MILES NORTHOVER | TANTARAM-PIAINANA
Namaly Soa ny Asan’ny Tanako i Jehovah
Nanohana ny fandaminan’i Jehovah foana ny ray aman-dreniko hatramin’izay. Nisy fotoana, ohatra, ny Betelan’i Londres te hamokatra ronono ho an’ny fianakavian’ny Betela, dia nataon’i Dada fanomezana ho an-dry zareo ny zanak’ilay ombivavy iray mba nompianay. Nataonay vazivazy foana tamin’izany hoe io omby kely io izany no voalohany nanompo tany amin’ny Betela tao amin’ny “fianakavianay.” Lasa te hanao izay tsara indrindra vitako amin’ny fanompoana an’i Jehovah aho rehefa nahita ny modelin’ny ray aman-dreniko. Tsy tiako ‘havela haka aina’ mihitsy ny tanako. (Mpitoriteny 11:6) Dia tena navelan’i Jehovah hampiasa ny tanako tamin’ny fomba tsy nampoiziko tokoa aho, sady novaliany soa ny ezaka nataoko. Aleo fa hotantaraiko anareo ny tantarako.
Tany ambanivohitr’i Angletera, tany akaikin’ny tanànan’i Bicester, Royaume-Uni, no lehibe izaho sy ny zokiko mianadahy. Nanofa tranokely teo amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana anankiray izay ny ray aman-dreniko. Lasa nanao mpisava lalana hoatran’izy mianadahy zokiko aho tamin’izaho 19 taona, dia tatỳ aoriana voatendry ho mpisava lalana manokana tany Ekosy. Voasa hanompo tao amin’ny Betelan’i Londres aho avy eo tamin’ny 1970, tamin’izaho 23 taona. Tany no nahafantarako an’izany hoe tenin’ny tanana izany. Niova be ny fiainako nanomboka teo, sady lasa tena nahafinaritra sy nahafa-po.
Nianatra tenin’ny tanana
Ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Mill Hill no nanendrena ahy, tamin’izaho tao amin’ny Betela. Maromaro ny Vavolombelona marenina tao. Tsy tiako raha hoe hisakana anay tsy ho mpinamana ilay izahay tsy afaka mifampiresaka, dia tapa-kevitra aho hoe hiara-mipetraka amin-dry zareo rehefa ao am-pivoriana.
Mbola tsy nisy fiangonana tenin’ny tanana tamin’izany teto Grande-Bretagne. Nanatrika fivoriana amin’ny teny anglisy ny marenina, dia rahalahy sy anabavy mandre no nandika ny fandaharana tamin’ny tenin’ny tanana. Nadikan-dry zareo ara-bakiteny ny teny anglisy tsirairay sady ny fitsipi-pitenenana anglisy no narahin-dry zareo. Rehefa nampianarin’ireo rahalahy sy anabavy marenina tenin’ny tanana anefa aho, dia hitako hoe manana ny fitsipi-pitenenany manokana mihitsy ry zareo sady hafa ny filahatry ny teniny. Teny vahiny kay, raha ny marina, ny teny anglisy, amin-dry zareo! Vao mainka aho lasa tia sy nanaja an’ireo namako marenina ireo rehefa nahafantatra an’izany, satria ry zareo tonga nivory foana. Tapa-kevitra koa aho hoe tena hiezaka mafy mba hahay tenin’ny tanana.
Ny Tenin’ny Tanana Anglisy, na BSL, no teny ofisialy ampiasain’ny marenina atỳ Grande-Bretagne. Nianatra nampiasa an’io fiteny efa mivoatra be io ny mpandika teny tao am-pivorianay rehefa nandeha ny fotoana, fa tsy nampiasa teny anglisy miaraka amin’ny fihetsika intsony. Nanomboka nandray soa kokoa tamin’ny fivoriana ny marenina, vokatr’izay. Lasa tafaray kokoa tamin’ireo mpiara-manompo aminy mandre koa ry zareo. Hitako hoe tena notahin’i Jehovah ny fanompoana amin’ny tenin’ny tanana, rehefa mandinika an’izay 50 taona lasa izay aho. Aleo hotantaraiko anareo ny fandrosoana niavaka sasany mba navelan’i Jehovah handraisako anjara.
Niroborobo be ny fanompoana amin’ny tenin’ny tanana
Nisy soso-kevitra nomen’ny rahalahy marenina iray atao hoe Michael Eagers tamin’ny 1973. Niteny izy hoe sao dia mba asiana fivoriana amin’ny BSL amin’izay. Vao herintaona teo ho eo aho tamin’izay no voatendry ho anti-panahy. Nanaiky ny biraon’ny sampana hoe afaka mandamina fivoriana amin’ny tenin’ny tanana indray mandeha isam-bolana izaho sy ilay anti-panahy iray izay. Tany Deptford, any atsimoatsinanan’i Londres, ilay izy no natao.
Tena tsy nampino ny vokany! Nisy Vavolombelona marenina avy any Londres sy avy any amin’ny faritra maromaro any atsimoatsinanan’i Angletera tonga nanatrika an’ilay fivoriana voalohany tamin’ny BSL. Ela ny ela fa nahazo fanazavana ara-baiboly tamin’ny fiteniny ihany ireo rahalahy sy anabavy ary olona liana marenina. Nifampitantara zavatra mampahery sy niara-nihinana tsakitsaky kely izahay rehefa vita ilay fandaharana. Afaka nanao fitsidihan’ny mpiandry ho an’ireo mpiara-manompo nila fampaherezana koa aho.
Lasa nisy fivoriana amin’ny tenin’ny tanana koa tany Birmingham sy Sheffield, rehefa nandeha ny fotoana. Betsaka ny rahalahy sy anabavy mandre nanatrika an’ireny fivoriana ireny satria te hianatra BSL. Maro tamin-dry zareo tatỳ aoriana no nanampy tamin’ny fitoriana amin’ny tenin’ny tanana, ka lasa nitatra nanerana an’i Angletera ilay izy.
Nahita namana hiaraka hamakivaky ny fiainana
Nihaona tamin’ny anabavy mahafatifaty atao hoe Stella Barker aho tamin’ny 1974. Mpisava lalana manokana tao amin’ny fiangonana iray tsy lavitra ny Betela izy. Nifankatia izahay dia nivady tamin’ny 1976. Niara-nanao mpisava lalana manokana izahay sy Stella avy eo. Tany Hackney, any Londres Avaratra, ny fiangonana nisy anay. Lasa niara-nanompo tamiko tao amin’ny faritany mampiasa tenin’ny tanana i Stella tany. Rehefa mandinika ny lasa aho, dia tsy misalasala mihitsy miteny hoe tsara fiandohana ny tokantranonay satria izahay mivady niara-nanao mpisava lalana.
Nasaina hiasa an-tsitrapo tao amin’ny Betela izahay sy Stella, tsy ela taorian’izay. Tena feno ny fandaharam-potoananay! Nanao mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana koa mantsy aho, sady nampianatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Natao ho an’ny anti-panahy io sekoly io. Tatỳ aoriana, rehefa nadika tamin’ny tenin’ny tanana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny teny anglisy, dia anisan’ny nandamina an’izany koa aho. Tena namizana ny andro sasany, nefa nahafinaritra sy namelombelona koa.—Matio 11:28-30.
Teraka i Simon sy Mark, zanakay roa lahy, tamin’ny 1979 sy 1982. Nahafinaritra be ilay nitaiza, nefa lasa niampy indray ny andraikitray. Dia ahoana no nataonay? Nanapa-kevitra izahay sy Stella hoe rehefa mila mandeha lavitra aho amin’ny andraikitra anendrena ahy, dia handeha daholo izahay mianakavy, amin’izay mba afaka miara-miala voly koa. Tianay ho tsapan’ny zanakay hoe tena sambatra izahay manompo an’i Jehovah! Dia nisy vokany tokoa ilay izy. Rehefa nihalehibe mantsy izy roa lahy, dia tsy vitan’ny hoe nianatra tenin’ny tanana fotsiny fa nanomboka nanao mpisava lalana koa. Lasa nanompo tao amin’ny Betela avy eo i Simon sy Mark, 40 taona teo ho eo taorian’ny nanombohan’ilay ombikelin-dry dadanay ny “fanompoany” tao. Faly tsy nisy hoatr’izany izahay!
Niezaka nanampy an’ireo olona marenina
Mbola tsy nisy anti-panahy marenina mihitsy teto Grande-Bretagne na dia efa taorian’ny 1990 aza. Mpikarakara fiangonana ihany no nisy. Tsy maintsy nandinika sy nanapa-kevitra àry ireo anti-panahy mandre nefa tsy mahay tenin’ny tanana hoe nisy tamin’ireny rahalahy ireny ve ‘nahay mampianatra’ ka afaka ny ho lasa mpiandraikitra. (1 Timoty 3:2) Anisan’ireo rahalahy marenina mpikarakara fiangonana ny rahalahy iray atao hoe Bernard Austin. Tao amin’ny fiangonana miteny anglisy no nisy azy. Tena nikarakara ny ondrin’i Jehovah izy, dia nanaja be azy ny mpiara-manompo. Faly erỳ aho naheno hoe voatendry ho anti-panahy i Bernard! Izy no anti-panahy marenina voalohany teto Grande-Bretagne.
Nisy zava-nitranga tena niavaka tamin’ny 1996. Neken’ny sampana hoe hasiana fiangonana tenin’ny tanana amin’izay eto Grande-Bretagne. Tany Ealing, any Londres Andrefana, no nisy azy io. Mbola nisy fandrosoana hafa koa taorian’izay.
Nandray soa tamin’ny fivoriana kristianina rehetra
Niara-niasa tamin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana tao amin’ny Betela aho teo anelanelan’ny 1980 sy 2000. Tany an-tranonay aho no niasa, dia namaly fanontaniana momba ny fiangonana sy ny fanompoana amin’ny tenin’ny tanana no nataoko. Nanoratra tany amin’ny sampana indraindray ireo rahalahy, dia nanontany hoe ahoana no hanampian-dry zareo ny marenina mba ho azony tsara ny lahateny amin’ny teny anglisy any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe. Mbola tsy nisy fandaharana ofisialy hoe handikana ny fivoriambe tamin’ny tenin’ny tanana tamin’izany, sady mbola tsy nisy boky sy gazety ho an’ny marenina koa. Tsy maintsy nampirisihiko hanam-paharetana sy hiandry an’i Jehovah àry ireo rahalahy, na ny mandre izany na ny marenina.
Tsy matiantoka mihitsy izahay niandry! Tsy ela mantsy ny sampana dia nanao fandaharana hoe adika amin’ny tenin’ny tanana ny fivoriana sy fivoriambe amin’ny teny anglisy. Tsy vitan’izay fa nasaina nipetraka teny aloha ny marenina, amin’izay samy hitan-dry zareo tsara na ny mpandahateny na ny mpandika teny. Tsapan’ireo rahalahy sy anabavy marenina hoe tena tia an-dry zareo i Jehovah, ary anisan’ny fianakaviany ry zareo sady sarobidy.
Tamin’ny 1 Aprily 1995 no nisy fivoriambe manokana voalohany tamin’ny tenin’ny tanana. Tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tany Dudley, any Midlands Andrefana, ilay izy no natao. Ny Rahalahy David Merry, mpiandraikitra ny faritra teo aloha, no nandamina an’ilay fivoriambe, dia izaho no nanampy azy. Nanao dia lavitra an-jatony kilaometatra ny Vavolombelona marenina sasany mba hanatrehana an’ilay fandaharana. Tao ny avy any avaratra, any Ekosy, dia tao ny avy any atsimoandrefana, any Cornwall. Mbola tadidiko ny hafalianay rehetra rehefa hoe nahatratra 1 000 mahery ny mpanatrika an’iny fivoriambe manan-tantara iny.
Nasain’ny sampana nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny BSL ho an’ny taona 2002 izahay sy ny Rahalahy Merry, tamin’ny 2001. Asa be ilay izy! Notahin’i Jehovah anefa ny ezaka nataon’ireo mpiasa an-tsitrapo be dia be nikarakara an’ilay fivoriambe, dia vita soa aman-tsara ihany ilay izy sady tsy hohadinoinay mihitsy! Nanana tombontsoa hikarakara fivoriambe amin’ny tenin’ny tanana foana aho taorian’izay. Taona maromaro no nanaovako an’izany, fa avy eo i Jehovah nanendry rahalahy tanora kokoa sy mahay tsara mba hanao an’ilay asa.
Video ho an’ny marenina
Faly be izahay tamin’ny 1998 rehefa nivoaka tamin’ny BSL ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?—Kasety Video. Io no boky voalohany amin’ny BSL navoakan’ny fandaminan’i Jehovah, ary mbola betsaka ny taorian’io. Lasa nanana fampianarana Baiboly be dia be izahay rehefa nampiasa an’io bokikely io.
Tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2002 no nadika voalohany tamin’ny BSL ny hira tany amin’ny fivoriambe. Mba afaka “mihira” an’ireo tonony mahafinaritra be ao anaty fihiranantsika amin’izay izao ireo rahalahy sy anabavy marenina. Manaraka ny ataon’ilay mpandika teny fotsiny ry zareo. Na ilay gadon-kira mampientanentana aza lasa tsapan-dry zareo. Mbola tadidiko izay anti-panahy marenina iray izay. Faly loatra izy dia latsaka mihitsy ny ranomasony tamin’izy nanao voalohany ny hiran’ilay Fanjakana!
Mbola nisy zava-baovao hafa koa tamin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2002. Voasa hamokatra tantara an-tsehatra alaina video ny fiangonana tenin’ny tanana tao Londres. Ahoana no hahavitanay an’izany nefa izahay tsy nanana traikefa mihitsy? Mbola nanampy anay indray i Jehovah tamin’io, dia nataony nahita rahalahy mahay maka video sy mikirakira an’izany izahay. Nivoaka tsara mihitsy ilay tantara an-tsehatra avy eo! Tena nahasoa ahy koa ny traikefa azonay tamin’iny. Lasa nisy famokarana tantara an-tsehatra alaina video mantsy tao amin’ny Betela, mba hampiasaina amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra BSL. Dia mba nahazo tombontsoa hiandraikitra an’ilay izy aho nanomboka tamin’ny 2003 ka hatramin’ny 2008.
Tena tianay sy Stella ilay nanompo tao amin’ny Betela niaraka tamin’ny zanakay. Fa mafy aloha ny asa e! Herinandro maromaro vao vita ny famerenana sy ny fakana video, dia samy reraka be daholo na ny mpilalao na ny ekipa mpamokatra. Tsy ny vatana ihany no vizana fa na ny saina koa aza. Tsy very maina anefa ny ezaka nataonay! Tsy omby tratra ny hafalianay rehefa nahita hoe lasa hoatran’ny tena izy mihitsy no fahitan’ireo rahalahy sy anabavy marenina an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly nolalaovina. Betsaka tamin-dry zareo no latsa-dranomaso.
Tsy nijanona hatreo ny fanomezana azonay avy amin’i Jehovah. Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana gazety fianarana amin’ny BSL izahay tamin’ny 2015, dia avy eo nivoaka ny bokin’i Matio tamin’ny 2019. Video daholo ireo. Manana ny Soratra Grika Kristianina manontolo izao izahay, ary efa eo am-pikarakarana azy koa ny Soratra Hebreo. Misaotsaotra an’i Jehovah erỳ ireo rahalahy sy anabavy marenina!
Vahoakan’i Jehovah isika, dia ao anatin’ny fianakaviana iray daholo. Be fitiavana sy tsy manavakavaka hoatran’ilay Raintsika any an-danitra io fianakaviana misy antsika io. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Mbola variana foana izahay mianakavy hatramin’izao rehefa mandinika ny fotoana sy ny hery ary ny vola lanin’ny fandaminantsika mba hanampiana ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ny marenina sy ny jamba. a
Tsy very maina mihitsy ireny ezaka ireny, satria efa maromaro izao ny fiangonana tenin’ny tanana eto Grande-Bretagne. Tena faly sy afa-po aho hoe mba nandray anjara tamin’io fitomboana io nanomboka tamin’izy mbola “zava-madinika.” (Zakaria 4:10, fanamarihana ambany pejy) Tsy nisy anefa izany raha tsy teo i Jehovah. Izy no mitarika ny fandaminany. Izy no manome fitaovana ahafahan’ny mpanompony mitory ny vaovao tsara amin’ny karazan’olona rehetra. Dia mbola izy koa no mampitombo ny voan’ilay Fanjakana ao am-pon’izay mendrika.
a Jereo ilay hoe “Fomba Ampiasana ny Fanomezanao: Soratra Mivohitra Manova Olona.”