Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TERRY REYNOLDS | TANTARAM-PIAINANA

Nampian’i Jehovah mba Hanome Azy ny Tsara Indrindra Aho

Nampian’i Jehovah mba Hanome Azy ny Tsara Indrindra Aho

 Nisy rahalahy izay nanome ahy ny Baiboliny, tamin’izaho 14 taona. Cecil no anarany. Baiboly fanaovany fianarana samirery ilay izy, dia nisy fanamarihana nosoratany teny amin’ny sisim-pejy. Hoy aho tany an-tsaiko tany hoe: ‘Fanomezana tsara be mihitsy ity!’

 Nanetry tena i Cecil sady tena tia nanampy olona. Modely ho ahy izy sy ny mamako ary ny rahalahy sy anabavy tsy nivadika tao amin’ny fiangonanay. Ry zareo no nahatonga ahy “hanana faniriana ... hanao zavatra”, izany hoe hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah. (Filipianina 2:13) Fa aleo aloha hotantaraiko aminareo ny fiainako.

Nanohina ny foko ny nahita ny zotom-pon’i Neny

 Tamin’ny 1943 aho no teraka. Nipetraka tao amin’ny toeram-pambolena iray tsy lavitra an’i Bundaberg ry Dada sy Neny tamin’izany. Tanàna amoron-tsiraka i Bundaberg, ary any amin’ilay faritra mpamokatra fary atao hoe Queensland, tany Aostralia. Nankany an-tanàn-dehibe ny olona isaky ny asabotsy hariva mba hiaraka hiala voly. Hoatr’izany koa no fanaon’i Dada sy Neny, dia tany ry zareo no nihaona tamina mpisava lalana (Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro) anankiroa, tamin’ny 1939. Niresaka tamin-dry zareo momba ny Baiboly ireo mpisava lalana ireo. Nanohina ny fon’izy mivady ny zavatra nianarany, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah ry zareo tatỳ aoriana. Azo lazaina izany hoe notezaina tao amina fianakaviana kristianina izaho sy Jean zokiko vavy. Nisy zavatra nampalahelo be nitranga anefa. Nianjera tamin’ny tohatra tao an-trano i Dada dia maty. Vao fito taona aho tamin’izany. Mbola tsy nalahelo hoatr’izany aho! Ny tena ahatsiarovako an’i Dada dia ilay izy niasa mafy sy tia nivazivazy. Tsy andriko izay hitsanganany amin’ny maty, amin’izay aho mahafantatra azy tsara!​—Asan’ny Apostoly 24:15.

 I Neny indray tsara fanahy sady nahay nandanjalanja. Tsy sarotiny izy fa navelany hilaza an’izay tianay sy tsy tianay izaho sy Jean. Hentitra tsara anefa izy raha vao resaka torolalan’ny Baiboly sy fanompoana an’i Jehovah. Tsy tapaka fivoriana mihitsy izahay! Noteneniny koa izahay mianadahy hoe aleo tsy mandany fotoana be miaraka amin’ny ankizy tsy Vavolombelon’i Jehovah rehefa tsy mianatra. (1 Korintianina 15:33) Rehefa mieritreritra an’izany aho amin’izao, dia tena miaiky hoe soa ihany i Neny fa hentitra.

Tamin’izaho 14 taona teo ho eo

 Nazoto nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra koa i Neny, ary mpisava lalana mpanampy izy matetika. Tadidiko hoe nisy fianakaviana 50 mahery notsidihiny tsy tapaka, dia nanaterany ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mbola nazoto nanampy ny olona liana izy, na dia rehefa nihantitra sy tsy natanjaka intsony aza. Tena tia olona i Neny, ary indrindra moa fa izahay mianadahy. Lasa tianay be koa izy vokatr’izany, dia niezaka nanahaka azy izahay. Nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa aho tamin’ny 1958, tamin’izaho 14 taona.

Lasa nazoto satria nanana namana tsara

 Natao batisa koa i Rudolf taoriana kelin’izay. Avy any Alemaina izy ary nivory tao amin’ny fiangonanay. Roapolo taona teo ho eo izy tamin’izany. Matetika izahay roa lahy no nitory tamin’ny olona niandry mpiantsena. Niara-niantsena mantsy ny fianakaviana sasany, dia nisy tamin-dry zareo niandry tao anaty aotomobilina. Dia ireny no niresahanay.

 Tena nazoto nanompo i Rudolf. Nasainy hanao mpisava lalana mpanampy niaraka taminy aho rehefa vakansy. Nankany Gladstone, tanàna any amin’ny 190 kilaometatra eo ho eo mianavaratra an’i Bundaberg, izahay indray mandeha, dia nitory tany nandritra ny iray volana sy tapany. Nanampy be ahy i Rudolf, ary nataony hoatran’ny rahalahiny mihitsy aho. Nahafinaritra be koa ilay nanao mpisava lalana mpanampy. Lasa te ho mpisava lalana maharitra aho vokatr’izany. Tratrako io tanjoko io tamin’izaho 16 taona. Tapa-kevitra aho hoe hatokako hanompoana an’i Jehovah manontolo andro ny fiainako.

 Tany Mackay no nanendrena ahy voalohany raha vao lasa mpisava lalana maharitra aho. Tanàn-dehibe sady amoron-tsiraka any avaratr’i Bundaberg i Mackay, ary tsy lavitra ny Haran-dranomasina Lehibe. Herintaona teo ho eo taorian’izay, tamin’izaho 17 taona, dia voatendry ho mpisava lalana manokana a tany amin’ny faritra tsy dia be olona tany ambanivohitr’i Aostralia aho. Rahalahy voahosotra izay no mpisava lalana namako tany. Bennett (Ben) Brickell no anarany, dia zokiko 30 taona mahery izy. b Tena sambatra aho afaka niara-niasa taminy satria efa ela izy no mpisava lalana. Betsaka no niaiky hoe mpisava lalana miavaka izy!

Mitory amin’ny vehivavy iray any ambanivohitr’i Aostralia, tamin’ny 1963

 Tany amin’ny faritra avaratr’i Queensland ny faritaninay, tany amin’ilay toerana manamorona ny Hoalan’i Carpentarie. Vitsy kely ny olona nipetraka tany tamin’izany. Izaho sy Ben irery koa no Vavolombelon’i Jehovah tany. Nandeha aotomobilina nandritra ny ora maromaro izahay indraindray vao tonga tany amin’ny trano manaraka. Ny lalana amin’io mamovoka be. Nitantara ny zavatra niainany tamin’izy vao nanomboka nitory i Ben matetika tamin’ireny dianay ireny. Notantarainy, ohatra, hoe nampiasa fiara misy fanamafisam-peo c ry zareo rehefa nitory, nandritra ny Ady Lehibe II. Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia tamin’izany.

Rahalahy iray (ankavanana) sy izaho (ankavia), mampianatra Baiboly any ambanivohitr’i Aostralia

 Rehefa avy nanompo tontolo andro izahay, dia nitady toerana mety tsara mba hatoriana teny amin’ny sisin-dalana teny. d Nitady kitay izahay dia nandrehitra afo hanaovana sakafo hariva. Nisy plastika matevina be sy tsy tantera-drano izay nataoko tamin’ny tany, dia nasiako bodofotsy sy ondana, dia teo aho no natory. Mbola tsaroako hatramin’izao hoe nijery ny lanitra feno kintana aho, dia niaiky hoe tena mahay i Jehovah. Nazava be mantsy ilay izy satria tsy nisy jiro avy amin’ny elektrisite teo akaiky teo.

 Mitokana be ilay toerana ka mety hampidi-doza raha maty ny aotomobilinao. Tapaka anefa ny suspension tamin’ny aotomobilinay indray mandeha. Ny andro amin’io nahamay be, dia efa kely koa sisa ny rano tao aminay. Tsy maintsy nosoloana ilay suspension, dia nisakana aotomobilina nandalo i Ben mba hitondra azy hankany Cloncurry. Izaho no niandry an’ilay aotomobilina nandritra ny telo andro teo ho eo. Nisy aotomobilina vitsivitsy nandalo isan’andro, dia nomen’ireo mpamily rano kely aho. Nisy lehilahy iray izay koa nanome ahy boky efa tonta sady niteny hoe: “Vakio iny fa mety hanampy an’ialahy.” Gaga be aho fa miresaka momba ny zavatra niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia ilay boky. Tsy boky navoakan’ny fandaminana ilay izy.

 Efa ho herintaona izahay sy Ben no niaraka nanao mpisava lalana. Izao no noteneniny tamiko tamin’izahay nihaona farany: “Tohizo ny ady rahalahy a!” Noho i Ben nahafoy tena ho an’Andriamanitra sady nazoto nanompo, dia lasa tapa-kevitra kokoa aho hoe hanohy ny fanompoana manontolo andro.

Nanatrika ny Sekolin’i Gileada dia avy eo voatendry ho any Taïwan

 Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany ambanivohitr’i Aostralia aho, nandritra ny taona maromaro. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho avy eo, izany hoe nitsidika fiangonana iray na antoko-mpitory iray tao amin’izay faritra nanendrena ahy, nandritra ny herinandro teo ho eo. Efatra ny tontalin’ny faritra notsidihiko, anisan’izany ny fiangonana tany Queensland sy Nouvelle-Galles Atsimo. Voasa hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-51 aho taorian’izay, tamin’ny 1971. Sekoly mampiofana misionera Vavolombelon’i Jehovah ilay izy, ary any New York no misy azy. Tombontsoa be ilay izy sady tsy nampoiziko! Nandalina ny Baiboly nandritra ny dimy volana izahay sady tena nifofotra nianatra. Nampahery koa ny niaraka tamin’ny mpiara-mianatra sy ny mpampianatra. Nanomana ahy daholo izany mba hahavita ny asa misionera tany Taïwan. Tany mantsy no nandefasana ahy taorian’ilay sekoly.

Ny iray kilasy tamiko tamin’ny Sekolin’i Gileada

 Sivy taminay iray kilasy no nalefa tany Taïwan, anisan’izany i Ian Brown, rahalahy avy any Nouvelle-Zélande. Izahay roa lahy no niaraka nanao ny asa misionera. Zara raha nisy zavatra fantatray momba an’i Taïwan. Na ny toerana nisy an’i Taïwan aza tsy hainay raha tsy nijery sarintany izahay.

 Amiko dia ny ambanivohitr’i Queensland sy Taïwan no toerana samy hafa indrindra eto an-tany. Ny fiteny no nanahirana anay voalohany indrindra. Niteny sinoa mantsy ny olona tany Taïwan. Elaela aho tsy nahazo an’izay noresahina tany am-pivoriana, nefa any no tena ahafahana manatanjaka finoana. Tsy afaka nifampiresaka tsara tamin’ireo rahalahy sy anabaviko koa aho. Tonga saina izahay sy Ian hoe tena nilainay ilay fiofanana tamin’ny Sekolin’i Gileada sy ny zavatra be dia be nianaranay tany. Nanampy anay mba hifandray tsara tamin’i Jehovah foana ilay izy. Niezaka foana koa izahay nianatra Baiboly sy nivavaka tamin’ny fo. Na dia tsy afaka nifampiresaka tsara tamin’ny mpiara-manompo aza izahay, dia nampahery be anay ny nahita hoe tena tia anay sy tia an’i Jehovah ry zareo.

Nianatra teny sinoa izahay

 Nianatra teny sinoa daholo ny misionera raha vao tonga tany Taïwan. Be dia be ny zavatra nianarana sady tao anatin’ny fotoana fohy. Anabavy avy any Aostralia no nampianatra anay. Kathleen Logan e no anarany, ary nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-25 izy. Niezaka be izahay nianatra teny sinoa. Nampirisihina izahay hoe tonga dia ampiasao izay ianarana, dia izay no nataonay. Nanao tsianjery fomba fitory tsotsotra anankiray tamin’ny teny sinoa izahay sy Ian, dia iny no nampiasainay tamin’ny andro voalohany nandehananay nanompo. Nifanontany izahay teny an-dalana hoe iza no hiteny voalohany. Dia satria izaho mbola zokiny, dia nivazivazy aho hoe aleo izy no hanomboka. Lehilahy sinoa mihaja be izay no tao amin’ny trano voalohany. Nafangaron’i Ian teo ny teny sinoa sy teny anglisy, dia nihaino tsara ilay rangahy. Namaly tamin’ny teny anglisy misosa tsara izy avy eo, dia nanontany hoe fa inona no tadiavinay. Gaga be izahay roa lahy! Niresaka elaela teo izahay dia nampirisika anay ilay lehilahy tamin’ny farany hoe: “Tohizo tsara ny fianarana teny sinoa!” Lasa nazoto ‘hanohy ny ady’ araka ny fitenin’i Ben izahay, rehefa naheno an’izany teniny izany.

 Ampahany lehibe tamin’i Taipei renivohitra no faritaninay. Mbola tsy naheno ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy ny ankamaroan’ny olona tao, satria vitsy kely ny Vavolombelon’i Jehovah nipetraka tany tamin’izany. Tsy nahakivy anay sy Ian anefa izany fa nazoto nitory izahay. Gazety an-jatony isam-bolana matetika no napetrakay. Mino aloha aho hoe nisy tamin’ireny olona ireny naka gazety satria mba tiany ho fantatra fotsiny hoe iza izahay dia inona marina no tena tianay horesahina e. Na izany aza, dia nanao izay tsara indrindra vitanay izahay mba hamafazana ny voan’ny fahamarinana. Natoky mantsy izahay hoe tsy maintsy hamaka ao am-pon’ny olona liana ihany ny sasany amin’ireny voa ireny.

Nahazo namana vaovao sy ho mandrakizay aho hanampy ahy

Izahay sy Wen-hwa niara-nanompo, tamin’ny 1974

 Lasa mpinamana tamin’ny anabavy iray avy ao Taïwan izay aho rehefa nandeha ny fotoana. Wen-hwa no anarany. Tena tia fahamarinana izy ary te hanampy ny olona tao Taïwan mba handray soa avy amin’izay lazain’ny Baiboly hoatran’azy ihany. Izany no nahatonga azy hanampy misionera be dia be mba hahay hiteny sinoa kokoa, anisan’izany aho. Lasa tiako be mihitsy izy dia nivady izahay tamin’ny 1974.

 Nanampy ny misionera mba hahita vokatra kokoa tamin’ny fanompoana i Wen-hwa. Nampiany, ohatra, izahay mba hahazo ny fombafomban’ny olona tao Taïwan sy ny fomba fisainan-dry zareo, satria nanampy anay mba hahay an’ilay fiteny izany. Nampiany koa izahay mba hahay hampifanaraka ny fomba fitorinay amin’izay ilain’ny olona. Nanaraka ny fivavahana bodista sy taoista mantsy ny ankamaroan’ny olona tany. Be dia be koa no mivavaka amin’ny razana, ary mbola tsy namaky Baiboly mihitsy ny ankamaroany. Misy aza mbola tsy nahita Baiboly akory. Noho izany, dia ny momba ny Mpamorona no tena noresahinay rehefa nitory izahay. Noresahinay tamin’ny olona hoe Jehovah no anarany sy hoe nahoana no afaka matoky isika fa tena misy izy. Raha sendra mpamboly na mpanarato, ohatra, izahay ka miteny izy hoe: “Ny orana sy ny masoandro ny anay no ianteheranay mba hahazoanay sakafo”, dia namaly izahay hoe: “Iza no manome antsika ny sakafo rehetra ilaintsika? Tsy ilay Andriamanitra mahery indrindra sy namorona ny zava-drehetra ve, izany hoe ilay mendrika ny hivavahantsika?”

Wen-hwa tamin’ny 1975

 Nody ventiny ny rano nantsakaina rehefa nandeha ny fotoana. Latsaka teny amin’ny tany tsara ny voan’ilay Fanjakana, satria be dia be ny olona nanana toe-po tsara ka nanaiky ny fahamarinana. Niezaka be ny sasany tamin’ireny mpianatra Baiboly ireny mba tsy hino intsony ny zavatra diso ninoany nandritra ny taona maro sy mba hiala amin’ireo fombafomba tsy mampifaly an’i Jehovah. Noho ny fanampian’ny misionera sy ny mpitory hafa anefa, dia vitan’izy ireo izany ary nihatsara be ny fiainany. (Jaona 8:32) Maro tamin’ireny rahalahy ireny no lasa nahazo andraikitra tao amin’ny fiangonana tatỳ aoriana. Betsaka koa ny rahalahy sy anabavy lasa nanompo manontolo andro. Misy, ohatra, lasa nanompo tao amin’ny biraon’ny sampana, na Betela.

 Nahazo tombontsoa ho anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Taïwan aho nanomboka tamin’ny 1976 sady misionera teny amin’ny saha ihany. Nasaina hanompo tao amin’ny Betela izahay sy Wen-hwa tamin’ny 1981, dia anisan’ny komitin’ny sampana tao aho nandritra ny taona maro. Efa 60 taona mahery aho izao no nanompo manontolo andro. Teto Taïwan ny 50 taona mahery tamin’izany, ary efa ho 50 taona no nanompoako manontolo andro niaraka tamin’ny vady malalako. Nanompo manontolo andro teto Taïwan foana koa i Ian Brown, ilay misionera namako, mandra-pahafatiny tamin’ny 2013.

Izaho miasa ao amin’ny biraoko eto Taïwan tamin’ny 1997

 Miezaka foana izahay sy Wen-hwa mba ho be atao amin’ny asanay ato amin’ny Betela sy ny fiangonana sinoa ary ny fanompoana. Tombontsoa be daholo izany ary isaoranay an’i Jehovah. Izy no nahatonga ahy hanana faniriana sy hery hanompoana azy tamin’ny foko manontolo tamin’izaho mbola kely, dia mbola izany koa no ataony aminay sy Wen-hwa amin’izao izahay efa be taona izao.

a Ny mpisava lalana manokana dia mpitory manontolo andro manolo-tena mba hirahin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’izay toerana hitan’izy ireo hoe mila mpampianatra Baiboly.

b Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1972 (frantsay) ny tantaram-piainan’i Bennett Brickell.

c Nisy fanamafisam-peo teo ivelan’io karazana fiara io, mba hahafahana mampita ny hafatra momba an’ilay Fanjakana any amin’ny toerana lavitra be.

d Raha te hahita mpiara-manompo mitory any amin’io hoala io ianao, dia jereo ilay video hoe Fitoriana any Amin’ny Faritany Mitokana: Aostralia.

e Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Janoary 2021 ny tantaram-piainan’i Harvey sy Kathleen Logan