TAPANI VIITALA| TANTARAM-PIAINANA
Manampy ny Olona Marenina Aho Satria Izay no Efa Faniriako
Tamin’izaho nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany, dia nasehon-dry zareo ahy ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe “hatao mandre ny sofin’ny marenina.” (Isaia 35:5) Izaho anefa vao teraka dia efa marenina. Tsy mbola naheno feo mihitsy aho hatrizay niainako, dia sarotra tamiko ny naka sary an-tsaina feo. Noho izany dia tsy dia tena nisy vokany tamiko io fampanantenana io. Nahaliana kokoa ahy ilay fampanantenana nasehon-dry zareo tao amin’ny Baiboly hoe hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tsy rariny rehetra, ny ady, ny aretina, ary na ny fahafatesana aza. Lasa te hizara mafy dia mafy ny zavatra nianarako tamin’ny marenina hafa aho, rehefa nandeha ny fotoana.
Teraka tamin’ny 1941 aho. Nipetraka tany Virrat, atỳ Failandy, ny fianakaviako. Be dia be amin’ny havanay no marenina. Marenina koa ny ray aman-dreniko sy ny zandriko lahy ary ny zandriko vavy. Tenin’ny tanana no nifampiresahanay tao an-trano.
Nianatra zavatra tsara be avy tao amin’ny Baiboly
Tao amin’ny sekoly kilasimandry iray tany amin’ny 240 kilaometatra teo ho eo avy tany an-trano aho no nianatra. Tsy azo natao ny nampiasa tenin’ny tanana tao amin’ilay sekoly. Noterena hianatra ny fitenin’ny olona rehefa miresaka izahay, sady noterena hianatra mamaky molotra. Hoatr’izay daholo no natao tany amin’ny sekoly ho an’ny marenina tatỳ Failandy tamin’izany. Raha vao hitan’ny mpampianatra nanao tenin’ny tanana izahay, dia nokapohiny mafy be tamin’ny fanipihana na tamin’ny hazo lavalava ny rantsantananay dia nivonto nandritra ny andro maromaro mihitsy.
Rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise, dia nianatra momba ny fambolena sy ny fiompiana tany amin’ny oniversite aho, satria nanana toeram-pambolena sy fiompiana i Dada sy Neny. Nahita gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! teo ambony latabatra aho rehefa nody tany an-trano. Niteny tamiko i Dada hoe manazava zavatra tsara be avy ao amin’ny Baiboly ireo gazety ireo. Niteny koa izy hoe misy mpivady tsy marenina mampianatra Baiboly azy sy Neny. Nampiasa taratasy sy stylo ry zareo rehefa niresaka tamin’i Dada sy Neny.
Niteny tamiko i Dada hoe ho lasa paradisa tsara tarehy ny tany rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hatsangana koa ny maty. Nampianarina ahy foana anefa hatramin’izay hoe mankany an-danitra ny olona rehefa maty. Nieritreritra aho hoe tsy azon’i Dada tsara angamba ny tian’ireo Vavolombelona holazaina satria tsy tenin’ny tanana no niresahan-dry zareo taminy.
Rehefa tonga nitsidika an’i Dada sy Neny indray ilay mpivady, dia nanontaniako an-dry zareo ilay zavatra notenenin’i Dada. Hoy ry zareo hoe: “Tsy diso ny dadanao ka!” Nasehon-dry zareo ahy avy eo ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:28, 29. Nolazalazain-dry zareo hoe ahoana no hanesoran’Andriamanitra ny zava-dratsy rehetra eto an-tany. Niteny koa ry zareo hoe hiaina mandrakizay ny olona, dia ho salama tsara daholo sady hiadana.—Salamo 37:10, 11; Daniela 2:44; Apokalypsy 21:1-4.
Nahaliana ahy ilay izy dia nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona iray antsoina hoe Antero aho. Tsy marenina izy sady tsy nahay tenin’ny tanana, dia nanoratra tamin’ny taratasy aho rehefa hamaly ny fanontaniana tao amin’ilay boky fianarana. Novakin’i Antero izay nosoratako, dia avy eo izy nanoratra fanontaniana fanampiny na fanazavana. Hoatr’izay foana no nataonay rehefa nianatra, dia naharitra adiny roa isan-kerinandro ilay fianarana. Tena nanam-paharetana i Antero nampianatra ahy.
Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny 1960. Nadika tamin’ny tenin’ny tanana ilay fandaharana tamin’izay. Nampandrenesina ny zoma hariva hoe hisy batisa ny ampitson’io. Nitondra akanjo fentina milomano sy servieta àry aho ny Asabotsy maraina, dia natao batisa! a Natao batisa koa i Dada sy Neny sy ny zandriko roa taoriana kelin’izay.
Nizara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
Tiako hozaraina tamin’ny marenina hafa ny zavatra nianarako, dia ny tenin’ny tanana no fomba nety indrindra azoko niresahana tamin-dry zareo. Ny marenina tao amin’ny tanànanay aloha no nitoriako, ary nazoto be aho nanao an’izany.
Nifindra tany amin’ilay tanàn-dehibe feno orinasa antsoina hoe Tampere aho taoriana kelin’izay. Nitety tranon’olona aho mba hitadiavana marenina, dia nanontaniako ilay olona sao dia mahafantatra olona marenina izy. Nahita olona maromaro hampianarina Baiboly aho, dia lasa nisy mpitory marenina folo tao Tampere, taona vitsivitsy fotsiny taorian’izay.
Nihaona tamin’ny anabavy tsara tarehy antsoina hoe Maire aho tamin’ny 1965, dia nivady izahay ny taona nanaraka. Nianatra tenin’ny tanana izy dia vetivety dia nahay. Tena namana mahay sady tsy mivadika i Maire. Niara-nanompo an’i Jehovah nandritra ny 50 taona izahay roa.
Niteraka lahikely izahay, roa taona taorian’ny mariazinay. Marko no anarany, ary tsy marenina izy. Nianatra teny failandey izy tao an-trano, sady nianatra tenin’ny tanana failandey koa. Natao batisa i Marko tamin’izy 13 taona.
Rehefa nandeha ny fotoana dia be dia be no tonga nanampy an’ilay antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana nisy anay tao Tampere. Nifindra tany Turku àry izahay tamin’ny 1974. Mbola tsy nisy Vavolombelona marenina tany tamin’izany. Nitety trano indray izahay mba hitadiavana marenina. Nanana mpianatra Baiboly maromaro aho tany Turku, ary 12 tamin-dry zareo no natao batisa tamin’izahay tany.
Asa tany Estonia sy Letonia ary Litoania
Voasa hanompo tany amin’ny Betela i Marko tamin’ny 1987. Efa natanjaka tsara ilay antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana nisy anay tany Turku tamin’izay, dia nieritreritra ny hifindra indray izahay.
Nanomboka nalalaka ny fitoriana tany Eoropa Atsinanana tamin’izany. Nandeha nankany Tallinn any Estonia àry izaho sy ny rahalahy marenina iray, tamin’ny Janoary 1992.
Niresaka tamin’ny anabavy kristianina iray manana anadahy marenina izahay tany. Na dia tsy liana tamin’ny fahamarinana aza io lehilahy io, dia tsara fanahy taminay izy dia nanampy anay hifandray tamin’ny marenina estonianina be dia be. Nentiny tany amin’ny fivoriana iray nalamin’ny Fikambanan’ny Marenina any Estonia tany Tallinn izahay, tamin’ny alina farany nijanonanay tany. Tonga aloha izahay, dia nofenoinay boky sy gazety tamin’ny teny estonianina sy rosianina ny latabatra iray. Nahapetraka boky 100 sy gazety 200 teo ho eo izahay, dia nahazo adiresy 70 teo ho eo. Fototra tena tsara ho an’ny fitoriana amin’ny tenin’ny tanana tany Estonia io hariva io!
Lasa nandeha tsy tapaka tany Estonia izahay sy Maire mba hitory, tsy ela taorian’izay. Nahenanay ny ora niasanay dia nanao mpisava lalana maharitra izahay. Nifindra tany akaiky kokoa, tany Helsinki, izahay tamin’ny 1995, dia amin’izay mora kokoa aminay ny nandeha baka nankany Tallinn. Tsara lavitra noho izay noeritreretinay ny fanompoanay tany Estonia!
Nanana mpianatra Baiboly be dia be araka izay vitanay izahay, dia natao batisa ny 16 tamin-dry zareo, anisan’izany ny vehivavy roa mpirahavavy sady jamba no marenina. Nataoko tamin’ny tenin’ny tanan’ny jamba sy marenina ny fianaran’izy mirahavavy, izany hoe raisina ny tanan-dry zareo dia manao tenin’ny tanana.
Tsy mora ny nampianatra olona marenina. Tsy mbola nisy tamin’ny tenin’ny tanana ny bokintsika tamin’izany, dia ny sary mahaliana tao anatin’ny bokintsika no tena nampiasaiko. Natambatambatro tao anaty boky iray daholo ireny sary ireny, dia ireny no nasehoko rehefa nampianatra Baiboly.
Nasain’ny biraon’ny sampan’i Failandy nitsidika an’i Letonia sy Litoania aho, mba hijery hoe inona no azo atao mba hanampiana ny olona marenina tany. Nitsidika an’ireo firenena ireo imbetsaka izahay, dia nanampy ny Vavolombelona tany mba hitady marenina. Samy manana ny tenin’ny tanana ampiasainy ny ankamaroan’ny firenena, dia nianatra ny tenin’ny tanana ampiasaina any Estonia sy Letonia ary Litoania aho. Nianatra Tenin’ny Tanana Rosianina kely koa aho satria io no ampiasain’ny Rosianina marenina mipetraka any amin’ireo firenena ireo.
Nivezivezy nankany Estonia sy Letonia ary Litoania foana izahay. Rehefa nahavita an’izany nandritra ny valo taona izahay dia nampalahelo fa nolazain’ny dokotera izahay hoe voan’ny aretina Parkinson i Maire. Tsy afaka nandeha intsony izahay.
Fandaharana natao mba hanampiana ny marenina
Nanomboka nisy ekipa mpandika teny tamin’ny tenin’ny tanana tao amin’ny Sampan’i Failandy tamin’ny 1997. Tsy lavitra teo izahay sy Maire no nipetraka, dia afaka nanampy tamin’ny fanomanana boky sy gazety amin’ny tenin’ny tanana. Mbola manao an’izany tsindraindray aho amin’izao. Niara-niasa tamin’i Marko, zanakay lahy, izahay tamin’izany. Lasa nanampy tamin’ny fampiofanana ekipa mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana tany amin’ny firenena hafa i Marko sy Kirsi vadiny, tatỳ aoriana.
Ankoatra an’izay dia nandamina kilasy fianarana tenin’ny tanana ho an’ny mpitory tsy marenina koa ny biraon’ny sampana. Vokatr’ireny fianarana ireny dia be dia be no nifindra tany amin’ny antoko-mpitory na fiangonana amin’ny tenin’ny tanana. Lasa afaka manampy amin’ny fitoriana sy amin’ny fivoriana ary amin’ny andraikitra eo anivon’ny fiangonana ireny mpitory ireny.
Mbola tena te hanampy foana aho hatramin’izao
Niforona tany Helsinki ny fiangonana voalohany amin’ny tenin’ny tanana tatỳ Failandy, tamin’ny 2004. Nandray anjara tamin’izany izahay sy Maire. Lasa natanjaka sy nazoto sady be mpisava lalana io fiangonana io tao anatin’ny telo taona.
Nanomboka nieritreritra ny hifindra tany amin’ny toerana mbola nila fanampiana indray izahay. Nifindra tany akaikin’i Tampere izahay tamin’ny 2008, dia niverina tao amin’ilay antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana nilaozanay 34 taona talohan’izay. Lasa fiangonana indray io antoko-mpitory io, herintaona tatỳ aoriana, ary io no fiangonana amin’ny tenin’ny tanana faharoa tatỳ Failandy.
Niharatsy niharatsy ihany ny fahasalaman’i Maire. Nokarakaraiko tsara izy, mandra-pahafatiny tamin’ny 2016. Malahelo be azy aho, dia efa tsy andriko ny hahita azy indray ao amin’ilay tontolo vaovao tsy hisy aretina intsony.—Isaia 33:24; Apokalypsy 21:4.
Eo am-piandrasana an’izany, dia mbola tena te hitory ny vaovao tsara amin’ny marenina foana aho, na dia efa izay aza no asa nataoko nandritra an’izay 60 taona lasa izay.
a Mbola tsy nisy ilay fandaharana hoe miara-midinika amin’ny anti-panahy aloha izay te hatao batisa tamin’izany.