina be àry aho mba hiarovako ny tenako, dia nasiako kapa koa ny tanako mba hiarovana azy. Nahazo fitaovana tsara kokoa vita tamin’ny hazo aho tatỳ aoriana mba hiarovana ny tanako. Rehefa te handroso aho dia raisiko ilay izy dia apetrako amin’ny tany lavidavitra, dia ataoko mitodika any amin’ilay izy ny vatako. Akisako handroso any amin’ilay hazo ny tongotro sy ny lamosiko avy eo. Vita izay “dingana” iray izay, dia apetrako lavidavitra indray ilay hazo, dia hoatr’izay hoatr’izay foana. Niasa be mihitsy ny tanako sy ny sandriko tamin’ilay izy. Tena mafy be ilay izy sady nila ezaka be, dia lasa tsy dia nivoaka an’ilay tanàna nisy anay aho. Tsy mba afaka nianatra na nilalao niaraka tamin’ny ankizy aho. Nanahy be koa aho hoe ahoana no hiafarako raha sanatria ka maty i Neny.

 Nivavaka tamin’Andriamanitra aho dia nangatahiko izy mba hanampy ahy. Niangaviako koa izy mba tsy hamela ahy ho lasa mpangataka izany mihitsy. Nieritreritra aho hoe hanome an’izay ilaiko izy raha mifandray aminy sy manompo azy aho. Nandeha nivavaka tany amin’ny fiangonana iray teny akaikin’ilay tanàna nisy anay àry aho indray andro izay, na dia tena mafy tamiko aza ny nikisaka nankany. Tsy nahazo aina mihitsy anefa aho tao satria hafahafa ny fijerin’ny olona ahy. Tsy mba niarahaba tonga soa ahy akory ilay pasitera. Noteniteneniny koa i Neny satria teo amin’ny toerana efa nandoavan’olona vola aho no nipetraka. Tsy niverina tany intsony aho taorian’izay.

Nihaona tamin’ilay dadako any an-danitra

 Indray maraina izay, tamin’ny 1984, tamin’izaho 18 taona, dia niakatra tany ambony aho dia nankeo amin’ilay varavarankely fipetrahako isan’andro. Teo aho no nijery an’izay nitranga tany ivelany. Lasa indray anefa aho nidina dia nankeny an-tokotany. Matetika no tsy nisy olona teny. Nifankahita tamin’ny lehilahy roa nitory isan-trano aho rehefa tonga teny. Noresahin-dry zareo tamiko hoe ho tsara be ny hoavy, dia tsy halemy hoatr’izao intsony koa aho. Novakin-dry zareo ny Isaia 33:24 sy ny Apokalypsy 21:3, 4, dia avy eo aho nomeny an’ilay bokikely milokoloko hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! Nampanantena ry zareo hoe mbola hiverina dia hiresaka zavatra hafa indray.

 Rehefa niverina ry zareo, dia niteny tamiko hoe misy misionera vao tonga antsoina hoe Pauline, dia izy no hasain-dry zareo hiverina ao amiko amin’ny manaraka. Tonga tokoa i Pauline, dia lasa hoatran’ny reny sy zanaka mihitsy ny fifandraisanay rehefa nandeha ny fotoana. Nataon’i Neny hoe “mamako vaovao” i Pauline, dia nampirisihiny mihitsy aho hianatra Baiboly taminy. Tena tia ahy i Pauline. Tena nahafoy tena ho ahy izy, sady tsara fanahy sy nanam-paharetana tamiko. Tena niahy ahy koa izy dia nanontany foana hoe nanao ahoana aho. Nampianariny hamaky teny aho, dia nampianariny tamin’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Io boky io no nanampiany ahy hahafantatra an’ilay Dada be fitiavana sady tena tia ahy. Izay mihitsy ilay mba efa niriko hatramin’izay.

Niara-nianatra Baiboly tamiko i Pauline, misionera

 Tena faly be aho tamin’ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly. Nanontany an’i Pauline aho, indray andro izay, hoe izaho ve mba afaka manatrika an’ilay fivoriana hoe Fianarana Boky a ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah iray teny akaikinay mantsy ilay izy no natao. Nanaiky i Pauline. Dia tonga naka ahy izy ny Talata nanaraka, dia niandry ahy niomana teo. Nisy olona niteny tamiko hoe tokony hasaiko maka taxi, hono, i Pauline hitondra ahy any. Noteneniko anefa ry zareo hoe: “Handeha moramora amin’ireto fitaovako ireto aho ka!”

 Nojeren’i Neny sy ny mpiray tanàna taminay tsara aho tamin’izahay handeha hiainga, sady nanahy be ry zareo. Niantsoantso niteny an’i Pauline mihitsy aza ny sasany tamin’izaho nikisaka namakivaky ny tokotaninay hoe: “Terenao izy!”

 Nanontanian’i Pauline moramora aho hoe: “Tena te handeha ve ianao, ry Jay?” Afaka nampiseho tsara aho tamin’izay hoe tena natoky an’i Jehovah. (Ohabolana 3:5, 6) Novaliako izy hoe: “Ie! Izaho mihitsy ange no te handeha e!” Nangina daholo ry zareo sady niova dia lasa nampahery ahy indray, tamin’izaho hivoaka an’ilay tanànanay.

 Tena tiako be iny fivoriana iny! Tena tsara ilay izy! Niarahaba ahy daholo ny olona sady tsy nisy nanao fijery hafahafa na nanambany ahy. Tena nahazo aina tsara aho tamin’ilay izy. Nanomboka teo aho dia lasa nanatrika Fianarana Boky foana. Nanontany koa aho, taoriana kelin’izay, raha afaka manatrika ny fivoriana lehibe kokoa atao any amin’ny Efitrano Fanjakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahantra izahay tamin’izany, dia roa ihany ny akanjo aho mba azoko nisolosoloana, dia iray ihany ny kapa mba nananako. Fantatro anefa hoe tsy hisy hanilikilika ahy izany raha mbola vahoakan’i Jehovah. Dia izay tokoa no nitranga.

 Rehefa nankany amin’ilay Efitrano Fanjakana aho dia nandady hatreny amin’ny faran’ny lalana, dia teo indray aho no nandray taxi hatreny an-tampon’ilay havoana nisy azy. Rehefa niala tamin’ilay taxi aho, dia nobatain’ny anadahy niditra tany amin’ilay efitrano.

 Nahatsapa aho tamin’izay hoe nanandrana an’i Jehovah, dia nahita hoe tsara izy. Lasa te hialoka aminy aho, dia nanapa-kevitra hoe hivory tsy tapaka amin’izay. (Salamo 34:8) Rehefa avy ny orana dia lena be aho sady naloto rehefa tonga tany am-pivoriana. Tsy maintsy nisolo akanjo tamin’izany, nefa tsy nampaninona ahy izany satria nahaleo ny sarany ny vidiny!

 Noresahina tao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1985 ny tantarako. Namaky an’io tantarako io i Josette, Vavolombelon’i Jehovah tany Soisa. Rehefa avy namaky an’ilay izy izy dia nanapa-kevitra hoe handefasany seza misy kodiarana telo sady azo voizina amin’ny tanana aho. Nisy zavatra kely niaro ahy tamin’ny fotaka tamin’ilay izy, sady nisy fitaratra nilokoloko fijerena ny any aoriana. Tsy menamenatra be intsony aho rehefa nandehandeha. Faly erỳ ny ankizikely rehefa nahita ahy nitaingina an’ilay seza tsara tarehy. Tsy voatery nandady tamin’ny tany intsony aho. Hoatran’ny hoe tsinontsinona mantsy aho tamin’izany, fa avy eo aho lasa hoatran’ny hoe mpanjakavavy satria hajain’ny olona sady hasiany vidiny.

Nakarin’i Jehovah ho lasa ambony be

 Mora tamiko ny nandroso ara-panahy satria efa tsotra ny fiainako sady efa tsara fitondran-tena aho. Lasa afaka nandeha nanompo aho rehefa nanana an’ilay seza, dia natao batisa aho tamin’ny 9 Aogositra 1986. Lasa tsara be ny fiainako rehefa vita batisa aho, dia lasa hoatran’ny hoe ambony be tsy araka ny nieritreretako azy aho, ary mbola tsy nahatsiaro ho sambatra hoatr’izany aho hatrizay niainako. Falifaly aho tany anatiko tany sady afa-po. Nahatsapa koa aho hoe misy zavatra ilana ahy fa tsy hoe tsisy dikany aho. Ankoatra an’izay, dia lasa natoky tena koa aho. Inona no nahatonga an’izany rehetra izany? Satria aho lasa nanana Dada tena tia ahy sady nanana namana be dia be tena niahy ahy.

 Mba te hamaly fitia an’i Jehovah aho, dia nieritreritra hoe hanao mpisava lalana maharitra. (Salamo 116:12) Natahotra anefa aho hoe sao dia tsy ho vitako ilay izy. Nivavaka momba an’ilay izy aho dia avy eo tapa-kevitra hoe aleo andramana. Nanomboka nanao mpisava lalana aho tamin’ny 1 Janoary 1988, dia mbola mpisava lalana aho hatramin’izao. Tena fitahiana ho ahy ilay izy! Manana anadahy sy rahavavy be fitiavana aho, dia ry zareo no manampy ahy hahatratra ny tanjoko isam-bolana. Tsapako koa hoe nampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hanohanana ahy.​—Salamo 89:21.

 Lasa nandehandeha matetika kokoa aho tamin’izany satria lasa mpisava lalana. Nisy vokany tsara tamin’ny tongotro ilay izy, na dia mbola nalemy ihany aza aho. Nisy hopitaly vao nisokatra izay tany aminay, dia nandeha nankany aho. Nanantena aho tamin’izay hoe hasain-dry zareo manaraka fitsaboana indray dia hisy programa hasain-dry zareo arahiko koa mba hanatanjahana ny tongotro. Nisy mpitsabo mpanampy niteny tamiko anefa tao hoe tsy tokony hisahirana hankany intsony, hono, aho satria efa ho faty. Hoatr’izay koa no notenenin’ny namany anankiray hafa. Kivy be aho rehefa naheno an’izany, dia lasa nandeha nody. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hampiany tsy ho kivy be, dia mba hampiany hahita hevitra hafa hanatanjahana ny tongotro.

 Tena afaka nanatanja-tena tsara aho rehefa nandeha nanompo. Nandalo teo amin’ny Efitrano Fanjakana ny iray tamin’ilay mpitsabo mpanampy niteny hoe efa ho faty aho, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia gaga be izy nahita hoe mbola velona aho!

 Miezaka be mihitsy aho mba ho be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah, na dia malemy aza. Midera ahy foana ny anadahy satria tena mazoto aho sady tonga aloha any am-pivoriana. Miezaka ho tonga aloha foana mantsy aho, satria amin’izay mba afaka mifampiarahaba amin’ny anadahy sy rahavavy sady afaka mampiseho hoe tena miahy an-dry zareo.

 Nanandrana an’i Jehovah aho dia nahita hoe tsara izy. Be dia be mihitsy ny fitahiana azoko nandritra ny androm-piainako. Nanampy olona telo ho vita batisa aho. Nanatrika ny kilasy faha-137 amin’ny Sekolin’i Gileada ny iray amin-dry zareo. Amelia no anarany. Efa nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana im-be dia be koa aho. Tena fanomezana tsara be avy amin’i Jehovah io sekoly io! Nampian’i Jehovah aho mba ho falifaly kokoa sy hatoky tena. Hajain’ny olona aho izao, sady tsy menatra ny tenako intsony. Ankoatra an’izay, dia manana namana tsara be dia be koa aho ao amin’ny fandaminana, tsy eto Freetown ihany, fa eran’i Sierra Leone sy maneran-tany mihitsy.

 Efa ho 40 taona lasa aho izay no nahafantatra an’ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hanao tontolo vaovao izy dia tsy hisy olona malemy intsony ao. Mbola mampahery ahy foana io fampanantenana io, sady efa tsy andriko ny hahatanterahany. Vonona hiandry an’i Jehovah aho satria fantaro hoe tsy maintsy hotanterahiny ilay izy. (Mika 7:7) Tsy kivy mihitsy aho na dia miaritra ny mafy aza satria be dia be ny fitahiana efa azoko. Efa nanampy ahy tamin’ny olana rehetra natrehiko i Jehovah, sady tamin’ny fotoana nety izy no nanao an’izany. Tena faly aho sady mitsikitsiky lalandava satria nandady tamin’ny tany aho no noraisin’i Jehovah, dia nakariny ho lasa ambony be lavitra noho izay noeritreretiko.

a Antsoina hoe Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana io fivoriana io izao.