Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

DORINA CAPARELLI | TANTARAM-PIAINANA

Tsy Anenenako Mihitsy Ireny na dia Saro-kenatra aza Aho!

Tsy Anenenako Mihitsy Ireny na dia Saro-kenatra aza Aho!

Saro-kenatra be foana aho hatramin’izay, dia tapa-tsinay aho rehefa mieritreritra ny zavatra sasany niainako teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy mampino mantsy ilay izy!

 Tamin’ny 1934 aho no teraka tany Pescara, tanàna any afovoany atsinanan’i Italia, eo amoron’ny Ranomasina Adriatika. Efa-bavy izahay dia izaho no farany. Nataon’i Dada nanaraka ny filaharan’ny abidy ny anaranay, dia izay no mahatonga ny anarako hanomboka amin’ny “D.”

 Efa nahaliana an’i Dada foana ny resaka momba an’Andriamanitra, fa tamin’ny Jolay 1943 izy no naheno voalohany momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy lehilahy izay mantsy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia niresaka taminy momba ny Baiboly sy nampindrana azy gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Liberato Ricci no anarany. Tsy ela taorian’izay, dia niresaka tamin’ny olona momba an’izay nianarany i Dada sady nafana fo erỳ. Nanaiky ny fahamarinana koa i Neny. Tsy nahay namaky teny sy nanoratra izy, fa na izy koa aza mba niresaka momba ny fanantenany tamin’ny olona. Nataony tsianjery ny andinin-teny dia ireny no noresahiny.

 Lasa be atao izahay tao amin’ilay trano kely nipetrahanay. Tao aminay mantsy no natao ny fivoriana. Nampiantrano mpiandraikitra mpitety faritany sy mpisava lalana koa izahay matetika, na dia tsy nanana afa-tsy fandriana roa aza.

 Tsy dia liana tamin’ny Baiboly ny zokiko roa vavy. Nanambady ry zareo tatỳ aoriana dia niala tao an-trano. Izahay sy Cesira indray anefa tena tia nihaino an’i Dada namaky Baiboly. I Cesira ilay zokiko vavy fahatelo. Tianay be koa ny nihaino ny lahateny mampahery nataon’ireo rahalahy nitsidika ny antoko-mpitory kely nisy anay.

 Niara-nitory tamin’i Dada sy ny mpiara-manompo aho matetika. Saro-kenatra be anefa aho dia efa volana maromaro tatỳ aoriana vao sahy nitory tamin’olona. Vao mainka lasa tiako be anefa i Jehovah, dia natao batisa aho tamin’ny Jolay 1950. Nisy ranadahy izay tonga nanao ny lahatenin’ny batisa tao an-tranonay, dia avy eo izahay nankeny amin’ny ranomasina dia tany aho no naroboka. Nisy mpivady voatendry ho mpisava lalana manokana tao amin’ny faritra nisy anay ny taona nanaraka, dia niara-nitory tamin-dry zareo aho matetika. Arakaraka ny nandehanako nanompo no nahatonga an’ilay izy ho mora kokoa tamiko. Lasa tiako be mihitsy ny mitory! Tena tombontsoa be ilay izy!

Fanapahan-kevitra nanova ny fiainako

 I Piero Gatti no mpiandraikitra ny faritra voalohany nitsidika anay. a Nampirisihiny hanao mpisava lalana sy hanitatra faritany aho. Mbola tsy tao an-tsaiko mihitsy izany, nefa narahiko ny teniny dia nanao mpisava lalana aho nanomboka tamin’ny Martsa 1952. Niova tanteraka ny fiainako! Tao an-trano ihany aho no nipetraka tamin’izaho mpisava lalana, satria tsy fanao tany aminay izany hoe miala ao amin’ny ray aman-dreniny ny ankizivavy nefa mbola tsy manambady.

 Nisy rahavavy tanora anankiray te hanao mpisava lalana koa tamin’izay. Anna no anarany. Te hiaraka hanompo izahay dia lasa nipetraka tao aminay izy. Voatendry ho mpisava lalana manokana tany Pérouse izahay roa vavy tamin’ny 1954. Miala 250 kilaometatra eo ho eo avy teo aminay no misy an’io tanàna io, ary tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah tany.

Anna sy Dada ary izaho, taloha kelin’ny nandehananay nankany Pérouse

 Hafakely mihitsy ny fiainako tamin’izany fa tiako be! Vao 20 taona aho ary mbola tsy niala tao amin’ny tanànanay raha tsy isaky ny hamonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra niaraka tamin’i Dada sy Neny. Dia tamin’ity, hoatran’ireny ho any an-dakira be ireny no fahatsapako ny tenako! Natahotra kely i Dada amin’ilay hoe hipetra-drery izahay sy Anna, dia tonga nanampy anay hitady trano izy. Nahita efitra anankiray azo nofana izahay, dia sady tranonay ilay izy no natao Efitrano Fanjakana. Izahay mirahavavy irery anefa no mpivory tamin’ny voalohany. Na izany aza, dia nahafinaritra be ny nitory tany Pérouse sy tany amin’ireo tanàna teny akaiky teny. Faly koa izahay fa nisy vokany ny ezaka nataonay. Nisy ranadahy iray tonga nifindra tany herintaona taorian’izay, dia lasa izy no nitarika ny fivoriana. Efa lasa nisy fiangonana kely tao tamin’ny 1957, rehefa voatendry ho any an-toeran-kafa izahay sy Anna.

Niaraka tamin’ny vadina mpiandraikitra ny faritra sy Anna, teo akaikin’ny Fontana Maggiore, any Pérouse, tamin’ny 1954

 Tanàna kely antsoina hoe Terni, any afovoan’i Italia, no faritaninay vaovao. Faly be izahay hoe hitory any satria efa nisy olona liana be dia be tao. Tsy moramora anefa ny fanompoana tany. Na dia efa nifarana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 1943 aza mantsy ny fitondrana fasista, dia mbola nitady hisakana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hitory ny hafatra ao amin’ny Baiboly ihany ny manam-pahefana sasany. Nilaza ry zareo hoe mila fahazoan-dalana, hono, izahay vao mahazo mitory isan-trano.

 Matetika no nisy polisy nanaraka ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitsofotsofoka tany anaty vahoaka tany izahay indraindray amin’izay tsy tratran-dry zareo. Nisy fotoana anefa izahay tratra ihany. Indroa aho no voasambotra. Tamin’izaho niara-nitory tamin’ny mpiandraikitra ny faritra no voalohany. Nosamborin’ny polisy izahay sy ilay mpiandraikitra dia nentin-dry zareo tany amin’ny paositry ny polisy. Nampangaina izahay hoe nitory nefa tsy nahazo alalana, dia nasaina nandoa lamandy. Tsy nety nandoa anefa izahay. Izahay ange tsy nandika lalàna e! Mbola tsy nidobodoboka be hoatr’izany ny foko! Nisaotsaotra an’i Jehovah aho hoe mba nisy namana aho niatrika an’ilay izy fa tsy hoe izaho irery. Nampahery ahy koa ny nitadidy ny Isaia 41:13 hoe: “Aza matahotra fa hanampy anao aho.” Nafahana izahay avy eo, dia nampakarina fitsarana ny raharaha. Nofoanan’ilay mpitsara fotsiny anefa ilay izy! Enim-bolana taorian’izay aho no voasambotra fanindroany, ary izaho irery tamin’io. Mbola nafahana madiodio indray anefa aho!

Vao mainka nisy fomba be dia be nanompoana an’i Jehovah

 Tadidiko hoe tena tsy andriko ny hanatrika fivoriambe anankiray izay. Tany Naples, any amin’ny faritra atsimon’i Italia, ilay izy no natao, tamin’ny 1954. Nanolo-tena hanadio aho rehefa tonga tany, dia notendrena hanadio ny teo akaikin’ny lampihazo. Nahita ranadahy tanora sady tsara tarehy izay aho teo. Antonio Caparelli no anarany, dia mpisava lalana avy any Libya izy. Avy eto Italia izy sy ny fianakaviany fa nifindra tany Lybia ry zareo tamin’ny taona 1939 tany ho any.

Antonio mitaingina an’ilay môtô nampiasainy tany Libya

Tamin’ny mariazinay

 Lehilahy be herim-po sady navitribitrika i Antonio. Nandeha lavitra be tamin’ny môtô tany amin’ny Tany Efitr’i Lybia izy mba hitory tamin’ny Italianina nipetraka tany. Nifanoratra tsindraindray izahay tatỳ aoriana. Niverina teto Italia izy teo am-piandohan’ny 1959, dia nijanona volana vitsivitsy tao amin’ny Betelan’i Roma. Voatendry ho mpisava lalana manokana tany Viterbe, any Italia afovoany, izy taorian’izay. Lasa nifankatia be izahay dia nivady tamin’ny 29 Septambra 1959. Nanaraka an’i Antonio nankany Viterbe aho taorian’izay.

 Nila trano hipetrahana sy hanaovana fivoriana izahay, dia rehefa afaka elaela dia nanofa efitra anankiray hoatran’ny fivarotana kely izay. Tao ambany rihana ilay izy, dia nisy efitra fandroana fa tena kely. Nataonay naka sisiny ny fandriananay, dia nisy zavatra natsanganay teo akaiky teo mba hanakonana an’ilay izy, amin’izay izahay hoatran’ny mba hoe manana efitra fatoriana. Ny toerana malalaka teo akaikin’ilay fandriana no nataonay salon na Efitrano Fanjakana rehefa andro fivoriana. Tsy hoe tsara be ilay efitra, ary raha izaho dia tsy ho nipetraka irery tao mihitsy aho. Faly anefa aho satria izahay sy Antonio no niara-nipetraka tao.

Teo anoloan’ilay zavatra natsanganay mba hanasarahana ny efitranonay sy ny salon

 Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra i Antonio tamin’ny 1961, dia tsy maintsy nanatrika ny sekoly ho an’ny mpikarakara ny fiangonana, na mpiandraikitra, aloha izy nandritra ny iray volana. Voatery nipetraka irery aho tamin’izay dia nalahelo be, indrindra rehefa hariva ny andro ka tsy nisy na iza na iza afa-tsy izaho tao amin’ilay efitra kelinay. Faly anefa aho hoe nampiasain’i Jehovah ny vadiko. Niezaka mba ho be atao koa aho, dia mba nandeha haingana ny fotoana.

 Betsaka ny dia lavitra nataonay, tamin’i Antonio mpiandraikitra ny faritra. Avy tao Vénétie, any amin’ny faritra avaratr’i Italia, izahay no nankany Sisila, any atsimo. Tsy nanana fiara izahay tamin’ny voalohany, dia nandeha tamin’ny fiara fitateram-bahoaka. Nandeha bisy tamin’ny lalana mikitoantoana be izahay indray mandeha, tany ambanivohitr’i Sisila. Rehefa tonga izahay dia efa nisy ranadahy maromaro nitsena anay. Nitondra ampondra anankiray ry zareo mba hitatitra ny entanay. I Antonio amin’io nanao kompile sy kravaty, dia izaho nanao akanjo fentina mivory. Nampihomehy be angamba izao ny nahita anay nandeha an-tongotra niaraka tamin’ny tantsaha maromaro, teo akaikin’ilay ampondra nitondra ny valizinay sy milina fanoratana anankiray!

 Tena tia nizara ny mpiara-manompo. Izay nananany no nomeny na dia tena kely aza izany. Tsy nisy trano fandroana na rano mandeha amin’ny raobine tao amin’ny trano sasany. Efitra anankiray efa tsy nampiasaina nandritra ny taona maro no natorianay indray mandeha. Gaga i Antonio indray alina izay fa nihetsiketsika be aho nefa sady natory ihany, dia nofohaziny. Rehefa nakarinay ny rako-pandriana, dia inona hozy ianareo? Feno bibikely teo amin’ny kidoro! Rikoriko izahay mivady! Inona anefa moa no azo natao fa ny andro aza tamin’io efa alina be? Niezaka nanala bibikely betsaka araka izay azo natao izahay, dia avy eo natory indray.

Izahay sy Antonio tamin’izy mpiandraikitra ny faritra, tamin’ny taona 1960 tany ho any

 Tsy moramora mihitsy aloha ireny e! Tsy ireny anefa no olana lehibe indrindra tamiko fa ilay izaho saro-kenatra. Sarotra be tamiko ny nahazo namana isaky ny nisy fiangonana sambany vao notsidihinay. Niezaka be anefa aho satria tena te hampahery sy hanampy an’ireo rahavavy. Nampian’i Jehovah foana aho, dia efa lasa nahazo aina kokoa rehefa nifarana ilay herinandro. Tena sambatra aho niara-niasa tamin’ireny ranadahy sy rahavavy ireny, dia nahita hoe malala-tanana sy tsy mivadika ry zareo sady tena tia an’i Jehovah.

 Rehefa avy nanao ny asan’ny faritra sy vondrom-paritra b nandritra ny taona maromaro izahay, dia nasaina hanompo tao amin’ny Betelan’i Roma tamin’ny 1977. Nanampy tamin’ny fanomanana an’ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe “Finoana Mandresy” izahay tamin’izay. Volana vitsivitsy taorian’izay dia lasa anisan’ny fianakavian’ny Betela izahay. Tsy ela taorian’izay dia voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana i Antonio.

 Vaovao be tamiko ilay hoe nipetraka tao amin’ny Betela, dia tsy tena nahazo aina indray aho indraindray noho izaho saro-kenatra. Notahin’i Jehovah anefa aho sady nampian’ny Betelita hafa, dia vetivety dia tamana tsara ihany.

Niatrika olana hafa

 Niatrika olana hafa izahay tatỳ aoriana. Narary mantsy i Antonio. Nodidiana ny fony tamin’ny 1984, dia folo taona teo ho eo taorian’izay izy voan’ny aretina hafa indray. Hita hoe voan’ny kansera mahery vaika koa izy tamin’ny 1999. Navitribitrika foana izy hatramin’izay nefa tsy resiny mihitsy ilay kansera. Narary ny foko nahita azy nihanalemy. Nivavabavaka tamin’i Jehovah aho mba homeny hery hahafahako manampy ny vady malalako. Namaky matetika ny Salamo koa aho. Nanampy ahy mba ho tonitony izany rehefa nitebiteby aho. Maty i Antonio tamin’ny 18 Martsa 1999. Efa ho 40 taona izahay no nivady.

 Mahagaga hoe na feno olona aza manodidina anao dia mety hahatsiaro ho manirery be ihany ianao. Marina hoe nampiseho fitiavana be tamiko sy tena nampahery ahy ny Betelita hafa sy ny ranadahy sy rahavavy nihaona taminay sy Antonio tamin’izy mpiandraikitra ny faritra. Mbola tsapako hoe nisy banga be anefa tao am-poko, indrindra isaky ny niverina tao amin’ny efitranoko aho rehefa hariva dia izaho irery no tao. Tsy hitako izay hilazana an’ilay izy fa tena mafy! Nivavaka sy nianatra anefa aho dia rehefa nandeha ny fotoana dia nihasitrana ihany ny foko. Lasa nahafinaritra mihitsy aza tatỳ aoriana ny nahatsiaro ny fotoana niarahanay sy Antonio. Tiako ny mahatsiaro ny zavatra niarahanay natao. Matoky aho hoe ao amin’ny fitadidian’i Jehovah ny vadiko, ary mbola hahita azy aho rehefa hatsangany amin’ny maty izy.

 Efa betsaka ny asa nasaina nataoko teto amin’ny Betela, dia ao amin’ny fanjairana aho izao. Faly be aho hoe mandray soa avy amin’ny asa ataoko ny fianakavian’ny Betela. Miezaka ho be atao amin’ny fanompoana koa aho. Tsy mahavita be hoatran’ny taloha intsony aloha aho e! Mbola tiako be foana anefa ny miresaka momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, sady efa tiako hatramin’izaho mbola kely mihitsy. Izay no mahatonga ahy hampirisika ny tanora mba hanao mpisava lalana. Haiko tsara hoe tsy misy asa mahafinaritra noho io!

“Faly be aho hoe mandray soa avy amin’ny asa ataoko ny fianakavian’ny Betela”

 Efa ho 70 taona aho izao no nanompo manontolo andro, dia hitako hoe tena nanampy ahy sy nitahy ahy i Jehovah. Mbola tsy afaka amiko ilay hoe saro-kenatra, dia midika izany hoe raha tsy teo i Jehovah dia tsy ho nahavita an’ireny zavatra vitako ireny aho. Izaho izao tonga tany amin’ny toerana lavitra be sady nifandray tamin’ny olona maro nianarako zavatra tsara be. Be dia be koa ny zavatra nahafinaritra hitako sy niainako. Raha mbola azo averina daholo ireny dia tsy hisalasala mihitsy aho!

a Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2011 no misy ny tantaram-piainan’i Piero Gatti, izay mitondra ny lohateny hoe “Tsy Matahotra Fahafatesana Intsony Aho.”

b Ny hoe mpiandraikitra ny vondrom-paritra dia rahalahy nikarakara faritra maromaro antsoina hoe vondrom-paritra.